‘Tsapako ho voaolana aho': Vehivavy tapakevitra handrava ny ranomodin'ny FGM ao Ogandà

Vehivavin'ny Vondrom-piarahamonina Benet Masopo manatrika fivoriana isan-joma momba ny FGM (Fandrimbinam-pananaham-behivavy). Sary avy amin'i Peter Wasswa Buyungo, nahazoana alalana.

Navoakan'ny Minority Africa voalohany ny lahatsoratra ary navoaka ato amin'ny Global Voices ny dikan-teny fohy kokoa ho ampahany amin'ny fifanarahana fiarahamiasa amin'ny fizarana votoaty.

Mitombo ny fihetsiketsehana matanjaka any amin’ny distrika lavi-dalana any Kween, any atsinanan’i Ogandà. Mivory isaky ny zoma tolakandro ireo vehivavy avy amin'ny tanàna samihafa — izay fomba amam-panao nataon-dry zareo nandritra ny roa taona — mba hiatrika ny olana goavana eo anivon'ny fiarahamonina misy azy ireo: famoràna ny taovam-pananahan'ny vehivavy (FGM-ang). Manevokevoka ny rivotra mandritra ireo fivoriana ireo, saingy mahabe fanantenana.

Annet Chelengat, 38 taona, renim-pianakaviana manan-janaka enina ary iray amin'ireo mpikambana mpanorina ny vondrona Benet Masopo Community ihany koa no mpampiantrano ireo fivoriana ireo, izay noforonina voalohany tamin'ny taona 2020. Mifanakalo hevitra momba ny fomba vaovao hiadiana ity fomba fanao (FGM) ity any amin'ny zana-paritra Sebei ireo vehivavy, izay samy efa niharan'ny fandrimbinana taovam-pananahana.

“Sady nanasitrana no nanome hery ny fisoloam-bava hanoherana ny FGM miaraka amin'ireo vehivavy ireo. Miara-manapaka ny fahanginana izahay ary mamolavola ny fitantaran'ny vondrom-piarahamoninay”, hoy ny fanazavan'i Chelengat.

FGM, fantatra ihany koa amin'ny hoe “famoràna vehivavy” dia fomba fanao fanapahana izay latsa-paka lalina ao amin'ny kolontsain'i Kween sy ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao, anisan'izany Indonezia, Iraka, Yemen, ary firenena 27 Afrika, ary manamarika ny fiovana miala amin'ny maha-tovovavy miditra amin'ny maha-vehivavy. Voaràra tany Ogandà izany tamin'ny taona 2010 tamin'ny alàlan'ny Lalàna Fandraràna ny Fandrimbinana taovam-pananahan'ny vehivavy. Iharan'ny sazy ireo mpanao izany toe-javatra izany, anisan’izany ny fanagadrana hatramin’ny 10 taona. Eo amin'ny sehatra iraisampirenena, ekena ho fanitsakitsahana ny zon'olombelona mihatra amin'ny vehivavy eo amin'ny 200 tapitrisa eo ho eo maneran-tany izany, araka ny tatitry ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana momba ny Ankizy (UNICEF). Mizara sisintany miaraka amin'i Kenya ny distrika any Ouganda, toa an'i Kween, Kapchorwa, sy Bukwo.​

Any amin'ny vondrom-piarahamonina sasany, raisina ho toy ny fepetra takiana mialoha fanambadiana ny FGM, kanefa matetika tsinontsinoavina ny fanaintainana sy ny olana ara-pahasalamana mandritra ny androm-piainana iaretan'ny vehivavy niharan'ny FGM, hoy i Chelangat.

Nandritra ny fivorian'ny vondron'ny Fiarahamonina Benet Masopo, mitantara ny zava-niainany nampihoron-koditra i Chelengat, nilaza hoe: “Vao zazavavy kely aho, tsy manan-tsiny ary feno hagagana raha vao sambany nandre feo momba ny fombafomba ho avy.”

Notantarainy ny zava-nitranga taminy:

On the day of the ceremony, I was led to a secluded hut, my heart pounding loudly in my ears. The elders performed ancient rituals, and I could hear the distant beat of drums. As the moment approached, fear gripped me like a vice. I wanted to run away, to escape this fate, but tradition held me firmly in its grasp. The women surrounding me seemed solemn as if they bore the burden of this ritual, too. They held my hands, and as I lay down, the pain began.

Tamin’ny andro nanaovana ny lanonana, dia nentina tany amin’ny trano bongo iray nitokana aho, ary nidoboka mafy teo an-tsofiko ny foko. Nanao fombafomba fahiny ny zokiolona, ary reko ny doboka amponga lavitra. Rehefa nanakaiky ny fotoana, nototofan'ny tahotra toy ny voatsindrona aho. Te-hilefa aho, mba handositra ity fahoriana ity, saingy nihazona ahy mafy teo am-pelatanany ny fomban-drazana. Toa manetriketrika ireo vehivavy nanodidina ahy toy ny hoe nizaka ny enta-mavesatr'io fombafomba io koa. Notazomin’izy ireo ny tanako, ary rehefa nandry aho, dia nanomboka ny fanaintainana.

Araka ny voalazan'i Chelengat, tena mafy ny fanaintainana, fanaintainana izay nandidididy ny tenany.

I felt violated, stripped of something sacred, and the tears flowed freely. I wanted to scream, to let the world know of the injustice I was enduring, but I remained silent, as the women who went before me had done.

Tsapako ho voaolana aho, nesorina ny zavatra masina, ary nirotsaka ny ranomasoko. Te-hikiakiaka aho, hampahafantatra izao tontolo izao ny tsy rariny niaretako, nefa nangina aho, toy ny nataon’ireo vehivavy teo alohako.

