
Miaramila manambara ny fandrobana fahefana. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube de Gabon24
Nandray ny fahefana ny miaramila any Gabon taorian'ny nandavany ny voka-pifidianana ankapobeny (filoham-pirenena, mpanao lalàna ary ny ben'ny tanàna) natao tamin'ny 26 aogositra 2023 ka namarana ny 55 taona nitondran'ny fianakaviana Bongo. Filoha nanomboka ny taona 1967 hatramin'ny taona 2009 i Bongo rainy, ary ny zanany lahy tamin'ny taona 2009 hatramin'ny taona 2023.
Raha te hanaraka vaovao misy kokoa momba ny fifidianana, vakio: Any Gabon, fifidianana telo manan-tantara ahitana fanamby lehibe [mg]
Hatrany am-piandohana no efa nokarakaraina tao anatin'ny tontolon'ny fiampangana ny lalàna vaovao mifehy ny lalàm-pifidianana sy ny fepetra noraisina hampanjakàna ny hosoka sy ny fifidianana indray an'i Ali Bongo, kandidà ho amin'ny fe-potoana fahatelo.
Nampahafantarina vao maraimben'ny 30 aogositra 2023 ny voka-pifidianana. Araka izany, araka ny filazan'ny Foibem-pifidianana Gaboney (CGE), ny filoha teo aloha Ali Bongo no ambara ho mpandresy amin'ny 64,27%-n'ny vato, raha Albert Ondo Ossa , kandidà amin'ny sehatra Alternance2023, kosa no faharoa tamin'ny 30,77%.
Tao amin'ny fantson'ny fahitalavi-panjakana Gabon 1ère nampitain'ny France 24, Michel Stéphane Bonda, filohan'ny CGE, nanambara hoe:
Ali Bongo a battu, dans un scrutin à un seul tour, son principal rival Albert Ondo Ossa, qui n'a recueilli que 30,77 % des voix, ainsi que 12 autres candidats qui n'ont récolté que des miettes. Au terme de la centralisation des résultats (…) est élu Bongo Ondimba Ali avec 293 919 voix soit 64,27 %”. Le taux de participation a été de 56,65 %.
Resin’i Ali Bongo, tamin’ny latsa-bato fihodinana tokana, ny mpifanandrina aminy lehibe Albert Ondo Ossa, izay tsy nahazo afa-tsy 30,77% tamin’ny vato, ary koa ireo kandidà 12 hafa izay tsy nahazo afa-tsy potik'isa. Tamin'ny fiafaran'ny vokatra (…) dia voafidy i Bongo Ondimba Ali tamin'ny vato 293.919 na 64,27%.
Fanafoanana ny fifidianana sy fandravana andrim-panjakana
Talohan'ny nahafantaran'ny ankamaroan'ny Gaboney ireo voka-pifidianana mandany indray an'i Bongo amin'ny fomba ofisialy, nanafika ny tranon'ny CGE ireo miaramila nivory tao anatin'ny Komitin'ny Tetezamita sy ny Famerenana ny andrim-panjakana (CTRI), ka nanery an'i Bonda hanemotra ny fanambarana ny fandresen'i Bongo. Ao amin'ny fantsona Gabon 24, manambara ny fanafoanana ny fifidianana, ny fandravana andrim-panjakana ary ny fanakatonana ny sisintany izy ireo:
Nambaran’ireto miaramila ireto fa mandray ny andraikiny ho an'ny vahoaka izy ireo ary manao izany mba hisorohana ny krizy tahaka ny tamin’ny taona 2016 taorian’ny nahavoafidy an’i Ali Bongo indray amin’ny fe-potoam-piasana faharoa. Nifanandrina tamin'i Jean Ping, mpanohitra i Ali Bongo tamin'izany ka nahafatesana olona 3 sy naratra 105 araka ny tarehimarika nomen'ny fanjakana ny herisetra taorian'ny fifidianana.
Ny jeneraly Brice Clothaire Oligui Nguema, izay mitarika ny CTRI no lehilahy matanjaka vaovao ao amin'ny firenena, araka ny nambaran'ny fampahalalam-baovao LSI Africa:
🚨🇬🇦Le général Brice Clothaire Oligui Nguema, formé à l’académie royale militaire de Meknès au Maroc, est le nouvel homme fort du #Gabon. pic.twitter.com/eO4yvIkcpB
— LSI AFRICA (@lsiafrica) August 30, 2023
Ny Jeneraly Brice Clothaire Oligui Nguema, niofana tao amin'ny Akademia Miaramila Royal ao Meknes any Maraoka, no lehilahy matanjaka vaovao ao #Gabon.
