Rahonan'ny ny Minisiteran'ny Fambolena Ala ary ny Jono (MAFF) ao Kambodza handraisana fepetra araka ny lalàna ilay haino aman-jery tsy miankina, ny Cambodian Journalists Alliance Association (CamboJA), noho ny tatitra iray izay voalaza fa nanimba ny lazan'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta, anisan'izany i Dith Tina, ministry ny Fambolena.
Notaterin‘ny CamboJA ny fanafihana nanjo ny mpandraharaha ara-pambolena iray, Ny Nak, sy ny vadiny Sok Synet, izay notafihana mpitondra kodiarandroa valo manao aroloha sy nitondra kobay, teo akaikin'i Phnom Penh renivohitra, tamin'ny 12 Septambra lasa teo.
Mpamokatra zezika sy mpivarotra hazo fihinamboa i Ny Nak, izay nandany 18 volana tany an-tranomaizina noho ny fanakianana ny politikan'ny governemanta tamin'ny fameperana nandritra ny COVID-19. Taorian'ny famotsorana azy tamin'ny volana Jona lasa teo dia nanohy nanakiana ny fandaharanasan'ny governemanta izy, anisan'izany ny mifandraika amin'ny fambolena, tao anatin'ny pejy Facebook-ny izay manana mpanaraka maherin'ny 400 000. Nanatefotefoka ireo tomponandraikitry ny asa sy ny fambolena ny lahatsorany vao haingana noho ny tsy fahombiazan'ny fampivoarana ny fepetra iasan'reo mpiasa sy ny tantsaha Kambodziana. Notateriny ihany koa fa nolaviny ny fanasana azy hiditra ao anatin'ny antokon'ny fitondrana rehefa notsidihin'ireo tomponandraikitra vitsivitsy izy izay namporisika azy hampitsahatra ny famelezana ny governemanta.
Nomarihin'ny Human Rights Watch fa ny fomba nanafihana an'i Ny Nak dia mitovy tamin'ny natao tamin'ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra izay nanaovan'ireo mpitaingina kodiarandroa nirongo kibay herisetra ihany koa tamin'ity taona ity. Notanisainy ihany koa i Ny Nak izay nandà ny fehinkevitra voalohany nomen'ny manampahefana hoe mety ho trangana fanendahana ilay fanafihana. “Mino aho fa nikasa ny hamono ahy ho faty ireo lehilahy nidaroka ahy ireo noho ny fitsikerako ny governemanta”, hoy Ny Nak.
Am Sam Ath, lehiben'ny vondrona Licadho, mpiaro ny zon'olombelona eo an-toerana, dia nanasongadina ihany koa ireo fanafihana nanjo an'ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra tamin'ny fiantsoana ireo manampahefana hanadihady haingana momba ilay fanafihana nanjo an'i Ny Nak :
Hatreto, mpikatroka marobe avy amin'ny antoko mpanohitra no voatafika, saingy tsy mbola nisy voasambotra. Mba hialana amin'ny fitsikerana mikasika ny famerana ny fahalalahana maneho hevitra na ny fiampangana ho [ao ambadiky] fanafihana ara-politika, dia tsy maintsy manadihady mikasika ilay raharaha ny manampahefana.
Tamin'ny 15 Septambra, namoaka fanambaràna iray teo amin'ny pejy Facebook-ny ny MAFF nanilihany ny “filazana sy fiampangana tsy misy fotony” nataon'i Ny Nak no sady nanameloka ny CamboJA noho ny namoahana tatitra iray misy “fanitsakitsahana goavana ny etikan'ny asa fanaovan-gazety”.
Tombatombanan'ny lahatsoratra ho noho ny antony ara-politika ny fanafihana nanjo an'i Ny Nak , niainga fotsiny avy amin'ireo hafatra tsy misy fotony vao haingana nitsikera ireo manampahefana ao amin'ny governemanta/andrim-panjakana, sy ny tombatombana avy amin'ilay lazaina fa vondrona mpiaro ny zon'olombelona. Na izany aza anefa, tsy misy mihitsy porofo azo anohanana an'izany filazana izany.
Entanin'ny MAFF ny CamboJA mba “hanitsy” ilay tatitra satria nandrahona ny hanenjika araka ny lalàna an'ilay orinasam-baovao izy.
