
Mpiasa manao famitana mialoha ny fanokafana ny Sarivongan'i Boddha Maravijaya ao an-drenivohitr'i Myanmar. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'ny fampahalalam-baovao tsy miankina voaràra MizzimaTV.
Namoaka sarivongana Boddha Maravijaya lehibe ny fitondrana miaramila ao Myanmar nandritra ny lanonana ara-pivavahana goavana, nolazain'ny mpitsikera izany ho fiezahana tsy hahita ny habibiana ataon'ny fitondrana miaramila.
Nandroba fahefana ny miaramila tamin'ny Febroary 2021 ary avy hatrany dia nanao famoretana mahery vaika tamin'ny mpanohitra sy ny mpitsikera. Saingy roa taona mahery taty aoriana, nihamafy ny fanoherana rehefa miady mafy hahazo ny maha-ara-dalàna sy ny fankatoavana iraisampirenena ny fitondrana miaramila.
Tamin'ny 1 aogositra, namoaka ny sarivongan'i Boddha Maravijaya tao Naypyitaw renivohitry ny firenena ny lehiben'ny fitondrana miaramila, ny jeneraly Min Aung Hlaing. Nantsoin'ny haino aman-jerim-panjakana izany hoe “Sarin'i Boddha mipetraka ambonin'ny marbra avo indrindra manerantany”.
Midika hoe mambabo an'i Mara, izay mitovy amin'i Satana amin'ny Bodisma, ny hoe Maravijaya. “I Boddha no mandresy ny fitsabahan’ny devoly”. Ahitana marika marobe mifandraika amin'ny isa sivy izany, izay heverina ho maningana amin'ny tarehimarika Birmana. Manazava izany hoe nahoana no milanja 5 292 taonina ilay sarivongana, satria manome sivy anankiroa ny fitambaran'isa. Mirefy 5,5 metatra (indroan'ny 9 dingana) ny haavon'ny seza fiandrianana, ary ny haavon'ny sarivongana dia 19,2 metatra ( 63 dingana, izay manome sivy raha atambatra).
Nanonona ny lehiben'ny fitondrana miaramila izay niresaka ny maha-zava-dehibe ny fananganana sarivongana ny fampahalalam-baovaom-panjakana:
[The statue] aims to show flourishing of Theravada Buddhism in Myanmar, for Myanmar to be a focal point of Theravada Buddhism, ensure prosperity of the State and contribute to peace and stability of the world.
[Ny sarivongana] dia mikendry ny hampiseho ny firoboroboan'ny Bodisma Theravada ao Myanmar, mba ho ivon'ny Bodisma Theravada i Myanmar, miantoka ny firoboroboan'ny Fanjakana ary mandray anjara amin'ny fandriampahalemana sy fitoniana an'izao tontolo izao.
Nandany MMK 58 miliara (27,6 tapitrisa dolara Amerikana) ny fitondrana miaramila tamin'ity tetikasa ity. Nahazo tany avy amin'ny toerana masina fiton'ny Bodisma any India sy ny pagoda malaza manerana an'i Myanmar izy. Afaka mandray mpikambana 900 ao amin'ny Sangha [fiarahamonina Bodista] sy olona laika 1.200 mandritra ny lanonana ara-pivavahana ny efitrano fanokanana. Nilaza ny manam-pahefana fa vita amin'ny fitaovana mateza ilay sarivongana izay mahazaka ny fiantraikan'ny tafiotra 120 mph na horohorontany mahery vaika mirefy 8.8.
Manamarika ireo mpitsikera fa namerina ny nataon'ny fitondrana jadona miaramila teo aloha tamin'ny fanehoana fanoloran-tena ho an'ny Bodisma ny fitondrana miaramile no sady miezaka manohintohina ny hery mpomba ny demokrasia. Tamin'ny taona 1986, nanamasina ny Pagoda Maha Wizaya ny lehiben'ny fitondrana miaramila teo aloha, ny Jeneraly Ne Win, izay midika fahombiazana miavaka. Tamin'ny taona 2002, nitarika ny lanonana fanokanana ny sarivongan'i Boddha marbra fantatra amin'ny anarana hoe Loka Chantha Abhaya Labha Muni ao Yangon ny Jeneraly Than Shwe.
Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Than Lwin Times, moanina malaza, Sayadaw Min Thon Nya nanome tsiny ny fitondrana miaramila noho ny fananganana pagôda ao anatin'ny fijalian'ny olom-pirenena Myanmar tsotra.
