Efa am-polo taona maro no feno fahasahiranana ny ezaka nataon'i Tanzania amin'ny fametrahana rafitra famantarana ny mponina ao aminy, anatin'izany ny hetsika farany izay ahitana ny fanangonana angondrakitra biometrika faobe.
Nanomboka tetikasa iray mikendry ny hamorona rafitra famantarana ny olom-pireneny i Tanzania taorian'ny nahazoana ny fahaleovantena tamin'ny 1961. Tsy naharitra ela anefa izany drafitra izany satria tsy nanana ny fahafahana ara-bola ilaina ny governemanta hanatanterahana azy. Am-polo taona aty aoriana kosa dia hanokatra lalana amin'ny fananganana ny National Identification Authority (NIDA) izay fikambanana iray miandraikitra ny fandraketana ny olom-pirenena Tanzaniana sy ny mponina ara-dalàna ao aminy ary manome azy ireo ny kara-panondrom-pirenena ny fankatoavana ny lalàna mikasika ny Fisoratana anarana sy ny Famantarana ny olona tamin'ny taona 1986, sy ny fanontana voahitsy nanaraka azy (2012).
Tamin'ny taona 2013, novelomina indray ny tetikasa mikendry ny hanomezana famantarana biometrika ho an'ireo Tanzaniana. Notohanan'ny Banky Iraisam-pirenena ity drafitra ity, mifanaraka amin'ny Tanjona ho amin'ny fampandrosoana maharitra 16.9 an'ny Firenena Mikambana, izay mikendry ny hanome famantarana ny rehetra hatramin'ny taona 2030. Ankoatra ny famantarana nomerika sy ny fisorohana ny hosoka dia hahafahan'ny mpitandro filaminana, ireo misahana ny fifindra-monina sy ny hetra ary izay sampan-draharaham-panjakana hafa misy mizara vaovao sy manavaka an'ireo Tanzaniana amin'ireo vahiny ihany koa ny karapanondrom-pirenena, na koa antsoina hoe Laharana karapanondrom-pirenena.
Mponina enina tapitrisa avy any amin'ny tanibe Tanzania sy Zanzibar no voarakitra fa nahazo karapanondrom-pirenena biometrika tamin'ny taona 2015, ary manodidina ny 2,7 tapitrisa eo ho eo amin'ny mponina voasoratra anarana no voalaza fa naharay ny karapanondrony biometrika. Nikatsaka ny hanararaotra izany ny Tanzania Communications Regulatory Authority (TCRA) izay niara-niasa tamin'ny NIDA, ka nanangana tetikasa andrana tamin'ny Martsa 2018 hanoratana karatra SIM ho an'ireo mpanjifa vaovao amin'ny alalan'ny teknolojia biometrika. Ny fe-potoana farany nomena ireo mpanjifa tao Tanzania mba hanatanterahany izany kosa dia tamin'io volana io ihany : Martsa 2018.
Tamin'ny taona 2020, namoaka Torolàlana mikasika ny Fifandraisana Elektronika sy Postaly ny TCRA (fandraketana ny karatra SIM) – EPOCA (Torolàlana SCR). Ireo fitsipika ireo dia mandidy ny olom-pirenena Tanzaniana sy ny mponina manana karatra SIM efa misy mba hanoratra ny karatra SIM amin'ny alalan'ny rafitra fisoratana anarana biometrika vaovao natsangan'ny tomponandraikitry ny serasera. Mandritra ny fanoratana anarana dia tsy maintsy manome ny lavo-tondrony ireo mpanjifa vaovao, izay mifandray mivantana amin'ny karapanondrony.
Ireo ezaka nataon'ny governemanta ireo – ny famantarana biometrika sy ny fisoratana anarana amin'ny karatra SIM EPOCA – dia tonga tamin'ny vanim-potoana izay tsy nananan'i Tanzania ny lalàna mikasika ny fiarovana ny angon-drakitra. Tamin'ny fotoanan'ny famoahana an'ity lahatsoratra ity dia nankatoavin‘ny parlemantera Tanzaniana tsy nisy fisalasalana ny volavolan-dalàna mikasika ny fiarovana ny angona ary miandry ny fankatoavan'ny filoham-pirenena. Ny tsy fisian'ny lalàna matanjaka mikasika ny fiarovana ny fiainana manokana dia niafara tamin'ny fanakianan'ireo mpiaramiombonantoka samihafa, izay nino fa mampidi-doza eo amin'ny fiainan'ny olom-pirenena ny famoahana ny famantarana nomerika. Nanentana ny governemanta Tanzaniana ireo mpandray anjara mba hifehy ny tsiambaratelon'ny famantarana nomerika alohan'ny hirosoany amin'ny dingana manaraka.
Fanampin'izay, manoloana ny fampiharana ny fepetra mikasika ny karatra SIM biometrika dia atahorana hiteraka fahabangana ny tsy fisian'ny lalàna mikasika ny fiarovana ny fiainana manokana, ka mety hahafahan'ireo sampan-draharaham-panjakana miray tsikombakomba amin'ny orinasam-pifandraisan-davitra mba hanakanana ny fifandraisana noho ny fiahiahiana helokabevava na rahona eo amin'ny fandriampahalemana. Ny toe-draharaha fampihorohoroana natao tamin'ny filohan'ny mpanohitra ao Tanzania, Freeman Mbowe, no ohatra iray amin'izany, izay niaiken'ny vavolombelona iray avy ao amin'ny Tigo (orinasan-tserasera iray) nandritra ny fakana am-bavany azy teo amin'ny tribonaly fa ny fanarahana ny fitakian'ny manampahefana Tanzaniana ho azy ireo no laharam-pahamehana ambony noho ny fiainana manokan'ireo mpanjifa, izay niteraka adihevitra mafana tamin'ny sehatra samihafa tao Tanzania. Ny famerenana ny politikan'ny tsiambaratelon'ireo orinasam-pifandraisana hafa toa ny Vodacom Tanzania sy ny Airtel Tanzania dia ahitana fa samy nizara ny angondrakiny manokana tamin'olon-kafa izy ireo, anisan'izany ny sampan-draharaha misahana ny fampiharana ny lalàna sy ny manampahefana misahana ny fanarahamaso ny fitsipika, satria “mety ho takian'ny fitsarana Tanzaniana izany”. Halotel kosa, etsy andaniny, dia tsy namoaka fanambaràna ara-politika mikasika ny fiainana manokana tao amin'ny vavahadim-pifandraisany.
Ny tsy firaharahiana tanteraka ny fiainana manokan'ireo mpampiasa ataon'ireo mpandraharaha amin'ny fifandraisan-davitra dia mety ho vokatry ny Torolàlana momba ny Fanadihadiana navoakan'ny EPOCA tamin'ny 2017. Ny andininy faha-22 dia milaza fa ny mpanome tolotra fifandraisana dia tokony hiantoka fa vitan'ireo rafitra paostaly sy fifandraisana ao aminy ny manohana ara-teknika ny fitsikilovana ara-dalàna ny fifandraisana amin'ny fotoana rehetra, hiantoka fa afaka manome fitaovana fanaraha maso mivantana sy tsy an-kiato ireo sampandraharaha ao aminy rehefa misy ny fitsikilovana fifandraisana, hiantoka fa hanome eo noho eo ny mombamomba ny antso rehetra na vantany vao vita ny antso, hiantoka fa hanolotra “interface” iray na maromaro izay handefasana ireo fifandraisana voatsikilo rehetra mankany amin'ny toeram-pitantanana ny “interface”, ary hiantoka fa hiampita any amin'ny foibe fanaraha-maso amin'ny alalan'ny fifandraisana mivaingana. Ny mpampihatra lalàna kosa dia omena fahefana hitsikilo malalaka araka ny andininy faha-5 amin'ny torolàlana. Ny Tale Jeneralin'ny Tanzanian Intelligence and Security Service (TISS) sy/na ny Talen'ny Famotorana Helokabevava (DCI), ohatra, dia afaka mitsikilo ny fifandraisana amin'ny orinasan-tserasera rehetra rehefa mahazo teny midina ahafahana mitsikilo avy amin'ny Inspektera Jeneralin'ny Mpitandro Filaminana (IGP).
Raha toa ka manan-jo hiaro ny fiainany manokana sy ny tenany ny tsirairay araka ny andininy faha-16 amin'ny Lalàm-panorenana Tanzaniana tsirairay dia mbola tsy manana lalàna mahomby hatrany kosa izy hiarovana ny fiainana manokan'ireo olom-pireneny amin'izao vanim-potoanan'ny nomerika izao. Izany dia hanampy amin'ny fametrahana ny firenena hitovy amin'ireo mpiara-belona aminy ao amin'ny Vondrompiarahamonin'i Afrika Atsinanana izay manana lalàna mikasika ny Lalàna fiarovana ny angondrakitra, ary noho izany dia hampandroso ny toeran'ny angondrakitra na ny fitehirizana ny angondrakitry ny tsirairay ao anatin'ny sisintanin'ny firenena, anatin'ny ezaka ahafahana miantoka fa voangona, voahodina, ary voatahiry amin'ny fomba mifanaraka amin'ny fenitry ny tsimbaratelon'ny angondrakitra isam-paritra sy iraisam-pirenena ny angondrakitry ny tsirairay.