Ny fiantraikan'ny fikorontanan'ny toetrandro amin'ny ala, rano ary ranomasin'i Trinidad

Sary niforona nampiasana Canva Pro.

Avy amin'i Colleen Mudie, Hadassa Karimbocas ary Jesus Bailey

Ity tantara ity dia fitambarana ranty roa nataon'ireo mpikambana ao amin'ny andiam-bondrona tanora mpanao gazety voalohany ao Cari-Bois, izay nandinika ny fomba fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro eo amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo. Navoaka voalohany ato, ato, ary ato amin'ny Tambajotram-baovao ara-tontolo iainana Cari-Bois ny lahatsoratra. Misy dika nasiam-panovana hita etsy ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Tamin'ny taona 2017, ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana (UNEP) niantsafa tamin'ny Minisitry ny Toetr'andro Norveziana teo aloha Erik Solheim, izay niantso ny hisian'ny ezaka bebe kokoa amin'ny fiarovana ny ala mando, indrindra fa tombanana ho 20 isanjaton'ny famoahana karbônina manerantany dia nateraky ny fandravana ala mando.

Raha resaka fiovaovan'ny toetrandro, tsy vitan'ny hoe manampy amin'ny fampihenana ny etona ny ala mando, fa afaka manampy amin'ny famerana ny fahasimbana ateraky ny toetr'andro mahery vaika, ny toetr'andro ateraky ny toetrandro. Miha-zavadehibe hatrany ny fiarovana ny rakotra ala tsy ho tratran'ny fandripahana ala — indrindra ho an'ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra toa an'i Moruga, any atsimon'i Trinidad.

Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay, tsy afa-bela tamin'ny hafanana tafahoatra nanerana an'i Trinidad sy Tobago ny mponina ao Moruga. Noho ny fitomboan'ny maripana erantany tato anatin'ny taona vitsivitsy noho ny fiovaovan'ny toetr'andro, ny maodelin-toetrandro ihany no ahafahana maminavina ny fihafanana bebe kokoa.

Zavadehibe ny fikojakojana ny hazo ao Moruga amin'ny fanampiana ny mponina hiatrika ny fiakaran'ny maripana satria manana  fiantraika mampangatsiaka ny fisian'ny hazo, indrindra amin'ny manodidina ny trano sy ny fiaraha-monina.

Araka ny filazan’ny Sampan-draharahan'i Etazonia misahana ny Fiarovana ny Tontolo Iainana (EPA) “mampihena ny hafanan’ny tany sy ny rivotra ny hazo sy ny zavamaniry amin’ny alalan’ny fanomezana alokaloka sy fampangatsiahana avy amin’ny etona sy ny hatsembohana, izay antsoina koa hoe “evapotranspiration”.

Afaka manampy amin'ny fampihenana ny fihotsahan'ny tany sy ny tondra-drano ihany koa ny fikojakojana hazo amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny tehezan-tendrombohitra. Tao anatin'ny folo taona, niaina trangan-tondra-drano maromaro i Moruga, izay nisy fiantraikany tamin'ny fiainana sy nanelingelina ny fivelomana.

Tany avaratry ny nosy, toerana iainan'ny olona hanaovany asa sosialy ny reniranon’i Santa Cruz sy ny sakeli-dranony. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nihena ny hetsika toy izany noho ny fihenan-kabetsahan'ny renirano sy ny fiharatsian'ny rano.

Mahatsiaro i Wesley Karimbocas, mponina ao amin'ny faritra, fa “tsara kokoa noho ny hita amin'izao fotoana izao” ilay renirano:

When I was a young child, my friends and I would go to the river after school to swim. The water was higher and cleaner, there were more fishes, [and] the rivers and natural pools were deeper.

Fony aho mbola kely dia nandeha tany amin’ny renirano izahay sy ny namako rehefa avy nianatra mba hilomano. Niakatra sy nadio kokoa ny rano, betsaka ny trondro, [ary] lalina kokoa ny renirano sy ny dobo voajanahary.

Na dia tsy antony tokana mahatonga ny fihenan'ny renirano aza ny fiovaovan'ny toetr'andro, satria misy toeram-pitrandrahana ao amin'ny faritra ary maloto ny faritra sasany manamorona ny renirano, tsy azo tsinontsinoavina ny fiantraikany.

Nanasongadina ny zava-misy ny fanadihadiana iray mitondra ny lohateny hoe “Ny kalitaon'ny renirano maneran-tany niharan'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ireo zavatra tafahoatra ateraky ny toetr'andro amin'ny rano (hydroclimatique)”, izay navoaka tao amin'ny gazety Nature Reviews tamin'ity taona 2023 ity, fa mety hampihena ny haavon'ny rano amin'ny renirano, farihy ary ny riaka ny hain-tany matetika sy ny fiovan'ny rotsak'orana noho ny fiovaovan'ny toetr'andro. Nambarany ihany koa fa ny maripana mafana vokatry ny toetr'andro koa dia miteraka firongatry ny ahidrano matetika kokoa ary mampihena ny tahan'ny oksizenina levona — fiantraikany mety hanimba tokoa ny tontolovoary sy ny karazam-biby anaty rano.

Ankoatra ny fiantraikany eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fikorontanan'ny tontolovoary, misy fiantraikany amin'ny tantsaha izay miankina amin'ny renirano amin'ny fanondrahana voly ihany koa ireo voka-dratsy ireo. Manoloana ny fiovaovan'ny toetr'andro efa vinavinaina hisy fiantraikany amin'i Trinidad hihamatetika kokoa ny hain-tany ary hahery vaika mandritra ny vanim-potoana maina, mila manana loharano azo antoka hanondraham-boly ny tantsaha.

Mifandraika mivantana amin'ny fahafahan'ny tantsaha hamboly sy hampitombo vokatra amin'ny fomba mahomby noho izany, ny fahasimban'ny reniranon'i Santa Cruz, izay mety hampihena ny fisian'ny sakafo azo antoka sy mahavelona.

Tsy mbola lavitra lotra, miankina amin'ny fambolena, jono ary fizahan-tany ara-tontolo iainana, tahaka ireo faritra ambanivohitra maro, ny tanànan'i Blanchisseuse morontsiraka avaratra saingy nanjary nanahy ny fahasalamany ny mponina noho ny krizy ara-tontolo iainana manerantany.

Noho ny firotsahan’ny orana misesisesy sy mihoa-pampana, nisy ny fihotsahan’ny tany maromaro tao anatin’ny taona maro izay nanimba ny lalana sy ny fotodrafitrasa tao an-tanàna, ary matetika nanelingelina ny asan’ny vondrom-piarahamonina. Tahaka ireo mpamboly any Santa Cruz, miahiahy momba ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny vokatra azon'izy ireo ny tantsaha ao Blanchisseuse. Manahy ny amin'ny traika eo amin'ny kalitao sy ny habetsahan'ny trondro azon'izy ireo ihany koa ny mpanjono.

Tsy isalasalana fa efa tsapa sahady any amin'ny Fanjakana Nosy Kely Andalam-pandrosoana (Small Island Developing States  – SIDS) toa an'i Karaiba ny fiovaovan'ny toetr'andro, amin'ny maripana mafàna miharihary kokoa sy ny fiantraikany ratsy tsy ampoizina amin'ny lamin'ny toetr'andro. Mbola ho hita eo anefa ny halehiben'ny fanohanana ho azon'ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra amin'ny fiezahana hanalefahana ireo voka-dratsy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.