Olona maherin'ny 1.400 no nanatevin-daharana ny famoriam-bahoaka momba ny toetrandro tao Singapaoro tamin'ny 23 Septambra tao amin'ny Hong Lim Park, toerana tokana ao an-tanàna ahafahan'ny olom-pirenena manao fihetsiketsehana tsy mila fahazoan-dàlana avy amin'ny polisy. Ity no famoriam-bahoaka momba ny toetr'andro voalohany tao Singapaoro nanomboka tamin'ny taona 2019. Nilaza ireo mpikarakara fa natao ho an'ireo ” Singapaoreana miahy ny toetr'andro isan'andro izay te hijoro ho an'i Singapaoro maitso sy marina kokoa ho an'ny rehetra ny famoriam-bahoaka. Nanampy izy ireo fa ny lohahevitra tamin'ity taona ity dia natao hampiroborobo ny fampiatiana:
We gather today because we believe that Singapore must take stronger and swifter action to reduce greenhouse gas emissions and offer robust support to communities most vulnerable to the impacts of climate change.
Mivory izahay anio satria mino izahay fa tsy maintsy mandray andraikitra matanjaka kokoa sy haingana kokoa i Singapaoro mba hampihenana ny famoahana etona sy hanomezana fanohanana matanjaka ho an'ireo vondrom-piarahamonina izay tena marefo amin'ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro.
Nolazain'i Kristian-Marc James Paul, iray amin'ireo mpikarakara, tamin'ny median'ny fizakàna maharitra Eco-Business ny tanjon-dry zareo hampahatsiahy amin'ny manampahefana ny fiantraika mafin'ny fiovaovan'ny toetr'andro amin'ny fianakaviana sy vondrom-piarahamonina ambany karama:
We are equally worried about cost of living. Which is why we try to promote the message of climate justice, because if we are thinking about mitigating climate change, we have to do it in an inclusive way.
Manahy ny vidim-piainana koa izahay. Izany no antony hiezahanay hampiroborobo ny hafatry ny rariny ara-toetrandro, satria raha mieritreritra ny hanalefaka ny fiovan'ny toetr'andro isika, dia tsy maintsy manao izany amin'ny fomba feno.
Fitakiana iray hafa dia ny haneken'i Singapaoro ny fandraisany anjara amin'ny fahapotehan'ny harena voajanaharin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy any Azia Atsimo Atsinanana:
Singapore has benefitted for decades from cheap migrant labour while extracting natural resources from our surrounding neighbours through acts of deforestation and sand mining. And lastly, Singapore’s wealth was built partly through becoming a hub for petrochemicals as well as a maritime and aviation hub — all of which are fossil fuel-intensive industries.
Nisitraka mpiasa mpifindra monina mora am-polony taona maro i Singapaoro sady naka ny harena voajanahary avy amin'ireo mpifanolo-bodirindrina amintsika tamin'ny alalan'ny fandripahana ala sy fitrandrahana fasika. Ary farany, naorina ampahany tamin'ny nahalasa azy ho fihaonan-dalan'ny solika ny haren'i Singapaoro sy amin'ny maha-fihaonan-dalana an-dranomasina sy fiaramanidina koa – indostrian'ny solika fôsily avokoa ireo rehetra ireo.
Incredible turnout from yesterday’s Climate Rally at Hong Lim Park. It’s great to see such passionate people coming together for Climate Action for a green, just, and more sustainable world.💚#SGClimateRally #ClimateJusticeNow pic.twitter.com/lyfZk7Xeyy
— Greenpeace Southeast Asia (@GreenpeaceSEA) September 24, 2023
Fitrangan-javatra tsy mampino avy amin'ny Fihaonana ara-toetrandro omaly tao amin'ny Hong Lim Park. Mahafinaritra ny mahita olona mafana fo toy izao miara-mivory amin'ny hetsika momba ny toetrandro ho an'ny tontolo maitso, rariny, ary mateza kokoa.
Mba hampitana ny hafatry ny famoriam-bahoaka, nasaina nitafy mena ny mpandray anjara mba hanehoana ny hamehana ara-tontolo iainana, ary hanoratra karatra paositra ho an'ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta. Tamin’ny fiafaran’ny fandaharana naharitra adiny efatra dia karatra paositra 309 no voarain’ny mpikarakara. Solombavambahoakan’ny mpanohitra maromaro no nanatrika ny famoriam-bahoaka. Iray amin'izy ireo i Gerald Giam avy amin'ny Antokon'ny Mpiasa izay nanoratra tao amin'ny Facebook hidera ny hetsika:
It's excellent that this ground up initiative is not just about climate change per se, but is also concerned about other groups like workers and indigenous groups who are affected by climate change and the transition to a greener economy.