Toa nahazo ny fanohanan'ny ampahany amin'ny mponina ny fanonganam-panjakana. Manamarika ny firavoravoana sy ny fanehoana hafaliana ny sasany amin'ireo mpisera Twitter:
Les Gabonais sont en joie🇬🇦
#Gabon2023 pic.twitter.com/dqgikLLCeP
— Lukeni (@Kemou_kongo) August 30, 2023
Faly ny Gaboney 🇬🇦
Mpanao gazety Gaboney iray nifandray tamin'ny Global Voices tao amin'ny WhatsApp saingy aleony tsy mitonona anarana, manazava:
Je pense que le coup d’État a été soigneusement et minutieusement préparé. Nous avons constaté qu'il n'y a pas eu de contestations dans les rangs des corps habillés, ce qui veut dire qu'ils se sont mis d'accord avant d'agir. Ils dénoncent des fraudes et des résultats non conformes au désir de la population. Les militaires sensibilisent les populations à garder le calme. Quant aux opposants, ils sont gardés en sécurité.
Heveriko fa nomanina tamim-pitandremana fatratra sy tamim-pilaminana ny fanonganam-panjakana. Tsikaritray fa tsy nisy fifandirana teo amin’ireo manam-boninahitra, izay midika fa nanaiky izy ireo talohan’ny nihetsehana. Miampanga ny hosoka sy ny vokatra tsy mifanaraka amin’ny fanirian’ny mponina izy ireo. Manaitra ny mponina ny miaramila mba ho tony. Ho an’ny mpifanandrina kosa dia narovana ry zareo.
Raha nanambara ny fandravana ireo andrim-panjakana repoblikana ny CTRI, nisy fanambarana an-gazety iray hafa mitatitra momba ny fisamborana ireo mpisehatra maromaro ao amin'ireo akaikin'ny filoha.
Onjam-pisamborana
Tao amin'ny kaontiny YouTube, namoaka lahatsary mampiseho an'i Ali Bongo nosamborina sy nogadrain'ny miaramila amin'ny trano ambenana ny Agence France Presse. Tamin'ny sioka hafa avy amin'ilay mpilalao sarimihetsika, Jean-Pierre Ekanga, hita miangavy fanampiana i Ali Bongo:
GABON : LE PRÉDISENT ÉLU-DECHU DONNE DE LA VOIX..
Je suis Ali Bongo Odimba, Président du Gabon. Je voudrais envoyer un message à tous nos amis à travers le monde. Je leur demande de faire du bruit, faire du bruit. Car ces gens m'ont arrêté … pic.twitter.com/S7ByhhBhn1— Jean-Pierre EKANGA (@JJPJERRY) August 30, 2023
GABON: MANEHO HEVITRA NY FILOHA VOAFIDY-VOAHONGANA.
Izaho dia Ali Bongo Odimba, Filohan'i Gabon. Te-handefa hafatra ho an'ny namantsika rehetra manerana izao tontolo izao aho. Mangataka amin'izy ireo aho mba hitabataba, hivazavaza. Satria nisambotra ahy ireo olona ireo…
Nosamborina ihany koa ireo akaikin'ny filoha voaongana, hoy ity siokan'i Gilles, teratany Maliana monina ao Paris ity.
🇬🇦Ali Bongo, sa famille et ses docteurs sont en résidence surveillée.
Ont été arrêtés :
Noureddine Bongo Valentin
Yann Ghislain Ngoulou
Mohammed Ali Saliou
Abdul Osseyni
Jessy Ela Ekoga
Steve Nzeko Djeko
Siriak Vurandjami— Gilles-P.|L. (@PerleIrradiante) August 30, 2023
🇬🇦 Notazonina amin'ny trano ambenana i Ali Bongo, ny fianakaviany ary ny dokoterany.
Nosamborina i:
Noureddine Bongo Valentin
Yann Ghislain Ngoulou
Mohammed Ali Saliou
Abdul Osseyni
Jessy Ela Ekoga
Steve Nzeko Djeko
Siriak Vurandjami
Manamafy ny lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny gazety Gaboney iray nifandray tamin'ny Bénin Intelligent:
Ceux-ci ont été arrêtés pour haute trahison, détournement des deniers publics, faux et usage de faux, falsification de la signature du président de la République, trafic de drogue. Ils sont tous proches du président, travaillant à la présidence de la République.