While people are experiencing hardships and great grief, building stupas, pagoda and image is not the teaching of Buddha. It is just for showing off. Buddha preferred practicing his teachings, rather than looking at his impermanent body. Practicing his Dhamma is the genuine worship to the Buddha.
Buddha taught that Dhamma should be replied on through practices. So, the military’s building religious edifices is just to cover their crimes. Their works are against Buddha’s teachings.
Raha miaina zava-tsarotra sy alahelo lehibe ny olona, tsy fampianaran'i Boddha ny fananganana stupas, pagôda ary sary. Natao ho fisehosehoana fotsiny izany. Naleon'i Boddha nampihatra ny fampianarany, toy izay nijery ny vatany tsy maharitra. Ny fampiharana ny Dhamma no fanompoam-pivavahana marina amin'ny Boddha.
Nampianatra i Boddha fa tokony hovaliana amin'ny alalan'ny fampiharana ny Dhamma. Noho izany, ny fananganana trano ara-pivavahana ataon'ny miaramila dia natao hanaronana fotsiny ny helok'izy ireo. Mifanohitra ny fampianaran'i Boddha ny asan'izy ireo.
Ny Irrawaddy, orinasam-pampahalalam-baovao tsy miankina voaràra, nanasongadina ny mahatsikaiky amin'ny fananganana sarivongan'i Boddha lehibe kanefa mijaly noho ny didy jadona ny ankamaroany:
There is a terrible irony in the regime leaders’ building the tallest Buddha image to show that they are the defenders of the faith in Buddhist-majority Myanmar; the country’s people feel they are the smallest, most defenseless and least protected people in this part of the world.
Misy fanesoana mahatsiravina amin'ny fananganana ny sarin'i Boddha avo indrindra ataon'ny mpitondra fitondrana mba hanehoana fa izy ireo no mpiaro ny finoana ao Myanmar izay maro an'isa Bodista; mahatsapa ny vahoakan'ny firenena fa izy ireo no kely indrindra, tsy misy fiarovana indrindra ary tsy voaaro indrindra eto amin'ity faritra ity.
Nitafatafa tamin'ny mponina sasany momba ny fijerin'izy ireo ny sarivongana ny Radio Free Asia, izay vatsian'ny governemantan'i Etazonia ara-bola.
What I am sure of is that no civilians who aren’t government employees joined the ceremony. Only [junta] employees who were forced to join went there. The military even arranged transportation for them.
Ny azoko antoka dia tsy nisy sivily tsy mpiasam-panjakana nanatevin-daharana ny lanonana. Ny mpiasa [junta] izay noterena hiditra tao ihany no nandeha tany. Nandamina ny fitaterana ho azy ireo mihitsy aza ny miaramila.
Mponina iray hafa nilaza fa tsy hitsidika ilay toerana ry zareo.
What we see is that the junta is using a lot of money and manpower in building the statue to make it more famous than previous pagodas. I have no plans to visit, as it was built by the blood-stained hands of the military dictator.
Ny hitanay dia mampiasa vola sy olona betsaka amin’ny fanamboarana ny sarivongana ny fitondrana miaramila mba hampalaza azy kokoa noho ny pagôda teo aloha. Tsy manana fikasana hitsidika aho, satria ny tanan'ny miaramila mpanao didy jadona no nanorina azy io.
Maimaim-poana ny fidirana ao amin'ilay toerana hatramin'ny faran'ny volana aogositra. Nilaza ny manampahefana fa ilaina ny fandoavana sara satria “tsy misy sangan'asa ara-javakanto avy amin'ny Sary Maravijaya Boddha hita na aiza na aiza, ny asa fikojakojana ny sary dia tsy maintsy atao amin'ny antsipiriany.”
Nahazo eso tamin'ny vahoaka ny fanapahan-kevitra haka sarany satria io pagôda vaovao io no hany toerana masina ao amin'ny firenena tsy maintsy handoavam-bola ny fivahiniana masina ao aminy.
Sariitatra Isan-kerinandro DVB: Tongasoa eto amin'ny sarivongan'i Boddha Maravijaya, lehibe indrindra sy lafo indrindra eto an-tany #WhatsHappeningInMyanmar pic.twitter.com/qEZvlwT9wf
— DVB English News (@DVB_English