Tena tsara fa tsy mikasika ny fiovaovan'ny toetr'andro fotsiny ihany ity hetsika ifotony ity, fa miahiahy ihany koa ireo vondrona hafa toa ny mpiasa sy ireo vondron'olom-pirenena izay iharan'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fifindrana mankany amin'ny toekarena maitso kokoa.
Nosoritsoritan‘ny mpandray anjara sasany nandefa fanehoan-kevitra, sary, ary lahatsarin'ilay famoriam-bahoaka tao amin'ny media sosialy ilay fihetsiketsehana ho “hafatra manohitra ny vondron'orinasa, hafatra tarihin-tanora, mitana ny manampahefana ho tompon'andraikitra amin'ny fanamaitsoana zavatra mifanohitra amin'izany”. Lohahevitra lehibe iray naneho ny fanohanana ny fiahiana ny mpiasa sy ny mpifindramonina:
Tao amin'ny Facebook, Nanoratra momba ny zavatra hitany tamin'ny famoriam-bahoakai Hoonie Swee Hoon Lim :
Glad to see more #ecowarriors, young voices, new groups n initiatives. It's a collective effort of different groups with different causes, but what is key is collaboration. We are all part of an ecosystem and cannot operate alone. This is what I see as a main problem as egos and alignment don't match. Glad that there are more awareness n more concerned about #GoingGreen.
Faly mahita mpiadin'ny tontolo iainana maro kokoa, feo tanora, vondrona sy fisantaran'andraikitra maro kokoa. Ezaka itambaran'ny vondrona samihafa manana tanjona samihafa, fa ny tena zava-dehibe dia ny fiaraha-miasa. Ao anatin'ny rafitra ara-tontolo iainana avokoa isika rehetra ary tsy afaka miasa irery. Io no hitako fa olana lehibe satria tsy mifanaraka ny fitadiavan-kisongadina sy ny fiaraha-milahatra. Faly fa misy fanairana bebe kokoa sy miahy bebe kokoa momba ny [fizorana ho maitso] #GoingGreen.
Niaiky ny lova navelan'ny taranaka teo aloha mpiaro ny tontolo iainana ny sehatra fampahalalam-baovao Wake Up Singapore:
Even as more people join the movement, one must not forget our predecessors who forged the path to make this possible–daring to take on the government and push back against their development plans, organising petitions and events to draw greater awareness to environmental issues, and developing robust policy recommendations to signal to the government that citizens should have a greater say in policymaking.
Na dia mihamaro aza ny olona manatevin-daharana ny hetsika, tsy tokony hohadinoina ireo teo alohantsika izay nanamboatra ny lalana hahatongavana amin'izany – sahy nifanohitra tamin'ny governemanta sy ny drafi-pampandrosoany, nikarakara fanangonan-tsonia sy hetsika hanairana bebe kokoa amin'ny olana momba ny tontolo iainana, ary mamolavola tolo-kevitra politika matanjaka hanambara amin'ny governemanta fa tokony hanana fitenenana bebe kokoa amin'ny fanaovana politika ny olom-pirenena.
Nanamarika ny tati-baovao fa nahavory olona vitsy kokoa ny famoriam-bahoaka tamin'ity taona ity raha oharina amin'ny mpandray anjara 2000 tamin'ny taona 2019. Manantena ny mpikarakara sy ny mpandray anjara fa hiteraka fahatsiarovan-tena bebe kokoa momba ny olan'ny toetrandro ny hafanam-po nateraky ny famoriam-bahoaka farany teo. Nohamafisin'ny mpikarakara ihany koa ny maha zava-dehibe ny fikarakarana hetsika iombonana:
We believe that collective action is just as important — protests and rallies all around the world like this one have helped to push governments to enact stronger climate policies.
Mino izahay fa zava-dehibe ny hetsika iombonana — ny fihetsiketsehana sy ny famoriam-bahoaka manerana an'izao tontolo izao tahaka izao no nanampy hanosika ny governemanta hanao politika matanjaka kokoa momba ny toetrandro.