Media nomerika, misy fiantraikany ve ao anatin'ny fomba fanao miaro maharitra ny tontolo iainana ao Nizerià?

Fako plastika tsy voakarakara tsara ao Lagos, Nizeria, 17 Martsa 2023. Sary an'ny Tunesh247 teo amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 4.0).

Avy amin'i Mariam Doyinsola Oyedele

Amin'izao vanim-potoanan'ny nomerika izao, tena zava-dehibe amin'ny fanabeazana an'ireo Nizeriana momba ny tontolo iainan-dry zareo ny fitarihan'ny haino aman-jery nomerika. Na izany aza, mipetraka ho lohahevitra amin'ny fikarohana ny halehiben'ny fiantraikan'ny haino aman-jery nomerika nivadika ho asa azo tsapain-tanana sy ny fampiasana miely patrana ireo fomba fiaina miaro ny tontolo iainana.

Ankehitriny, misy 122,5 tapitrisa ireo mpampiasa Aterineto ao Nizerià, ary tsy isalasalana fa izany dia namorona làlana ho an'ny Nizeriana mba hahalala bebe kokoa mikasika ny tontolo iainan'izy ireo sy ny krizy ara-toetrandro. Ny sehatra media sosialy monja dia namorona toerana hahafahan'ny tsirairay mahazo vaovao mikasika ny vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro, ny tsy fahampian'ny fanodinana, ny fiparitahan'ny solika sy ny tondra-drano izay mamely ny firenena. Tamin'ny alalan'ny haino aman-jery nomerika, ny rafitra mifototra amin'ny Tranonkala dia nahatonga ny Nizeriana hahazo fahalalana mikasika ny tontolo iainany. Araka ny fikarohana tamin'ny Google, nasehon'ireo Nizeriana ny fahalianany bebe kokoa amin'ny olana mikasika ny tontolo manodidina azy ireo. Tamin'ny Andron'ny Tany dia namoaka angona mampiseho ny firehana maharitra indrindra ao Nizeria ilay orinasa teknolojia misandrahaka amina firenena maro, narahany tamin'ny hoe “Inona no atao hoe fiakaran'ny hafanana erantany ?” , fanontaniana be mpikaroka indrindra ao amin'ny Google. Ny fironana hafa voamarika ho anisan'ny tena fironana maharitra indrindra ao Nizeria dia nahitana ny tsy fandefasana entona karbôna, izay mampiseho fa tonga saina kokoa ireo Nizeriana sasany amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ary mitady fomba hampihenana ny dindon'ny karbôna ao alefan-dry zareo.

Naka ny toeran'ny olom-pirenena mpanao gazetin'olontsotra ireo Nizeriana, nanararaotra naka tombony amin'ny teknolojia elekronika mba hizaràna ny traikefan'izy ireo manokana momba ny tontolo iainana. Amin'ny famoronana horonantsary sy fakàna sary, dia vitan-dry zareo ny nisarika ny sain'ny hafa mikasika ny toe-draharaha manodidina ny tontolo iainana mitranga ao amin'ny fiarahamonina. Tamin'ny taona 2022, nanatri-maso ny firongatry ny tondradrano i Nizeria, izay niantraika tamina Fanjakana 33 amin'ny 36 ary namindra toerana Nizeriàna maherin'ny roa tapitrisa, araka izay lazain'ny Masoivoho Nasiônaly Mitantana ny Hamehana. Ho setrin'ireo trangan-javatra mahatsiravina ireo dia nitodika tany amin'ny Twitter ireo olom-pirenena sahiran-tsaina mba hizara an'ireo fitantaràna mivantana. Ohatra amin'izany, olona iray mpampiasa Twitter no nizara ireo lahatsary mikasika ny tondradrano tao Anambra :

Tondradrano manodidina ny LGA Idemili sy Ogbaru ao amin'ny Fanjakana Anambra. Vokatry ny fibosasahana nateraky ny fanokafan'ny manampahefana kameroney ny tohodrano ao amin'ny reniranon'i Benue. Dibodrano ny ankamaroan'ny Fanjakana Lokoja Kogi fotoana andefasako ny sioka. Mampiseho ny mamparefo tanteraka ny fandraisana andraikitry ny fitantanan'i Buhari eo amin'ny lafiny politika ivelany.pic.twitter.com/6ALNnNz1mD

— Olaudah Equiano® (@RealOlaudah) 7 Oktôbra 2022

Manana anjara toerana lehibe ireo sary ireo amin'ny fanehoana ny habeny sy ny maha-laharam-pahamehana ireo fanamby momba ny tontolo iainana atrehan'ny firenena.

Tamin'ny alalan'ny haino aman-jery sosialy, nampiseho ny fanolorantenany ho amin'ny fitandroana ny tontolo iainana maharitra ihany koa ireo Nizeriana. Tsy tapaka ry zareo ny mamorona tenifototra mandritra ireo fanentanana, tahaka ny #GreenNigeria sy ny #pickthattrash, mba hanentanana sy hampiraisana hina ny olona ho amina  tanjona iray iraisana :

Tandremo rey olona a!
Fantatreo ve fa ny fiovaovan'ny toetrandro dia mandravarava ny famatsiana ara-tsakafo ao Nizeria, mitarika ny tsy fahampiana ara-tsakafo sy fiakaran'ny vidiny ?
Ndao isika hampiaka-peo sy hitaky asa hanoherana ny fiovaovan'ny toetrandro!#Vote4ClimateNG #GreenNigeria #election2023 #ClimateAction  pic.twitter.com/W1dtby9lX4

— Vote4ClimateNG (@Vote4ClimateNG) 16 Martsa 2023

Ankehitriny isika #mandroakaTyFakoTy @NESREANigeria biraon'ny faritra avaratra-andrefana, Kano Mbola tohanako hatrany ny @obyezeks amin'ity hetsika ity. misaotra anao Ma pic.twitter.com/NQ6Luxthvs

— Ibrahim (@ibmoha80) 3 May 2023

Fanampin'izany, lasa fitaovana tena ilain'ireo mpikatroka ho an'ny tontolo iainana ny media nomerika mba hanaparitahana vaovao mikasika ny asan'izy ireo sy ny fanamby ara-tontolo iainana ao Nizeria. Tamin'ny 2021, podcast iray avy amin'ny Arukah Network sy ny gazetiboky Footsteps an'ny Tearfund, mitondra ny lohateny hoe “Ahoana no fananganana vondrom-piarahamonina” no nandefa fizarana iray mifantoka amin'ny nataon'ireo tanora Nizeriana nahitàny fomba vaovao hamoronana orinasa amin'ny alalan'ny famahana ny olan'ny fako ao Nizeria. Navadik'ireo mpandraharaha ireo ho angovo azo avy amin'ny masoandro ny fako elektronika, ka manome hirika ara-toekarena sy vokatra miabo amin'ny tontolo iainana. Ao amin'ilay podcast, Oscar Danladi, mpikatroka iray ho an'ny tontolo iainana, mitarika ny Jos Green Centre ao afovoan'i Nizeria, no nizara vaovao mikasika ny ezaka ataon'ireo mpandraharaha ara-tontolo iainana sy ny iraka ataon'izy ireo hanentanana ny tanora Nizeriana hitandrina ny tontolo iainana eo am-pitadiavana asa sy eo am-pananganana ny orinasan-dry zareo.

