Midadasika be ny loharanon'ny tanjak'i Recep Tayyip Erdoğan. Nandritra ny roapolo taona nitondràny, nohamafisiny ny fahefàny hanorenana rafi-pitantànana mankato azy (tafiditra amin'izany ny tafika sy ny mpampihatra lalàna), ny tontolo iray fampahalalam-baovao mahazatra, ary rafitra governemanta iray mametraka ny jadony ho ambonin'izay rehetra famaritana ny atao hoe fanarahamaso. Manampy an'io ny tsy fisian'ny seha-panoherana ara-pôlitika azo itokiana mba afaka manome safidy azo ianteherana ho an'ireo mpifidy manoloana an'i Erdoğan.
Fantatra sy voarakitra tsara ny amin'izany rehetra izany. Araka izany, rehefa manontany ireo mpanaramaso tia karokaroka hoe “Nahoana i Erdoğan no nandresy tamin'ireo fifidianana ny ho filohampirenena tamin'ny 2023?” amin'ny ankapobeny, ny fifangaroan'ireo antony voatanisa tetsy ambony no mivohy ny valiny. Mandritra izany fotoana izany, efa tafiditra an-trano ny elefanta — raha tsorina dia mahita hapoaka ny intelligentsia-n'ny mpanohitra.
Ny tsy vitan'ny intelligentsia notanterahana
Maro karazana sy midadasika ny intelligentsia ao Tiorkia. Saingy nasehon'ireo fifidianana faobe natao vao haingana ihany koa ny vokatra mampivala-ketraka naterany teny amin'ny fomba fijerin'ny vahoaka. Taloha sy nandritra ireo fifidianana faobe natao tao Tiorkia tamin'ny May 2023, tanaty haravoana ny maro tamin'ireo mpamoaka vaovao be mpanaraka avy amin'ny fanoherana, niaraka tamin'ireo mpaneho hevitra sy ny mpanao gazety ao aminy. Maro ireo mpanadihady manana ny hajany no namela ny fitaovana fanadihadiana tsy nitanila nanànany sy ny masolaviny mba hanosika an'i Kemal Kılıçdaroğlu, ilay mpifanandrina fototra avy amin'ny mpanohitra mifanàla hazakazaka amin'i Erdoğan. Ny firotsahan'i Kılıçdaroğlu dia izy Kılıçdaroğlu tenany ihany no nanolotra azy ho an'ny vahoaka, niaraka tamin'ilay vondrona keliny nahitàna ireo mpisehatra ara-pôlitika, zara raha nisy adihevitra, na fandraisana anjaran'ny daholobe, eny fa na ny fandalinana mba hamaritana raha toa ka tena izy tokoa no ilay kandidà mendrika handresy an'i Erdoğan ao anatin'ilay fifidianana izay tsarain'ny rehetra ho fifidianana tena iankinan'ny ain'ny firenena.
Fa tsy izany, ny intelligentsia avy amin'ny fanoherana dia nanampy tamin'ny fanamafisana ilay fomba fijery miely patrana manao hoe i Kılıçdaroğlu no olona afaka handresy an'i Erdoğan. Mandritra izany fotoana izany, ireo izay mametra-panontaniana momba io fanapahankevitra io dia notondroina ho pariahs tsy mahay mamaky izay voasoratra eny amin'ny rindrina. Ireo mpandalina efa za-draharaha dia niditra tamin'ny fanaovana fampielezankevitra fanaovana lasibatra ka nanambaràna hoe vita hatreo ny vanimpotoana Erdoğan ary tsy ananany ny vintana ho tafavoaka velona ho voafidy indray.
Ity fahatokiana ity dia nifototra avy amin'izay nambaran'i Rusen Cakir, tonian-dahatsoratry ny Medyascope, mandrakariva hoe “krizim-pitantanan’” i Erdoğan. Io “krizim-pitantanana” io dia nifototra tamin'ny fiheverana hoe tsy vitan'i Erdoğan ny nitondra vahaolana mivaingana ho an'ireo tena olana ara-toekarena sy pôlitika natrehan'ny firenena sy ireo mpifidy. Tsy irery i Cakir amin'io hafatra io. Misy ireo zokiolona hafa mpandalina sy mpanaramaso no nanatevina laharana ny fandaharany isankerinandro, mihevitra fa ny resadresaka nifanaovana-dry zareo tamin'ireo olontsotra mpifidy sy ny fanatrehany tao amin'ny fampielezankevitry ny Antoko Pôlitika Repoblikana (CHP) dia marika mazava fa efa akaiky ny faran'ny vanimpotoana Erdoğan.
