Ireo vokatry ny fanavakavahana amin'ny aterineto sy fitondrana jadona ho an'ireo vitsy an'isa

Sary avy amin'i Ameya Nagarajan

Hita taratra tao anatinà fanadihadiana maro fa matetika misy ifandraisany amin'ny fitiavam-pahefana ny fanavakavahana. Indrindra moa fa ny fanavakavahana atao amin'ireo fivavahana vitsy an'isa izay henjana kokoa ao anatinà fitondrana tsy refesi-mandidy raha oharina amin'ireo firenena demokratika. Ohatra iray amin'izany i Myanmar izay efa ela niainana tao anatinà fitondrana miaramila mifototra amin'ny famoretana, fitantanana tsizarizary sy ady an-trano teo amin'ireo vondrona ara-poko vitsy an'isa. Fanampin'izany, vahoaka Rohingyas maherin'ny 700 000 no voatery nandositra nankany Bangladesh raha toa ka vehivavy sy tovovavy an'arivony kosa no voaholana noho ny fanenjehan'ny tafika birmana azy ireo hatramin'izao.

Zavatra iray anisany tena mafy indrindra atrehan'ireo vondrompiarahamonina sy ireo vondrona marefo ny famoretana. Nanitatra ireo sehatra afaka kasain'ny fitondrana tsy refesi-mandidy hampiharana ny hery famoretana na fanakiviana ny teknolojia nomerika. Manerana an'izao tontolo izao, ireo vondrona izay navakavahana ara-tantara dia miatrika fanilikilihana manoloana ny fandraisana anjara amin'ny fiainampiarahamonina, ny tsena, ny asa, ny toerana sy ny fanangonana angon-drakitra. Miharatsy hatrany ny ady amin'ny fanilihikilihana atrehan'izy ireo noho ny tsy fisiana na ny halafon'ny fitaovam-pifandraisana. Araka ny voalazan'ny Banky Iraisam-pirenena, dia olona manana fahasembanana maherin'ny iray lavitrisa eran-tany no miatrika sakana eo amin'ny lafiny fifandraisana, fifaneraserana, fahazoam-baovao sy fandraisana anjara amin'ny fiainampiarahamonina. Na dia mandray anjara amin'ny ady amin'ireo sakana sasantsasany ireo aza ny teknolojia nomerika, dia tsy ampy hanarenana ny elanelana misy eo amin'ny tontolo ara-tsosialy sy ara-toekarena ho an'ireo olona sahirana izany.

Mazàna dia ireo vondrona tena marefo indrindra no tratry ny fanavakavahana sy fanorisorenana satria amin'ny ankapobeny dia ireo lasibatra ivelan'ny aterineto ireo ihany no matetika iharan'izany herisetra an-tserasera izany avy eo, anisan'izany ireo zatovovavy, ireo foko vitsy an'isa sy ireo ao anatin'ny vondrompiarahamonina LGBTQ+. Any amin'ny vehivavy sy ireo vondrona voahilika no matetika tena mianjady bebe kokoa ny fiantraikan'ny teknolojia, satria tsy mora foana ho azy ireo ny miditra amin'ny aterineto sy mampiasa ny zony haneho hevitra ao amin'izany. Raha toa ka miha mivelatra eran-tany hatrany ny fanatontoloana ara-teknolojia amin'ny lafiny toekarena, ny tsy fitoviana ara-pananahana izay hita amin'ny fiainana andavanandro kosa dia aseho indray ao amin'ny tontolo nomerika. Vokatr'izay, tsy dia manana fahafahana arak'asa firy ireo vehivavy sy ireo vondrona hafa voahilika, ary miatrika sakana maro hafa izy ireo manoloana ny fandraisany anjara amin'ny tontolo arak'asa. Ankoatr'izay, miharatsy hatrany ny loza iainan'ireo olona ireo satria miparitaka haingana ary amin'ny velarana tsy hay fehezina ireo votoaty mpanimba fiainan'olona manerana ny aterineto ireo. Noho izany, manamafy ny fanavakavahana izay efa iadian'ireo vondrona voahilikilika ara-tantara ny aterineto ary manakivy azy ireo manoloana ny fandraisana anjara amin'ny fianaimpiarahamonina an'aterineto ka vao miha manasarotra ny fidiran'izy ireo ao anatin'ny fiarahamonina.

Mahamenatra noho izany fa dia lasa iray amin'ireo toetra mampiavaka ny tontolon'ny aterineto manerana izao tontolo izao ny fanorisorenana an-tserasera. Ankehitriny, sarotra ny maka sary an-tsaina aterineto tsy misy izany endrika fanorisorenana izany. Miainga avy amin'ny herisetra an-tserasera ka hatramin'ny didy jadona ataon'ny governemanta mba hampanginana ny tsy fitovian-kevitra, efa mahazatra ny ankamaroan'ny mpampiasa aterineto ireo pozina ara-tserasera ireo. Na dia voaporofo aza fa mety iharan'ny fanorisorenana an-tserasera avokoa ny olon-drehetra, ny fikarohana lalina dia mampiseho fa mbola mety lasibatra lavitra ny vehivavy, ny olona tsy fotsy fihodirana, ny fivavahana vitsy an'isa sy izay ao anatin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+. Nanitatra ity olana ity sy ireo fomba mety hahatonga ny olona iray ho lasibatra ny fivelaran'ny aterineto ; ary niampy ny firongatry ny finday avo lenta dia lasa olana sendraisan'ireo voahilikilika ara-tantara isanandro amin'izao fotoana izao ny fanorisorenana.

Amin'ny ankapobeny dia tsy mahomby ny ezaka iadiana amin'ny fanavakavahana an-tserasera. Araka ny tatitra farany nataon'i Fernand de Varennes avy ao amin'ny Special Rapporteur mikasika ny olan'ireo vitsy an'isa, dia vao mainka mihamafy ny teny fankahalana an'ireo vondrona marefo eny anivon'ny aterineto. Any amin'ny ankamaroan'ny firenena, ny telo ampahefatra na mihoatra izay amin'ireo lasibatry ny fankahalana an-tserasera dia anatinà vondrona vitsy an'isa daholo, ary ny vehivavy no tena lasibatra be indrindra amin'izany. Mitovy amin'izay ihany koa, avo ny tahan'ny fanavakavahana mifototra amin'ny maha izy azy iainan'ireo olona LGBTQ+, miozolomana, Hispanika na Latino sy ireo Mainty hoditra, indrindra ao Etazonia, hany ka mahatonga ny fifaneraserana an-tambajotra ho sarotra sy tsy azo antoka kokoa raha vao miseho ho mpikambana amin'iray amin'ireo vondrona ireo.

Nandritra izany fotoana izany, nametraka paik'ady stratejika raitra ny governemanta mba hampitomboana ny famoretana atao amin'ireo vondrona ireo. Izany no zava-nitranga tany Ejipta , nampiasa rindrambaiko toa ny Grindr ny mpitandro ny filaminana mba hanaraha-maso, hisamborana sy hampijaliana ireo mpikambana amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+. Tahaka izay koa, takian'ny manampahefana sy ny sampam-pitsikilovana amin'ny Tinder ny fitehirizana ny angondrakitr'ireo mpampiasa izany (anisan'izany ny hafatra sy sary) ao amin'ny fitehirizana ara-kajimirindra ao Rosia, raha toa nosokajiana ho loharanom-baovao an-tserasera saro-pady ity rindrambaikoa ito nandritra ny fanafihana tao Okraina. Mandritra izany fotoana izany, taorian'ny fandraisan'ny Talibana ny fahefana hitantana ity faritra ity tamin'ny taona 2021, dia miezaka ny mamafa ireo vaovao rehetra mifandray amin'ny tantarany sy ny fomba fijeriny ara-politika taloha ireo Afghana mba hialàna amin'ny fanenjehana. Mampalahelo fa nampiasain'ireo Talibana ireo sehatra mba handrahonana sy hanaraha-maso ny sasany amin'ireo olona anatin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+.

Na dia tsy sehatra virtoaly misaraka tanteraka amin'ny tontolo ivelan'ny tambajotra aza ny aterineto dia tsy dika mitovy amin'ny tontolo tena izy ihany koa nefa. Nampiditra dinamika vaovao tao anatin'ny tontolon'ny aterineto izay mbola tsy fahita hatramin'izay ny teknolojia nomerika. Ankoatran'izay, namolavola fomba vaovao hifaneraseran'ny olona sy hanorenana ny maha-izy azy manokana amin'ny alalan'ny famolavolana sy algoritma ny sehatra nomerika ihany koa. Na izany aza anefa dia niantraika tamin'ireo vondrom-piarahamonina marefo ihany koa ireo dinamika vaovao nampidirin'ireo orinasa goavana mpisehatra amin'ny teknolojia ireo.  Na dia mety hisy aza ny ezaka kely hampihenana ny fiantraikan'ny teknolojia amin'ireo vondrona ireo, ny zava-misy dia manaporofo fa ireo vondrona tena marefo no avahana sy ahilika amin'ny fandraisana anjara amin'ny fiainana an'aterineto.

Toy ny fandrahonana no fahitan'ireo fitondrana mpanao didy jadona an'ireo vondrona vitsy an'isa mivangongo satria mety hihetsika ary hitarika hetsika iombonana izy ireo. Koa satria moa ny tanjona lehibe indrindra amin'ireo rafitra ireo dia ny fijanona eo amin'ny fahefana sy hitazonana fifehezana ny fiaraha-monina dia matetika ny vondrona vitsy an'isa tsy mitovy hevitra no lasibatry ny fanentanana amin'ny fanorisorenana. Araka izany, mety hisy ny fampiroboroboana ireo fanentanana amin'ny fanavakavahana an'aterineto sy ivelan'ny aterineto mba hampanginana ireo hevitra mifanohitra. Na izany aza, nampitombo ny fahafahan'ny fitondrana mpanao didiy jadona hiditra amin'ny sehatra maro samihafa eo amin'ny fiarahamonina ary hanetsika ireo maro an'isa mba hanohitra ireo vondrona vitsy an'isa amin'ny alalan'ny aterineto ny tontolon'ny nomerika.

Farany, koa satria ireo vitsy an'isa no mandrafitra ny ankabeazan'ireo lasibatry ny teny fankahalana an'aterineto sy ireo lasibatry ny fitondrana mpanao didy jadona, dia adidin'ireo haino aman-jery sosialy ny manao laharampahamehana ny ezak'izy ireo mba hiadiana amin'ny lahateny fankahalana eraky ny haino aman-jery sosialy. Na dia efa mandroso mankany amin'izany aza ny sehatra sasany, dia mbola lavitra ny làlana. Mampiseho izany rehetra izany fa ny fahatakarana sy ny fiadiana amin'ny fanavakavahana dia manamafy ny fahafahan'ireo firenena sy andrim-panjakana maro hamaly sy hisoroka ny jadona ara-nomerika. Fepetra tena ilaina ary fitaovana iray hamerenana indray ny feo izay matetika esorina amin'ireo vondrona voahilika ny fanarahamaso hentitra ireo fomba fitondrana jadona.

Manasa anao hitsidika ny pejin'ny tetikasa raha te hahita zavatra bebe kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.