Anaty ezaka hankatoa ireo mpanoratra sy mpandika teny sy hisian'ny mangarahara kokoa momba ireo mpamaky antsika isam-bolana, dia hanomboka ny andiany Stats4Community izahay, izay hizaranay fanavaozam-baovao isam-bolana momba ireo tantarantsika malaza indrindra isam-bolana. Hasongadinay ihany koa ireo lahatsoratra Lingua ambony indrindra (be mpamaky) ho an'ny fiteny samihafa mba hanehoana ny fahamaroam-piteny manerana ny vondrom-piarahamonina GV. Ny tantara amin'ity volana ity dia avy amin'ny tranokalantsika Lingua Portiogey, Arabo, Frantsay ary Bangla.
Ny antontanisa rehetra eto dia nalaina avy amin'ny Google Analytics ary tsy voatery maneho ny totalin'ny fijery noho ny adblockers sy ny toe-javatra manokana hafa.
Tantara be mpamaky indrindra tamin'ny GV Anglisy volana Jolay 2023
Nahazo mpijery maherin'ny 160.250 ny tranokala amin'ny teny anglisy nandritra ny volana Jolay. Ireto ny sasany amin'ireo tantara malaza indrindra.
Maminavina momba ny fanjavonan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Shina Qin Gang ireo mpikirakira media sosialy sy manam-pahaizana rehefa tsy niseho imasom-bahoaka hatramin'ny fiandohan'ny volana Jona. Nolazain'i Beijing fa noho ny olana ara-pahasalamana no nahatonga izany, saingy maro amin'ireo anjotra no maminavina adim-pahefana anatin'ny Antoko Komonista Shinoa sy hatramin'ny fiarahana ivelan'ny fanambadiana amin'ny mpanao gazetim-pahitalavitra Fu Xiaotian aza. ( jery 9.150+)
TikToker malaza Nekoglai, mitantara ny fampijaliana nataon'ny polisy Rosiana azy [mg]
Nizara tantara tao amin'ny kaontiny TikTok ny bilaogera Môldavy Nekoglai, izay olo-malaza anjotra ao Rosia, tamin'ny zavatra niainany tamin'ny fanafihana sy fampijaliana azy tany Rosia ary nandaozany an'i Rosia ho fiarovana ny tenany ho any Môldavia. Nipoitra ny fitazonana azy taorian'ny namoahany lahatsary TikTok marobe maneso ireo miaramila Rosiana mitoraka baomba. ( jery 6060+)
Ity tantara ity dia miresaka momba ny D Billions, vondrona mozika Kyrgyz izay manao hira fanabeazana ho an'ny ankizy. Nahangona jery an-tapitrisany tao amin'ny YouTube ny vondrona tamin'ny hirany mahasarika, anisan'izany ny “Ankavia, Ankavanana” sy ny “Legioma sy Voankazo Mamy, mamy.” Tamin'ny 9 jona, nanomboka ny fitetezam-paritany maneran-tany izy ireo. (jery 4675+)
Ireto ny tantara be mpijery indrindra avy amin'ny tranokalanay frantsay, Bangla, Portiogey ary Arabo.
GV Arabo
الحنين إلى الخرطوم الجاثمة تحت وطأة أحذية العسكر (Khartoum: The city I fled; the city I love)
Ao amin'ity lahatsoratra manokana ity no nisaintsainan'ilay Sodaney mpanoratra Mohammad Najeddine ny fifandraisany amin'i Khartoum, Sodàna, izay voatery nandosirany noho ny fitohizan'ny ady an-trano mitohy ao Sodàna, izay tonga nangotraka tamin'ny Aprily 2023. (jery 1.270+)
GV Portiogey
Um ritual de proteção para “fechar o corpo” liga tradições religiosas diferentes no Brasil (A Protection Ritual to ‘Close the Body’ Links Different Religious Traditions in Brazil)
Avy amin'ny piesy tamin'ny taona 2016 ity, i Adam Lee no niresaka fomba ampifandraisan’ ny fombafomba Afro-Karibeana ny olona mandingana fivavahana sy saranga ao Brezila. Heverina hanala ny faharatsiana ny fombafomba “fanakombonana ny vatana” ary fanao eo amin'ny fivavahana Afro-Braziliana ao Candomblé sy Umbanda, sy ny antokom-pinoana katolika sasantsasany. (jery 2880+)
GV bangla
যুক্তরাষ্ট্রের নতুন বিকল্প প্রস্তাবে চীনের বন্ধনী ও সড়ক উদ্যোগ কৌশল পুনর্বিবেচনা বাংলাদেশের (Bangladesh reassesses its Belt and Road Initiative strategy with China as the US offers a new alternative)
Taorian'ny fahitana ireo firenena Aziatika atsimo atsinanana sy atsimo latsaka ao anatin'ny fandriky ny trosan'i Shina mifandraika amin'ny Fisantaran'Andraikitra Fehy sy Lalana (BRI) tato anatin'ny taona vitsivitsy, nanombana indray sy nisintona ny fanoloran-tenany amin'ny tetikasa fampandrosoana miaraka amin'i Shina i Bangladesh. Voatery i Bangladesh mitandrina mafy mandingana amin'ny tady fisaka hampitoniana an'i Etazonia sy i Shina amin'ny politikany ivelany sy amin'ny drafitra fampandrosoana. ( jery 890+)
GV Frantsay
Comment j'ai fini par mépriser ma langue maternelle en Ukraine (Ny nahatonga ahy nanamavo ny fitenin-dreniko nony farany tao Okraina) [mg]
Ao amin'ity lahatsoratra manokana nosoratan'ny Tonian'ny GV Ukraine Yulia Abikok ity no izaran'i Yulia ny tantarany nahatonga azy ho lasa manao tsinontsinona ny teny Rosiana — ilay fiteny nihalehibe azy. Noho ny fananiham-bohitra feno nataon'i Rosia an'i Okraina, Okrainiana maro no niala tamin'ny teny Rosiana ary nanomboka nanongotra ny tantaram-panjanahana sarotra sy klasikan'ny teny Rosiana tany amin'ireo firenena post-Sovietika. ( jery 600+)
Miverena amin'ny volana ho avy hijery ny antontanisan'ny volana Aogositra.