Amin'ny ezaka hamantarana ireo mpanoratra sy mpandika teny sy mba ho mangarahara kokoa momba ny mpamaky antsika isam-bolana, dia manohy ny andiany Stats4Community isika, izay izaranay isam-bolana ny momba ireo lahatsoratra malaza indrindra isam-bolana. Hanasongadina ireo lahatsoratra Lingua be mpamaky ho an'ny fiteny samihafa koa isika mba hanehoana ny fahasamihafan'ny fiteny manerana ny vondrom-piarahamonina GV. Avy amin'ny tranokala Lingua Japoney, Frantsay, Arabo ary Espaniola ireo lahatsoratra tamin'ity volana ity.
Nahitana mpamaky maherin'ny 329.000 ny tranokala Anglisy tamin'ny volana Septambra. Nalaina tamin'ny Google Analytics ny antontanisa rehetra eto ary tsy voatery maneho ny totalin'ny mpijery noho ny adblockers sy ny toe-javatra manokana hafa.
Lahatsoratra amin'ny teny Anglisy be mpamaky tamin'ny volana Septambra 2023
Nahitana fitomboan'ny mpamaky tsy dia mahazatra loatra ny pejy fidirana Ozbekistan tamin'ny volana Aogositra. Mety noho ny fitomboan'ny fahalianana ao amin'ny faritra, ny lahatsoratra momba ny faritra Karakalpakstan tsy dia be mpitantara, ny fitantarana momba ny lalao kok-boru [mg], na zavatra hafa tanteraka no mety ho anton'izany. (Jeripejy 13.112 )
Nampihena ny fifandraisana tao amin'ny faritra ny sarintany manara-penitra andiany 2023 vao navoakan'i Shina ary nampiitatra ny disadisa tao anatin'ny roa taona. Mifanaraka amin'ny fanontana teo aloha tany Shina ilay sarintany, izay nilaza fa manana fahefana amin'ireo faritra iadiana manamorona ny sisintanin'i India sy Rosia ary ao amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo. Na izany aza, amin'ny fitomboan'isan'ny fanazaran-tena ara-miaramila ataon'i Beijing any amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo, mampiseho sary mampatahotra hatrany ireo mpifanolo-bodirindrina amin'i Shina ao amin'ny faritra ny hetsika. (jeripejy 10.395)
Tantara avy amin'ny toby POW Rosiana ao Okraina
Ao amin'ity fitantarana amin'ny mpamaritra olona voalohany (izaho) ity, mpanao gazety Okrainiana iray no mandinika ny toe-javatra ao amin'ny tobin'ny POW Rosiana ao Okraina ary mampitaha izany amin'ny toe-javatra voalaza fa ratsy ao amin'ny tobin'ny POW ao Rosia. Amin'ity ampahany ity, itolomany ny mampihavana ny maha-olombelona ny POWs sy ny habibiana nataon'ny maro amin'izy ireo izy. (jeripejy 2.173)
Mety hiatrika ny fanesorana azy ny filohan'i Georgia, saingy tsy mikasa ny hiala izy [mg]
Nifanandrina tamin'ny antokon'ny fitondrana Georgian Dream tamin'ny alàlan'ny fihantsiana am-bava amin'ny hetsika tsy demokratika nataon'ny antokon'ny fitondrana tamin'ny heritaona sy manohana ny tolo-kevitr'i Zeorzia ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny filohan'i Zeorzia Salome Zurabishvili. Mety hiatrika fanesorana andraikitra izy rehefa avy nanao fitetezam-paritra tany Eoropa ho fanohanana ny tolo-kevitra, na dia noraran'ny Georgian Dream tsy hanao izany aza izy. (jeripejy 1.999)
Espaniola
D Billions, grupo de Kirguirstán que causa furor en YouTube, inicia su gira mundial (D Billions, kalazalahy amin'ny YouTube ao Kyrgyzstan, manomboka ny fitetezam-paritra maneran-tany hanao fampisehoana [mg])
Ity tantara ity dia miresaka momba ny D Billions, vondrona mozika Kyrgyz izay manao hira fanabeazana ho an'ny ankizy. Nahangona mpijery an-tapitrisany tao amin'ny YouTube ny vondrona tamin'ny hirany mahasarika, anisan'izany ny “Ankavia, Ankavanana” sy ny “Ny Voankazo sy Legioma Matsiro.” Tamin'ny 9 jona, nanomboka ny fampisehoany mitety faritra maneran-tany izy ireo. (mpijery 4.991)
Arabo
لغات: إنتاج أفلام ناطقة باللغات الأفريقيّة (Fiteny: Famokarana Sarimihetsika amin'ny Teny Afrikana ) [mg]
Nisarika ny saina indray tamin'ny volana Septambra tao amin'ny tranonkala Arabo an'ny GV ity lahatsoratry Rising Voices avy amin'ny arisivan'ny GV tamin'ny taona 2011 ity izay nikaroka ireo sarimihetsika amin'ny teny Afrikana teratany. Noresahin'ny mpanoratra ny fomba nampiasan'ny mpanao sarimihetsika ny fitaovana mba hamelomana indray sy hanohanana ireo fiteny Afrikanina tandindonin-doza. (mpamaky 696)
Frantsay
Mauritanie : une lycéenne au bord de la peine capitale pour blasphème (Maoritania: Mpianatra lisera Maoritaniana iray miatrika fanamelohana ho faty noho ny fitenenan-dratsy an'Andriamanitra)
Mpianatra 19 taona any amin'ny lisea iray any Maoritania no mety hiatrika fanamelohana ho faty noho ny fiampangana azy amin'ny fitenenan-dratsy taorian'ny nivorian'ireo mpitarika ara-politika sy ara-pivavahana nanohitra azy noho ny filazana azy ho tsy nanaja ny Mpaminany Muhammad tamin'ny fanadinana an-tsoratra nataony. (mpamaky 287 )
Japoney
ブルガリアの伝統料理を訪ねて 第回:「忘れられたおばあちゃんの味」編 (Fomban-drazana Bolgara fikarakarana sakafo ho fomba iray hamerenana indray ny vakoka ara-kolontsaina: hainahandron'inenibe tao an-tanànan'i Antimovo adino) [mg]
Nahasarika ny saina tany Japon tamin'ny volana Septambra ity lahatsoratra tamin'ny taona 2022 momba ny fomban-drazana fandrahoan-tsakafo Bolgara ity. Tsara ny manamarika fa ampahany amin'ny andiany fizarana telo lehibe kokoa mampifandray ny fahandroan-tsakafo, ny kolontsaina ary ny fomban-drazana ao Bolgaria ny lahatsoratra. (mpijery 342)