Manao ampaham-pamotsoran-keloka mpitarika anaty fitohizan'ny krizy sy fanoherana ny jadon'i Myanmar

Aung San Suu Kyi

Tahirin-tsarin'i Aung San Suu Kyi mpitarika an'i Myanmar nohazonina. Saripika avy amin'i Htoo Tay Zar / Wikipedia / (CC BY-SA 3.0)

Namoaka voafonja maherin'ny 7.000 ny manampahefana miaramila ao Myanmar ary nanome ampaham-pamelan-keloka  ireo mpitarika voaongana Aung San Suu Kyi sy Win Myint nandritra ny fankalazana ara-pivavahana bodista. Nilaza ireo mpitsikera fa natao hanalefahana ny tsindry iraisampirenena sy hampalemy ny mpanohitra ity hetsika ity.

Nandroba fahefana ny miaramila tamin'ny Febroary 2021 ary nitazona avy hatrany ny mpanolotsainam-panjakana Aung San Suu Kyi sy ny filoha Win Myint. Nivoady ny hamerina amin'ny laoniny ny fitondrana sivily amin'ny alalan'ny fanaovana fifidianana, saingy roa taona mahery aty aoriana, mbola ao anaty hotakotaka miitatra ny firenena ary potehin'ny fitondrana ara-miaramila amin-kerisetra ny endrika fanoherana rehetra.

Na dia teo aza ny famoretana manao ny mpanohitra ho lasibatra, tsy nahavita nampitombina ny fitondrany ny miaramila satria mbola nahazo fanohanam-bahoaka ny hery mpomba ny demaokrasia. Nanao hetsika hanohintohinana ny didy jadona miaramila ireo mpikatroka manohitra ny fitondrana miaramila sy vondrom-poko mitam-piadiana.

Nandritra izany fotoana izany, nahariharin'ireo fampahalalam-baovao tsy miankina hatrany ny herisetran'ny fitondrana jadona miaramila sy ny fiantraikan'ny fifandonana manerana ny firenena. Tsy mety mahazo fankatoavana ara-diplaomatika sy fanohanan'ny ankamaroan'ny fianakaviambe iraisampirenena ihany koa ny manampahefana miaramila ao Myanmar.

Rehefa nihanangotraka ny krizy, dia namoaka gadra 7.749 ny governemanta miaramila tamin'ny fetin'ny Dhammasetkya, izay fahatsiarovana ny toriteny voalohany indrindra nataon'i Boddha. Saingy nitatitra ny Fikambanana Manampy ny gadra politika fa gadra politika 120 monja no tafiditra tao anaty famotsoran-keloka, raha mbola migadra ny 19.733 voasambotra hatramin'ny nisian'ny fanonganam-panjakana, araka ny fanisana.

Tsy hitarika amin'ny famotsorana azy ireo ny ampaham-pamotsoran-keloka nomena an'i Aung San Suu Kyi sy Win Myint, satria efa voaheloka tamin'ny raharaha 14 hafa ilay voalohany, raha nahena efa-taona monja ny sazy an-tranomaizina ho an'ilay farany.

Nanoritsoritra ny famotsoran-keloka ho “ankosotra” ny mpitondratenin'ny mpanohitra. Nampiany fa “hetsika avy amin'ny filalaovana politika maloton'ny fitondrana izay hanamaivanana ny tsindry iraisampirenena.” Nanamafy ny fitakian'ny hetsika mpomba ny demokrasia ny mpitarika ny mpanohitra iray hafa.

“Mankasitraka ny fanatsarana ny toe-piainan'i Daw Aung San Suu Kyi izahay, saingy tsy manova na inona na inona ny ‘famelan-keloka’ ataon'ny miaramila. Tsy manova ny daroka baomba isan'andro amin'ny tanàna izany, olona 17.000 mbola any am-ponja, fahapotehana ara-toekarena. Tsy manova ny fahavononanay hampitsahatra ny fitondrana miaramila eto Myanmar izany.”

Nanamafy ny mpikatroka iray fa hitombo hatrany ny fanoherana ny jadona miaramila hahazoana vahana:

Na dia ireo andian-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika, toa izao aza, tsy maintsy mamaly ny antson’ny vahoaka eo anivon’ny fifaharan’ny vahoaka hatrany.