Nosamborina izy ireo noho ny famadihana tanindrazana fara-tampony, fanodinkodinam-bolam-panjakana, fisandohana sy fampiasana hosoka, fanodinkodinana ny sonian’ny filohan’ny Repoblika, fanondranana rongony. Akaiky ny filoha avokoa izy ireo, miasa eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.
Anisan'ny havan'i Bongo nosamborina i Noureddin Valentin Bongo zanak'i Ali Bongo, izay mizaka zom-pirenena roa Gaboney sy Frantsay, araka ny voalazan'ny BrazzaNews ao amin'ny kaontiny twitter:
#Gabon: Arrestation du fils d’Ali BONGO . Les militaires ont arrêté Noureddin Valentin Bongo, pour “haute trahison”. Il est l’un des fils du président déchu. @NoureddinBV pic.twitter.com/jXdx4l7Tun
— BrazzaNews (@brazzanews) August 30, 2023
#Gabon: Fisamborana ny zanak'i Ali BONGO. Nosamborin'ny miaramila noho ny “famadihana tanindrazana fara-tampony” i Noureddin Valentin Bongo. Anisan’ny zanaka lahin'ny filoha voaongana izy.
Tsy misy fanamelohana
Raha toa ka niteraka fanehoan-kevitra sy fanamelohana mahery vaika avy amin'ny andaniny sy ankilany eo anivon'ny fiarahamonina iraisam-pirenena ny fanonganam-panjakana farany teo tany amin'ireo firenena Afrikana miteny Frantsay ao amin'ny Vondrona ara-toekarena ao amin'ny firenena Afrikana Andrefana (CEDEAO-ECOWAS) toa an'i Burkina-Faso, Mali, Ginea ary Niger tato ho ato, dia tsy mbola nahazo fanamelohana kosa ity tranga voalohany ao amin'ny firenena miteny frantsay any Afrika Afovoany ity .
Raha hanaraka vaovao misy kokoa momba ny fanonganam-panjakana farany tao amin'ny ECOWAS, vakio ny : Tao Niger, naongan'ireo miaramila ny filoha Mohamed Bazoum [mg]
Na izany aza, manangona fanehoan-kevitra iraisampirenena ny France 24. Ny vaomieran’ny Vondrona Eoropeana sy i Shina ihany no naneho hevitra. Raha ny momba an'i Frantsa, milaza izy fa manara-maso akaiky ny zava-misy:
Mahita fandresena vaovao ho an'ireo mpanohana an'i Afrika afaka tamin'ity fanonganam-panjakana ity ireo Pan-Afrikanista sy mpiaro ny fiandrianam-pirenena Afrikana, toa an'i Kemi Seba, filohan'ny ONG Urgences Panafricanistes. Manasa ilay lehilahy matanjaka vaovao hanaraka ny ohatry ny miaramila any Mali sy Burkina Faso i Kemi Seba.
COUP D’ÉTAT AU GABON 🇬🇦
Le général et frère Brice Oligui Nguema, patron de la garde républicaine , est l’homme fort du coup d’Etat. Il sera sans aucun doute celui qui conduira la transition qui durera probablement entre 2 et 3 ans d’après nos sources .
Nous l’encourageons à… pic.twitter.com/wwGV2EgFbw— Kemi Seba Officiel (@KemiSeba1) August 30, 2023
FANONGANAM-PANJAKANA AO GABON 🇬🇦
Ny jeneraly sady rahalahy Brice Oligui Nguema, lehiben'ny mpiambina ny Repoblika, no lehilahy matanjaka amin'ny fanonganam-panjakana. Tsy isalasalana fa izy no hitarika ny tetezamita izay mety haharitra 2 ka hatramin’ny 3 taona araka ny loharanom-baovao azonay.
Mamporisika azy izahay…
Pejy vaovao amin'ny fiainana ara-politikan'i Gabon no nivadika tamin'ity fandefasana fisotroan-dronono an-terisetra ny filohan'i Gabon teo aloha ity sy ny fiafaran'ny tarana-mpanjakana ara-politikan'ny fianakaviana Bongo. Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny dia ny hoe afaka herinandro vitsy, hahavita hitantana, hitandro ny fandriampahalemana ara-tsosialy, ary hamaritra maodely amin'ny tetezamita ve ny CTRI eo am-piandrasana ny fifidianana vaovao.