Nandray anjara tamin'ny resadresaka tao anatin’ny rakipeo novokarin'ny tetikasa “Chroniques littéraires africaines” (Fitantarana literatiora Afrikana) – gazety mpiara-miasa vaovao amin'ny Global Voices Frantsay – ny Toniam-Pitantanana Global Voices Philip Nobel. Toy izao manaraka izao no namaritan’ny Chroniques littéraires africaines ny asany tao amin'ny tranokalany:
Cet espace est dédié à la littérature. Plusieurs critiques et chroniqueurs s’y expriment librement autour d’oeuvres littéraires portant sur le continent Africain et sur les diasporas africaines. Accompagner la production littéraire des Afriques d’une analyse objective et exigeante, tel est le projet de cette plateforme.
Natokana ho an'ny literatiora ity habaka ity. Mpitsikera sy mpanao matoandahatsoratra maro no maneho ny heviny malalaka momba ny asa soratra mifandraika amin'ny kaontinanta Afrikana sy ny ampielezana Afrikana. Ny hanohana ny famokarana literatiora any Afrika miaraka amin'ny famakafakana arahan-tanjona sy mitaky zavatra maro no tanjon'ny tetikasa.
Nanaovana antsafa tamin'ny teny frantsay momba ny asany amin'ny maha mpandika teny ara-literatiora azy i Noubel sy momba ny mahamaodelin'ny fandikan-teny ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo ny Global Voices sy ho an’ny vaovao amin'ny fiteny maro samihafa azy. Mifantoka amin'ny literatiora afrikana miteny frantsay ny rakipeo.
Réassi Ouabonzi, izay antsoina ihany koa hoe Lareus Gangoueus, no mpanorina sady mpandray anjara mavitrika amin'ny sehatra fiaraha-miasa ‘Chroniques littéraires africaines’ ary efa noantsafain'i Noubel Global Voices teo aloha.
Azo arahina amin'ny alàlan'ny horiran’i Gangoueus Soundcloud ny rakipeo feno.