Global Voices sy ny HaVO (IA) ao amin'ny efi-panoratam-baovao

Teknolojian-doko marevaka an-damosina, azon'ny rehetra ampiasaina CC0 image.

Satria efa mora idirana bebe kokoa an-jotra programa haranitan-tsaina voatr'olombelona, manapa-kevitra izahay ny handanjalanja sy hanazava hoe aiza no hijoroan'ny Global Voices amin'ny fampiatiana ity fitaovana vokarin'ny IA (HaVO) ity ao anatin'ny asanay. Mivoatra hatrany ny fomba fijerinay momba ity raharaha ity, ary izahay — tahaka ireo efitrano famoaham-baovao sy sehatra fiarahamonim-pirenena maro — dia mbola miezaka mitady ny fomba hampiasana ity teknolojia ity amin'ny ara-drariny sy ara-tandrohasina.

Ekenay fa lohahevitra mampisara-bazana sy mampiady hevitra izy ity. Mbola manolo-tena hatrany izahay amin'ny fitazonana ny efitrano famoaham-baovaonay hifantoka amin'ny olombelona — olona — na izany aza, mino izahay fa mety hanampy amin'ny fanatsarana ny asanay ary hanampy anay hifanerasera amin'ny mpamaky amin'ny fomba mahomby ny teknolojia HaVO sasany. Ireto ny sasany amin'ireo hevitray momba ny fampiasana ny teknolojia HaVO ao amin'ny efitrano famoaham-baovao :

Fanoratana: 

Tsy manaiky tantara nosoratan'ny HaVO ao amin'ny Global Voices izahay, ary mila manazava izany amin'ny ekipany ny Tonian-dahatsoratry ny faritra. Na izany aza, ny fitaovana HaVO sasany, toy ny Chat GTP, Bard, na DeepAI, azo ampiasaina hamenoana ny fizotran'ny fanoratana na fikarohana ary mety ilaina amin'ny fanafainganana ny fizotran'ny fanoratana lahatsoratra. Ohatra, azo ampiasaina ny HaVO amin'ny:

  • Vakijejin-dohateny sy mandrafitra fehezanteny indray.
  • Fanamarinana raha misy fakantahaka lahatsoratra na lahatsoratra noforonin'ny HaVO ny lahatsoratra iray.
  • Fitadiavana loharanom-baovao azo antoka hanamarinana zava-misy.

Fandikanteny:

Tsy maninona ny mampiasa AI amin'ny fandikana, ao anatin'izany ny tsonga fohy, raha toa ka misy olona manamarina ny dikan-teny farany, satria tsy mahafantatra ireo dika samihafa ny HaVO ary mbola be fahadisoana. Tsy hanaiky dika sy apetaka avy amin'ny Google Translate na DeepL izahay raha tsy misy fanitsiana sy fanitsiana fanampiny ataon'ny olona. 

Sary:

Na dia tsy maninona aza izahay amin'izao fotoana izao amin'ny fanekena sary HaVO sasany, olana fototra roa no manasarotra ny fanapahan-kevitray amin'ity sehatra ity. Ny voalohany dia ny fomba famokarana ireo sary ireo, ary ny faharoa dia ny hoe afaka miantehitra amin'ny sary ho toy ôrizinaly ve izahay fa tsy nadikan'ny HaVO tsy nahy avy any an-toeran-kafa izany. Ny sasany amin'ireo mpamorona sary HaVo malaza indrindra dia Dall-E2 sy Midjourney, raha tsy hanonona afa-tsy vitsy. Amin'izao fotoana izao, tsy misy na iray aza amin'ireo tranonkala ireo manome teny momba ny toerana ahazoany ny zavakanto niaviany, izay mety ho sarotra raha toa ka maka fitaovana tsy nahy avy amin'ny artista izy ireo. 

Na dia mbola manombatombana ny fomba fampiasana sary novokarin'ny HaVO aza izahay amin'ny maha-efipanoratan-gazety anay, dia mihevitra izahay fa tsy maninona ny mampiasa sary vita amin'ny HaVo izay mijanona ho manjavozavo na artistika (endrika geometrika, petatsary, sary noforonina hivilambilana miharihay) raha mbola manonona ny niaviany ao amin'ny pikantsary izahay. 

Tsy tokony hampiasa sary HaVO izay tahaka ny tena marina izahay ary mety hoheverina ho ‘sary olona na zava-mitranga tena misy’

Lahatsary

Raha tsy manoratra horonan-tsary novaina na namboamboarina izahay, dia tsy tokony hampiditra horonan-tsary izay novolavolain'ny HaVO. Tena ilaina izany hihazonana ny fitokisana anay sy maha-mendri-pitokisana anay. Raha toa ka ampiditra horonan-tsary namboamboarina — amin'ny toe-javatra izay manan-danja sy tena ilaina amin'ny tantara iray — dia tsy maintsy marihina mazava tsara izany, ary tsy maintsy faritana sy asongadina ao amin'ny lahatsoratra ny fanamboamboarana.

Ato amin'ny Global Voices izahay mikasa ny hanohy ny fanaraha-maso ny fiovan'ity teknolojia ity sy ny fivoarany ary hanavao sy hanitsy ny fomba fijerinay sy ny fomba fiasanay amin'ny fiatrehana tsy tapaka ny HaVO. Raha mila loharanom-baovao bebe kokoa miresaka momba ny fiantraikany, ny tandrohasina sy ireo fanontaniana momba ny HaVO ao amin'ny efitrano famoaham-baovao, jereo ity andian-dresaka mitohy avy amin'ny Reporters Without Borders (RSF) sy ireo torolalana navoakan'ny The Associated Press.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.