Zokiolona iray mpanao gazety sady mpiaro an'i Kılıçdaroğlu, Kadri Gursel, no tonga hatramin'ny filazàna fa ireo izay tsy afaka mahita ny fitosahan'onja manatona dia tsy vitan'ny hoe tsy nahara-baovao, fa angamba tsy maniry mihitsy ny hanesorana an'i Erdoğan eo amin'ny toerany! Tsy dia nanome lanja loatra ny fandalinana hafa ny fanehoankevitra mitovitovy amin'izany: izany hoe mety ho voaloto ny sarin'i Erdoğan, saingy nanana tombony be ara-drafitra izy, azony amin'ny maha-tomponandraikitra amperinasa azy (voafaritry ny andalana voalohany) izay mety hanampy azy hijanona eo amin'ny fitondrana.
Raha fintinina dia ireo tsy natoky no nanana ny marina. Ny tena manahirana, na ny tombantomban'ireo mpanao gazety, mpitsapa hevitra sy mpandalina aza mety ho diso, dia ilay fomba fiteny manilikilika sy mandà tsy handray ho anaty kajikajy ireo fandalinana manakiana izay nanolotra ho an'ny vahoaka ireo solon-tsafidy azo itokiana.
Efa ho telo volana hatramin'ny nanaovana fifidianana, ireny manampahaizana ireny, raha tokony hiaiky hoe nampidi-kizo ny vahoaka, dia tsy nanao afa-tsy ny niaiky hoe nisy hadisoana nataony ka fotoana izao hisainana zavatra hafa sy hanantenana ny tsara hatrany.
Ny fiantraikany
Avo roa sosona ny tsy fahombiazana midadasika faoben'ireo manampahaizana: voalohany, niteraka fiandrasan-javatra tany amin'ny vahoaka izay nidera ny fandalinan-dry zareo sy tena kivy tanteraka tamin'ireo vokatry ny fifidianana. Faharoa, ny tànan-dry zareo no aholankolany — laviny ny ho tomponandraikitra amin'ny tsy fahaiza-mitsinjon'ny fandalinan-dry zareo.
Andraikitr'ireo mpandalina manoloana ny vahoaka tiorka noreseny lahatra ny fanomezana izay vaovao rehetra ananan'izy ireo zo. Mazava loatra, afaka noporofoina hoe diso, manontolo na amin'ny ampahany, ny fandalinan-dry zareo. Ny mety ho tena nilaina tamin'io dingam-pifidianana io, dia ny fifantohan'ireo media tsy miankina, manana ny hajany sy malaza amina karazana endrika valim-pifidianana isankarazany, fijery tsy mitanila momba ireo antony nahamatroka ny fampielezankevitra sy ny firotsahan'i Kılıçdaroğlu, ary fifantohana manokana amin'izay mety ho tanjaka efa ananan'ny milim-panjakan'i Erdoğan izay nanakana ny fisian'ny tena fifaninanana amin'ny fifidianana.
Fa tsy izay, fanelezana vaovao diso goavambe no azontsika ka tao anatin'izany no nandefasan'ny ankamaroan'ireo media mpomba an'i Erdoğan ao Tiorkia ny fandisoana vaovao, izay toa narahan'ireo media avy amin'ny fanoherana, ninia nanova tanteraka ny mety ho vokadratsy aterany. Samy nanampy an'i Erdoğan hahazo tombony ireo roa ireo. Na izany aza, itsy farany no hany tomponandraikitra amin'ny fahatsapana hakiviana, tsy firaharahiana, ary hatezerana eny amin'ny vahoaka izay nipoitra taty aoriana. Mendrika ny vahoaka tiorka ny hahazo ny tsara indrindra avy amin'ireo milaza fa hanambara ny marina amin'ny fitondràna.