Tatitra ho an'ny vondrom-piarahamonina: Aogositra 2023

Ao anatin’ny ezaka hankatoavan ireo mpanoratra sy mpandika teny ato aminay sy mba ho mangarahara kokoa ho an’ny mpamaky isam-bolana, dia tohizanay ny andiany amin’ny Stats4Community, izay izaranay ny fanavaozam-baovao isam-bolana momba ny tantaranay malaza indrindra mivoaka isam-bolana. Hasongadinay ihany koa ireo lahatsoratra Lingua nahatratra ny tampony ho an'ny fiteny samihafa mba hanehoana ny fahamaroan-kaitsikerafiteny manerana ny vondrom-piarahamonina GV. Avy amin'ny tranokalanay Lingua Espaniola, Arabo, Rosiana ary Italiana ireo tantara amin'ity volana ity.

Nalaina avy tamin'ny Google Analytics ny antontanisa rehetra eto ary tsy voatery maneho ny totalin'isan’ny pejy voajery noho ny rindrambaiko fanakanana doka sy ny fanefena hafa momba ny fitanan-tsiambaratelo.

Ireo tantara nisongadina amin’ny GV Anglisy tamin'ny volana Aogositra 2023

Nahazo jeripejy maherin'ny 157.712 ny tranokala anglisy tamin'ny volana Aogositra. Ireto ny sasantsasany amin'ireo tantara malaza indrindra.

China is on the precipice of its own major financial crisis

Mety hiatrika krizy ara-toekarena lehibe i Shina satria maro ao amin'ireo tsenan'ny fampiatranoana no bankirompitra sy tratran'ny tsy fahatomombanana. Nangataka fiarovana tsy ho bankirompitra tany New York ny mpandraharaha misahana ny fanangana-trano sy fivarotana-fanofàna trano lehibe indrindra ao amin'ny firenena, dia ny Evergrande, taorian'ny fatiantoka mitentina 80 lavitrisa dolara tao anatin'ny roa taona farany. (jeripejy +7,470)

Pejy ijerena an'i Ozbekistan

Nahitana fahamaroam-pijerena tsy fahita firy tamin'ny volana Aogositra ny pejinay miresaka Ozbekistan (teny anglisy). Mety noho ny fitomboan'ny fahalianana any amin'ny faritra, ny lahatsoratray momba ny faritra Karakalpakstan izay tena atao tsinontsinona , ny fikarohanay momba ny lalao mampientanentana kok-boru, na zavatra hafa tanteraka no nahatonga izany. (jeripejy 3,836)

Iza amin'ireo firenena Afrikana no mety hiditra ao amin'ny vondrona firenena BRICS, ary inona no mety ho anton’izany?

Ity lahatsoratra ity dia nandinika hoe iza amin'ireo firenena Afrikana no mety hanatevin-daharana ny vondrona firenena BRICS — fiaraha-mitantana ara-politika iraisampirenena ahitana an'i Brezila, Rosia, India, Shina ary Afrika Atsimo. Mety manondro vanim-potoana vaovaon'ny fiaraha-miasan’ny samy Tatsimo eo amin'ny sehatra manerantany ny fitomboan'ny fahalianana hanatevin-daharana ny BRICS. (jeripejy 2,695)

Ireto ny tantara be mpijery indrindra tao amin'ny tranokalanay Espaniola, Rosiana, Italiana ary Okrainiana.

GV Spanish

GV Espaniola

Se resta importancia a «altercado diplomático» sobre matrimonio homosexual, pero siguen diferencias sobre cuestiones LGBTQ+ en la relación Jamaica-Estados Unidos (“Diplomatic tiff” over same-sex marriage downplayed, but differences remain on LGBTQ+ issues in Jamaica-US relationship)

Efa ela no nandà ny fanambadian'ny LGBTQ+ ireo manampahefana ao Jamaika ary tsy azo inoana fa hiova io fanapahan-kevitra io atsy ho atsy. Betsaka ny raharaham-pitsarana mandeha amin’izao fotoana izao ahitana ireo mpikatroka manao fanangonan-tsonia eny amin'ny fitsarana mba hamelana ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana sy ny fananan-jo mitovy, ary matetika izany no olana mampiady hevitra zarazarain’ny lafiny ara-pivavahana. Ao anatin'izany toe-javatra izany, nitombo ny fifanenjanana iraisampirenena tao anatin'ny tatitra fa nolavin'ny governemanta Jamaikana ireo diplaomaty avy any Etazonia izay ao anatin’ny fiarahan’olon-droa mitovy fananahana, ka niteraka fanahiana momba ny mety hisian'ny valifaty diplaomatika amerikana. Niteraka fanehoan-kevitra teo amin'ny andaniny sy ny ankilany ny zava-niseho satria maro ny mpandala ny nentin-drazana no nankahala ny hevitra “Amerikana” napetraka tao amin'ilay nosy, raha nitalaho kosa ireo mpikatroka mafàna fo tamin'ny tsipika hentitra nataon'ny firenena momba ny zon'ny LGBTQ+. (jeripejy +8,350)

GV Rosia

10 африканских блюд, которые каждый должен попробовать (10 dishes from Subsaharan Africa that everyone should try)

A piece from our archives suggesting 10 Subsaharan African recipes to try saw some traffic last month on the GV Russia site. This piece, published in 2014, has been translated into Russian, Spanish, Italian, French, and Greek. (235+ views) 

Nahitana fijerena maromaro ihany tamin'ny volana lasa teo tao amin’ny tranokalan'ny GV Rosia ny lahatsoratra iray avy amin'ny arisivanay izay manolotra ny fomba fanandramana fahandroana sakafo Afrikana Atsimon’i Sahara miisa 10. Nadika tamin'ny teny rosiana, espaniola, italianina, frantsay ary grika ity lahatsoratra ity, nivoaka tamin'ny taona 2014. (jeripejy +235)

GV Italiana

Il popolare tiktoker Nekoglai parla di torture da parte della polizia russa (TikToker malaza Nekoglai, mitantara ny fampijaliana nataon'ny polisy Rosiana azy)

Nizara tantara tao amin'ny kaontiny TikTok ilay bilaogera Moldavy Nekoglai, izay olo-malaza an-tserasera ao Rosia, momba ny zavatra niainany tamin'ny fanafihana sy fampijaliana azy tany Rosia ary nandao an'i Rosia nakany Moldavia ho fiarovana ny ainy. Notanana izy taorian'ny namoahany lahatsary TikTok maro maneso ireo miaramila Rosiana mitoraka grenady. (jeripejy +250)

Okrainiana

Росіяни за кордоном використовують новий антивоєнний та антипутінський прапор (Maneho ny fanoherana an'i Potinina ny saina vaovao ho an'ireo Rosiana monina any ivelany manameloka ny fanafihana an'i Okraina)

Ity lahatsoratra tamin'ny taona 2022 ity dia miresaka fironana tao amin'ny media sosialy izay nizaran’ny Rosiana ny sarin'ny sainam-pirenena Rosiana novaina mba hiampangana ny filoha Vladimir Potinina sy ny fananiham-bohitra an'i Okraina. Navoaka ity lahatsoratra ity telo herinandro latsaka taorian'ny nanombohan'i Rosia ny fananiham-bohitra feno ary anisan'ny andianà fanaovana fihetsiketsehana sy hetsi-panoherana nataon’ny Rosiana na tany an-toerana na tany ivelany izay nanohitra ny ady. (jeripejy +140)

Miverena amin'ny volana manaraka hijery ny antontanisan’ny mpamakinay amin'ny volana septambra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.