Manahoana daholo, Jer Mpitarika amin'ny sampana teknika ato amin'ny Global Voices ity ary faly aho mizara fanavaozam-baovao lehibe amin'ny horirantavan'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices. Vakio hatrany raha te hahalala momba ny fanovana tefiendrika, ny safidy vaovao ao amin'ny fafam-panitsian'ny mpandray anjara, ary ny antony tokony hanesehanao indray ny solotavanao!
Araka ny hitanao amin'ny pikantsary etsy ambony, eo amin'ny desktop ny tefiendrika vaovao dia mahazo vahana amin'ny sakan'ny habaka manontolo mba hananana solotava lehibe kokoa, sy ny famolavolana amin'ny ankapobeny tsotsotra sy madio kokoa.
Amin'ny finday, vao maika manaitra ny fiovana, satria ilay solotava bitika teo aloha voasolon'ny goavana iray hafa, manome toerana bebe kokoa ny sary sy ny lahatsoratra tantaram-piainana eo ambany.
Fanantenako ho madio sy maoderina kokoa ny fandrafetana horirantava, hivoaka kokoa araka izay tratra ny tefiendrika vaovao.
Aseseho azafady ny solotava vaovao lehibe kokoa!
Araka izay mety ho eritreretinao, mitaky rakitra lehibe kokoa noho ny notehirizinay teo aloha ireo solotava goavana amin'ity endrika vaovao ity. Mba hanaovana izany, dia nohavaozina ny fitaovana ao amin'ny WordPress amin'ny fandefasana solotava, hita ao amin'ny Users > Your Avatar
. Hamorona habe maromaro avy amin'izay solotava nampidirina rehetra izao ilay fanesehana, anisan'izany ilay lehibe nampiasaina amin'ny efijery vaovao.
Mila manesika solotava vaovao ny mpisera rehetra manana “solotava ao an-toerana” mba hiseho amin'ny endrika tsara indrindra amin'ny sehosehatra vaovao!
Raha mampiasa Gravatar ianao dia tsy mihatra aminao izany, fa raha nampiditra ny avatar-nao mivantana tao amin'ny GV WordPress ianao, dia ho hita fa ambany ny resolution ary hipentipentina ao amin'ny sehosehatra vaovao, koa hamarino ny horirantavanao fandrao tsy dia tsara loatra ilay izy, ahitsio ny horirantavan'ny mpisera ary asesefo ny sary mihoatra ny 800px.
Raha tonian-dahatsoratra na mpitantana fandikan-teny ianao dia afaka manova ny momba ny an'ireo mpandray anjara hafa ihany koa amin'ny anaran'izy ireo! Tsidiho fotsiny ny mombamomba azy ireo, tsindrio ny bokotra Edit User
ao amin'ny zavamisy (menio) eo an-tampony, ary ampiasao ny bokotra Edit Avatar Settings
mba hahatongavana any amin'ny fitantanana solotavan'io mpandray anjara io.
Miala tsiny amin'ny asa fanampiny, ary misaotra anao naka fotoana hijerena ny mombamomba anao!
Safidin-drohy media sosialy vaovao
Farany, mety ho nahatsikaritra ianao tamin'ny pikantsary etsy ambony fa misy safidy vaovao hampifandraisana amin'ny horirantavan'ny media sosialinao. Ankehitriny azonao atao ny manampy rohy Mastodon, Instagram, ary LinkedIn ao amin'ny kirakiran'ny horirantavanao, izay hampiseho azy ireo amin'ny horirantavanaomiaraka amin'ireo kisary mifandraika amin'izany.
Raha mampiasa ireo servisy ireo ianao ary tianao ho hitan'ny mpamaky any, azafady ampio ao amin'ny mombamomba anao ny rohy!
Izay ihany aloha izao, misaotra namaky, ary toy ny mahazatra, ampahafantaro ahy raha manana olana amin'ireo endri-javatra vaovao ireo ianao! Asa an-dalam-pivoarana hatrany ny GV, ary mila ny valin-teninao izahay mba hahatonga azy io ho araka izay tsara indrindra 🙏🏻💚