Ho avy amin'ny Ôktôbra—Tafatafan'ny Vondrom-piarahamonina Global Voices !

Sary: Georgia Popplewell

Miaraka amin'ireo rehetra fikorontanana niainan'izao tontolo izao tato anatin'ny taona vitsy lasa, efa tena ela izay isika no tsy mba afaka nihaona amin'ny maha-vondrom-piarahamonina antsika. Miaraka amin'ireo hetsika marobe ho avy, tianay ny hahazoana antoka hisiana habaka iray ho fifampihainoana sy ho fandraisana anjara.

Manomboka amin'ny 3 Ôktôbra, hikarakara isika Tafatafatan'ny Vondrom-piarahamonina, miisa roa ary maharitra ora iray ho an'ireo mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina GV mba hiarahana mifanakalo hevitra sy mahafantatra iay mitranga ato amin'ny GV.

Mandritra ireo tafatafa dia horesahantsika ny maodelina vondrom-piarahamonina Global Voices, ny  Filankevitry ny Vondrom-piarahamonina sy ny fomba handraisana anjara, ary ny fiomanana ho amin'ireo hetsika fankalazàna ny faha-20 taonantsika amin'ny 2024, toy ny fiverenana amin'ireo Vovonambe ifanatrehan-tava! Asaina hanatrika izany daholo ireo mpikambana rehetra ato amin'ny vondrom-piarahamonina GV.

Topatopazo maso ireo fantsom-pifandraisana mahazatra ato amin'ny Global Voices mba hahazoana andinindininy. Any mifankahita!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.