Samy nanatri-maso mivantana ny fanaintainana ireo vehivavy tafavory, miaritra ny ratram-po sy ny fahasarotana ara-pahasalamana vokatr'ity tarazo manimba ity. Ny tanjon'izy ireo dia ny hanairana ny saina, hanohitra ny fenitra ara-kolontsaina efa latsa-paka, ary hiasa amin'ny fialana amin'ny fomban'ny FGM. Tapa-kevitra izy ireo hitozo hamorona hoavy azo antoka kokoa, salama kokoa ary mahazo hery kokoa ho an'ny taranaka hoavy.

Noforàna tamin'ny taona 1976 teo amin'ny faha-18 taonany i Judith Amonsho, mpanorina ny vondrom-behivavy hafa miady amin'ny FGM, ny Vondron'ny Vehivavy Jericho any Kapchorwa. Nilaza izy taloha fa misy ifandraisany amin'ireo famerana (isankarazany) raha tsy voafora. “Nino izahay fa raha tsy foràna ianao, dia ho voaozona. Afaka mahandro sakafo mihitsy aza ianao, nefa tsy ho voaomana izany.”

Mandray anjara amin'ny hetsika miteraka fidiram-bola i Amonsho, miara-miasa amin'ny Vondrona Vehivavy Jericho. Nosoritany fa mitarika mankany amin'ny FGM  ny fahantrana, sy ny fototry ny kolontsaina, satria mahazo fanomezana na vola avy amin'ny ny ray aman-dreny ny zanany ho takalon'ny fandrimbinana.

“Manao asa tanana izahay amidy. Iray amin'ireo fomba fiainako koa izy io. Mipetraka eto amin'ny seza misy kodiarana aho ary manao tsihy na manenona harona,” hoy i Amonsho.

Amin'izao fotoana izao, izy sy ireo vehivavy hafa ao amin'ny Vondrona Vehivavy Jericho mandrisika ireo tovovavy manodidina ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo hanao laharam-pahamehana ny fanabeazana. Rehefa tafaverina avy any an-tsekoly ireo tovovavy dia manangona ireo fitaovana hanaovana zavakanto sy asa tanana mba hisy zavatra atao.

Hatramin'ny niandohan'ny vondrona fisoloanteny dia nahita fanatsarana lehibe teo amin'ny faritra misy azy sy ny distrika manodidina azy i Chalenagti. Ifantohan'ny vondrona indrindra ny fizarana vaovao, fanabeazana ny tovovavy momba ny loza ateraky ny FGM, ary ny fanentanana amin'ny alalan'ny asa tanana sy ny tantara an-tsehatra.

Hoy i Kokopu Sarah, mpikambana hafa ao amin'ny vondrom-piarahamonina: “tamin'izany fotoana izany rehefa nampiharina fatratra ny FGM, dia fahazaran'ny ray amandreny ny manolotra fanomezana ho an'ny zanany vavy ho takalon'ny fandrombinana. “Saingy mirona amin'ny fikatrohana ny ankizivavy amin'izao fotoana ka manao asa toy ny fanenomana sy fivarotana harona mba hahazoana vola.”

“Manohy fianarana amin'izao ny ankamaroan’ny zanakay vavy, ary ny hafa kosa manao asa any am-piangonana. Ny sasany amin'ny fanenomana, izay tsy nisy teo aloha, ”hoy izy.

Nanao ity fisantaran'andraikitra ity tany amin'ny distrika telo, anisan'izany i Kween, Bukwo, ary Kapchorwa ny vondrona. Tsy ilaozam-panamby ireo ezaka rehetra ireo. Araka ny filazan'i Chalenagti dia tsy mora ny dian'izy ireo amin'ny ady atao amin'ny FGM ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, indrindra fa tany am-boalohany noho ny tsy fahampian'ny fanohanana avy amin'ny mpikambana sasany, indrindra ny vehivavy mpitarika.

“Tianay hanjavona ity fanao ity, indrindra any amin'ny faritra mafana, saingy tsy afaka manao zavatra betsaka izahay raha tsy manome sehatra anay ny governemanta,” hoy ny fanamafisany.

Na izany aza, tsy nanakana ireo vehivavy tsy hanohy ny ady amin'ny “fomba fanao ratsy” ny fanohanana voafetra izay nisy fiantraikany lalina tamin'ny tovovavy maro tao amin'ny faritra.

I remember we started with five women, but now we are more than 100 women in this village. We have many women's groups in the other surrounding districts who have joined the cause, and we are progressing well so far.

Tadidiko fa vehivavy dimy no niandohanay, fa izao dia vehivavy maherin’ny 100 eto amin’ity tanàna ity. Betsaka ny fikambanam-behivavy any amin’ny distrika hafa manodidina izay nanatevin-daharana ny hetsika, ary mandroso tsara isika hatreto.

Maherin’ny 100 ny mpikambana ao amin’ny vondrona Benet Masopo Community hatramin’izao. Raha niantomboka tamin'ny fikambanan'ny vehivavy ny vondrona tamin'ny voalohany, dia raisina an-tanan-droa ihany koa ny lehilahy ary misy ny niditra.

“Ankehitriny, mijoro eto aho ho tafavoaka velona, ​​feon'ny fiovana, ary mariky ny faharetana,” hoy i Chelengat. “Mbola lavitra ny lalana, saingy fantatro fa miaraka amin'ny herim-po sy ny firaisankina dia afaka mamorona hoavy tsy ahafahan'ny fomban-drazana manimba antsika intsony isika.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.