Entanin'ny MAFF ny CambojaNews handray fepetra hiantohana ny tsy hiverenan'ireo fikasan-dratsy sy tombatombana fanalàm-baraka tsy voahevitra mba tsy hitranga intsony amin'ny ho avy, izay mety hitarika ho amin'ny hetsika araka ny lalàna mety hitarika ho amin'ny vokatra mitovy amin'ny nahazo ny VOD tamin'izany fotoana izany.
Ny VOD na Voice of Democracy dia haino aman-jery iray tsy miankina izay nosintonin’ny Praiminisitra teo aloha, Hun Sen, ny fahazoandàlany tamin'ny fiandohan'ity taona ity.
VAKIO BEBE KOKOA: Nosintonin'ny Praiminisitra Kambodziana ny fahazoandalana ho an'ny haino aman-jery tsy miankina Voice of Democracy (Ang.)
The Ministry of Agriculture threatens @cambojanews with the “same outcome” as that of @VOD_English. The ministry claims a story about an activist being beaten bloody was in breach of journalistic ethics.
The spox of the ministry is a former journalist.
So much for “new blood.” pic.twitter.com/t0zTayzvgD
— Ananth Baliga (@antbaliga) September 18, 2023
Rahonan'ny Minisiteran'ny Fambolena hataony “tahaka izay nanjo” ny @VOD_English ny @cambojanews. Manamafy ny Minisitera fa nandika ny etikan'ny asa fanaovan-gazety ny lahatsoratra iray mikasika ilay mpikatroka voadaroka sy nalatsa-drà.
Mpanao gazety taloha ny mpitondra tenin'ilay Minisitera.
Indro ny “rà vaovao.” pic.twitter.com/t0zTayzvgD
— Ananth Baliga (@antbaliga) 18 Septambra 2023
Nohavaozin‘ny CamboJA ny tatitra nataony, tamin'ny fanesorana ny anaran'ny minisitry ny Fambolena sy ny fanitsiana ny anarana sasany tao anatin'ilay lahatsoratra.
Toerana misy ny fahalalahan'ny haino-vaky-jery
Ny mpanao gazety Sebastian Strangio, tonian-dahatsoratra ao amin'ny “The Diplomat” Azia Atsimo-Atsinanana, dia nanoratra fa ny fanambaràn'ny Minisitera dia fanehoana hoe ny toerana misy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety dia tsy miova eo ambanin'ilay governemanta vaovao :
Ny fitarainan'ny MAFF dia ahitana taratra ny fitsipika ara-politika mahazatra izay iheverina ireo tatitra manakiana ho toy ny fanafihana ny laza sy ny voninahitr'ireo solontenam-panjakana, ao amin'ny governemanta, no sady koa ny toy ny marika famantarana ny fikasam-panoherana ratsy. Ao anatin'io rafitra io, ny andrasana amin'ireo mpanao gazety dia ny hanaraka ny voafaritry ny fahefana fa tsy ny hanohitra azy ireo.
Ny zavamisy hoe ireo minisitera tsirairy sy ireo politisiàna dia mahatsapa amporisihana ho sahy handrahona hanakatona haino aman-jery mamoaka lahatsoratra mitsikera dia manome marika iray mialoha ny fotoana fa ny fitantanan'i Hun Manet dia tsy hanana famindram-po kely akory amin'ireo tatitra mifanohitra mitaha amin'ny an'ny rainy.
Ny Praiminisitra Hun Manet dia zanaka lahin'i Hun Sen , tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 1985. Nampangaina ho tomponandraikitra tamin'ny fanilihana ireo antoko mpanohitra i Hun Sen, izay nanokatra mora foana ny làlana ho amin'ny fandresena tamin'ny fifidianana ho an'ny antokony sy ny an'ny zanany lahy. Ankoatry ny famoretana natao tamin'ny asa fanaovan-gazety tsy miankina, ny governemanta notarihan'i Hun Sen ihany koa dia tazonin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ho tomponandraikitra noho ny fitohizan'ny fanafihan‘izy ireo ny fahalalahan'ny vahoaka.
Voakilasy ho faha-147 amin'ireo firenena 180 i Kambodza ao anatin'ny Tondro 2023 navoakan'ny Reporters Sans Frontières’ (RSF) momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety.