
Zarao aminay ny vaovaonao! Sary avy amin'ny Pexels tao amin'ny Pixabay. Nampiasaina araka ny Pixabay Content License.
Sady midadasika no maro karazana ny vondrom-piarahamonina Global Voices ary tsy vitan'ny hoe miparitaka manerana izao tontolo izao ihany – fa ahitana olona amin'ny sehatra asa, fikatrohana, sarangam-piainana, fialamboly isan-karazany ary maro hafa! Raha fonenan-tetikasa maro ny GV, sy fisantarana andraikitra sy vondrona maro samihafa, dia samy singa sy ampahany manan-danja ao amin'ny zony, mandrafitra antsika ho iray manontolo, voarafitry ny olontsika – ny fiarahamonintsika ihany koa isika.
Manao sy mamita ary miasa amin'ny zavatra mahafinaritra ao anatiny sy ivelan'ny GV ihany koa ny mpikambana ato amin'ity vondrom-piarahamonina ity ary araka ny fitenenana hoe ‘manaova ny tsara ary resaho izany': Tianay ny mandre sy miresaka momba izany!
Ny zava-misy dia … indraindray ny tenanao mety tsy hihevitra ny zavatra atao, natao na ny vitan'ny olona iray ho zava-mahaliana. Satria angamba mahatsapa ianao fa tsy dia lehibe loatra mila resahana izany na zavatra tsy mahaliana ny fiarahamonintsika izany. Izaho manokana dia manantena fa afaka mandrisika anareo handinika indray sy hanombana indray ny momba izany. Afaka mampamirapiratra ny hafa izay mandrafitra ny GV ho toy izao sy ny asa ataony ny tantara ilazanao ny tenanao. Angamba mety hahatonga resadresaka izany na hanome aingam-panahy ny hafa na, noho ny tsy fahampian'ny teny tsara kokoa, dia hanasongadina ‘tsotra izao’ ny zavatra nataon'ny iray aminareo izay mahaliana ny mamaky azy.
Inona anefa ireo zavatra azoko zaraina, hoy ianao mety manontany tena? Tsotra ny valiny: tsy misy fetra! Ary izany dia mety ho mavesa-danja na hahatonga anao tsy hahatakatra momba ny ‘zavatra tadiavintsika’.
Angamba ny dikanteninao no navoaka? Tahaka ny an'i Herman, izay azonao vakiana eto [mg].
Na anisany na nikarakara antsafa an-tsehatra, lahateny, fihaonambe na karazana hetsika hafa ianao? Tahaka ny nataon'i Melissa tany Buenos Aires [mg].
Angamba nasongadina tao amin'ny fampahalalam-baovao hafa, toy ny Harvard Review of Latin America mampiseho ny Rising Voices [mg] ny ampahany amin'ny asan'ny GV.
Na nantsafaina tamin'ny fandaharana amin'ny onjam-peo ianao na tao anaty podcast, niresaka momba ny zavatra akaiky anao toa an'i Filip niresaka momba ny fitiavany ny fiteny [mg] tao amin'ny Radio Nasionaly Czech.
Araka ny hitanao, dia misy karazana vaovao marobe matihanina na manokana azonao zaraina aminay ary tianay ny manoratra sy mandre momba izany. Ny hany tsy maintsy ataonao dia ny miditra ao amin'ny Tranokalan'ny Vaovaom-piarahamonina sy mandefa ny antsipiriany momba ny vaovaonao ary hanoratra ranty bilaogy mifototra amin'izany fampahalalana izany ny Mpanangona ny Vaovaom-piarahamonina GV. Ary raha mbola misalasala ianao, dia aza misalasala manatona ny Mpandrindra ny Fiarahamonina ary miresaha amin'izy ireo momba ny hevitrao mikasika ny lahatsoratra bilaogy vaovaon'ny vondrom-piarahamonina.
Miandrandra vaovao avy aminao izahay!