Tsy zava-baovao ny lalaon’izy ireo. Saingy manome vahaolana maharitra ho an'i #Myanmar ny fifaharana sy ny antsonay ho amin'ny fiovana politika.

Diabe mankany amin'ny tanjonay. ✊️

Tao amin'ny matoandahatsoratra iray, nanamarika ny tranokalam-baovao Myanmar Now fa mampiasa tetika tranainy ny fitondrana miaramila mba hanakorontanana ny herin'ny mpanohitra sy hampisaritaka ny fiarahamonina iraisampirenena.

All of this is straight out of the playbook of previous regimes: Use Suu Kyi to create the illusion that the military might be willing to soften its position, and then deploy this fiction to weaken domestic resistance and divide international opinion.

Izany rehetra izany dia avy amin'ny fanaon'ireo fitondrana teo aloha: Mampiasa an'i Suu Kyi mba hamoronana hevi-diso fa mety ho vonona ny hanalefaka ny mahazo azy ny miaramila, ary avy eo dia manaparitaka ity tantara foronina ity mba hampihenana ny fanoherana ato antoerana sy hampisara-bazana ny hevitra iraisampirenena.

Naneso ny famotsoran-keloka navoakan'ny jadona miaramila ihany koa ilay mpahay toekarena Aostraliana Sean Turnell, izay efa notanana teo aloha [mg] taorian'ny fanonganam-panjakana noho ny maha mpanolotsainan'ny governemanta azy teo aloha.

Fitondrana mahatsiaro ny zava-drehetra, nefa tsy mianatra na inona na inona. Saingy, mitady hanodikodina ny lohan'izao tontolo izao, fa rehefa mieritreritra an'i Myanmar mihitsy, sady tsy mahatsiaro no tsy mandray lesona. Ho afaka amin'izany ve ny fitondrana miaramilan'i Myanmar? Moa ve adala, mora manaiky, tsy mahalala ary tia tena ny olona?

Nanizingizina izy fa tsy tokony hosamborina aloha voalohany ireo mpitarika naongana:

Myanmar’s problems will not be solved by reducing the prison sentences on people who should never have been sentenced in the first place. Real change is possible in Myanmar, but it will not come from applauding meaningless gestures, as attractive as they might be as “click-bait”. As with such online temptations broadly, best not to hit the like button until there is truly something to be happy about.

Tsy hamaha ny olan'i Myanmar voalohany indrindra ny fampihenan-tsazy an-tranomaizina ireo olona tsy tokony nohelohina mihitsy. Azo atao ao Myanmar ny tena fiovana, saingy tsy ho avy amin'ny fihetsika tsy misy dikany itehafana izany, mahasarika tahaka ny “click-bait” [mpitady tendry-kitika]. Amin'ny fakam-panahy an-jotra toa zao amin'ny ankapobeny, ny tsara indrindra dia ny tsy manindry ny bokotra mandra-pisìn'ny zavatra tena mahafaly.

Tao amin'ny matoandahatsoratra iray, Nanoritsoritra ny famotsoran-keloka ho “mahatsiravina nefa mampihomehy” ny tranokalam-baovao The Irrawaddy ary nandrisika ny fianakaviambe iraisampirenena hanamafy ny fanerena ataony amin'ny junta.

All players should demand the immediate release of Suu Kyi and other detained leaders of the ousted government, as well as elected MPs and all other political prisoners.

If ASEAN [Association of Southeast Asian Nations] and the international community want to see a restoration of stability and peace in Myanmar, it is time to increase—not reduce—the pressure on the regime and support the democratic opposition.

Tokony hotakìn'ny rehetra ny famotsorana tsy misy hatak'andro an'i Suu Kyi sy ireo mpitarika hafa voatazona ao amin'ny governemanta voaongana, sy ireo solombavambahoaka voafidy ary ireo gadra politika hafa rehetra.

Raha te hahita ny famerenana amin'ny laoniny ny fitoniana sy ny fandriampahalemana ao Myanmar ny ASEAN [Fikambanan'ny Firenena Aziatika Atsimo Atsinanana] sy ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena, fotoana izao hampitomboana—fa tsy hampihenana—ny fanerena ny fitondrana sy hanohanana ny mpanohitra demaokratika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.