Noho ny sivana atao amin'ny solika fôsily, manao ankivy ny valisoa fanomen'ny haino aman-jery ireo Aostraliàna mpanao sariitatra

Walkley Awards

Loka Walkley taona 2019. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'ny Fondation Walkley

Mpanao sariitatra marobe no hanao ankivy ny Walkley Awards, ilay loka Aostraliana voalohany indrindra ho an'ny asa fanaovan-gazety any Aostralia, satria ny mpanohana ny hetsika tamin'ity taona ity dia ny Ampol, kaompania mpamatsy solika. Ataon'ireo mpandray anjara hafa ankivy satria tsy nampidirin'ny mpikarakara ny sokajy miresaka ny tatitra momba ny toetrandro.

Jon Kudelka, no  mpanao sariitatra voalohany nanambara ny fanapahan-keviny hanao ankivy ny Walkleys taorian'ny nahafantatrany fa ny mpanohana azy io voalohany tamin'ny 1956, Sir William Gaston Walkley, no mpamorona ny kaompania mpamatsy solika Ampol. Ilay kaompania no iray amin'ireo mpanohana lehibe indrindra ny Walkleys amin'ity taona ity. Nanoratra mikasika ny antony maha-ratsy ilay fiahiana ho an'ny fanadihadiana momba ny toetrandro izy :

Na mahasarika ireo mpanao gazety na tsia ity fanohanana ity, ny olona mahita andiana haino aman-jery iray heverina ho mhra-baovao tsara nefa mihetsiketsika amin'ny alàlan'ny volan'ny orinasan-tsolika fôsily dia hahatonga ny olona hisaina fa tsy tokony hisaina izy ireo hoe tsy dia ratsy loatra izany kay ilay izy, nefa mety tsy izay no tena mitranga (sintona lakolosin'ny mpandoto rano : izay no izy).

Nanazava ny fanapahankeviny hanao ankivy izy :

Ny vokatr'izany dia tsy niditra tao anatin'ny Walkleys aho, izay, raha ny marina dia ny farany kely indrindra azoko atao, saingy isika rehetra farafaharatsiny dia mila manomboka manao izay kely indrindra azontsika atao raha toa isika maniry ny hanatsimbadika ny loza mahatsiravina misy ankehitriny. Tena zavatra bitika izany, ary sahirana aho manakatra hoe fa nahoana no tsy nisy maimbo bebe kokoa mikasika izany. Tsy maintsy atsahatry ny media ny fahazoany aina miaraka amin'io karazan-javatra io. Tena resaka maloto, mba marina moa.

Ny antony tsy nandraisako anjara tamin'ny Walkleys tamin'ity taona ity https://t.co/gdaPqcECyJ pic.twitter.com/RdEJbv20IK

— the xdenburg (@jonkudelka) 29 Aogositra 2023

Avy tamin'ny lahatsoratra iray nosoratan'i Belinda Noble, mpanao gazety taloha, hain'i Kudelka ny tantaran'ny Walkleys .

Izay tokony ho takatry ny Walkley Foundation amin'ny fijerena indray ny politikan'ny fanohanana azy amin'ity taona ity dia ny hoe abaribarin'ny fifamatorany amin'ny orinasa goavana mpamokatra solika ny toy ny maha-fitaovana azy ho an'ireo rafi-pahefana  natanjaka taloha izay mamahana ny fiakaran'ny maripàna sy tatitra mahasosotra mikasika ny toetrandro .

Taorian'i Kudelka dia mpanao sariitatra maro ihany koa no niteny fa hanao ankivy ilay loka  izy ireo na hisintona ny fampidirana avy amin-dry zareo. Nisioka ny fanohanany ny mpanao sariitatra iray, Rachel Withers.

Tsy nihevitra ny hiditra tao amin'ny Walkleys aho, fa indrindra indrindra tsy hiditra ihany koa noho ny toerna matanjaka tazonin'i Jon 🔥

Taona 2023 izao, ary tsotra fotsiny tsy azo ekena ny hoe ny loka ambony indrindra amin'ny asa fanaovan-gazety Aostraliana dia tohanan'ny solika fôsily, tsy misy mari-pankasitrahana manokana ho an'ny asa fanaovana gazety famoaham-baovao  mikasika ny toetrandro.

Nizara ny taokantony ihany koa ireo mpanao sariitatra nanasongadinana ny maha-maika ny krizy mikasika ny toetrandro.

Tena faly miaraka amin'ny @jonkudelka sy @FionaKatauskas mandray anjara amin'ny Walkleys amin'ity taona ity.pic.twitter.com/N1QfDhWlF4

— MattGolding Cartoons (@GoldingCartoons) 30 Aogositra 2023

Nifandray tamin'ny Walkley Foundation ny mpanao sariitatra Megan Herbert, saingy nahazo valinteny tsy nahafa-po :

Nivoaka koa aho. Fanazavana feno kokoa eto ambany #Walkleys pic.twitter.com/4x9hnuoHFP

— Megan Herbert (@meganjherbert) 1 Septambra 2023

Nitondra fanavoazana ny lisitr‘ireo mpanao gazety sy mpanao sariitatra izay hanao ankivy ny Walkleys i Ketan Joshi, mpandinika ny toetrandro — 23 ny isa amin'izao fotoana izao. Hotanterahina ny 23 novambra izao ny fanolorana loka.

Niaiky ny fihetsehampo nasehoan'ireo mpanao sariitatra ny filankevi-pitantanan'ny Walkley Foundation ka nivoady ny hanova ny politikan'ny fahonahana azy :

Niaiky ihany koa ny filankevi-pitantanana mikasika ireo olana vao haingana, noventiventesin'ireo mpanao sariitatra, mikasika ny fanohanana ankehitriny ataon‘ny Ampol ny Walkleys Awards. Fantatray ny ahiahin'izy ireo mikasika ny fanohanan'ny solika fôsily ary antenainay ny handray azy ireo indray amin'ny maha-mpandray anjara azy amin'ny taona ho avy.

Eo amin'ny dingana farany fametrahana ho ofisialy ny politika fanohanana azy nasiana fanitsiana ny Fondation Walkley, izay ho lazaina afaka fotoana fohy.

Ireo mpanoratra sasany toa an'i Michael Pascoe no nanoratra fa diso fifidy lasibatra ireo mpanao sariitatra tamin'ilay fanaovana ankivy :

Tena midera tanteraka ny asan'i Mr Kudelka sy ireo hafa aho izay nanaraka ny fitarihany ary hajaiko ny fikasan'izy ireo – nefa heveriko fa diso lasibatra izy ireo.

Sarotra amiko ny maka sary an-tsaina ireo mpanatrika tsy dia taitra loatra sy mety tsy dia ho voataonan'ilay fanohanana, sy ny efitrano iray feno mpanao gazety, mpaka sary ary mpanao sary fotsiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.