Ao anatin'ireny fivoarana tsara ireny dia mbola mitohy ny fanamby hahatongavana amin'ny fahatsiarovantena ara-tontolo iainana miparitaka amin'ny rehetra ao Nizeria. Araka ny tatitra tamin'ny 2022 avy amin'ny National Technical Study Group, Fanjakana telo ihany no madio ara-tontolo iainana ao Nizeria – raha ampitahaina amin'ireo fito tamin'ny 2021. Asongadin'io tarehimarika ambany io ny filàna fampivelarana ny fahatsapana lalina ny fandraisana andraikitra sy ny fahatongavan-tsaina mikasika ireo fomba fanao maharitra eny anivon'ny olom-pirenena.

Na eo aza ny fisarihana mahery vaika ananan'ny media nomerika amin'ny famolavolana ny hevitry ny besinimaro dia mety tsy ho ampy ny fiantraikany hamahàna ny filàna maika amin'ny fitandroana maharitra ny tontolo iainana. Mbola marobe ny isanjaton'ireo Nizeriana manana fahafaha-miditra amin'ny media nomerika nefa tsy mahafantatra mikasika ny fiovaovana toetrandro, tahaka izay tsiahivin'ny fanadihadiana Afrobaromètre iray natao tamin'ny 2020. Na any amin'ny faritra an-tanàndehibe aza, izay miparitaka kokoa ny fampiasàna ny fampitam-baovao nomerika, mbola mijanona ho ambanimbany ihany ny tahan'ny fahatsiarovantena mikasika ny fiovaovan'ny toetrandro. Araka ny fanadihadiana natao tamin'ireo olon-dehibe Nizeriana 1.599, misy 65,4% no tsy naheno izay momba ny  fiovaovan'ny toetrandro. Ambonin'izany, na amin'ireo faritra an-tanàndehibe manana fidirana amin'ny media nomerika tsara kokoa aza dia 29,5 isan-jato monja ny taham-pahalalana momba ny fiovan'ny toetrandro. Ambonini'izay koa, manodidina ny 4,7% amin'ireo nandray anjara tamin'ilay fanadihadiana no tsy mahazo antoka tsara ny fahalalany ny fiovaovan'ny toetrandro, raha toa ka 0,4% kosa no nilaza tsy te-hahafantatra loatra momba izany.

Amin'ny sehatry ny media sosialy dia mety ho sarotra ny hahita lahatsoratra mifandraika amin'ny tontolo iainana lovainjafy anatin'ireo fitobaham-baovao isanandron'ny Nizeriana raha tsy mavitrika mitady azy ireny. Rehefa mitranga ny karazana hafatra tahàka izany, dia matetika tsy ireo mponina any Nizeria no mizara azy ireny. Miharihary ihany koa fa matetika ireo lahatsoratra mikasika ny tontolo iainana no tsy dia mahazo fianakalozankevitra mivantana, tahaka ny “tia” sy ny “fanehoankevitra”, mihoatra amin'ny votoaty hafa. Amin'ny ankapobeny, vitsy kokoa ny isan'ny mpamandrika azon'ireo fikambanana miresaka tontolo iainana ary eo ihany koa ny ny tsy fahampian'ny mpanentana mikasika ny tontolo iainana lovainjafy ao Nizeria. 

Ireo fanamarihana ireo dia manasongadina fa raha toa ny media nomerika mandray anjara amin'ny fanaparitahana vaovao mikasika ny tontolo iainana, dia mety tsy hiteraka fandraisana andraikitra na fanentanana sahaza  eny anivon'ny ankamaroan'ny Nizeriana izy ireny. Mba hisian'ny vokany misy lanjany kokoa, dia mila hamafisina amin'ny fomba mahomby ny fiantraika sy ny fisarihana ananan'ireo lahatsoratra mikasika ny  tontolo iainana lovainjafy eny amin'ireo sehatra fampahalalam-baovao nomerika. Fomba iray hahatongavana amin'izany ny fizaràna, tsy ny votoaty mampihetsipo fotsiny mikasika ny fanamby atrehan'ny tontolo iainana, fa ihany koa ny fampisehoana ny tantaram-pahombiazana amin'ny fandraisana andraikitra maharitra sy ny fiarahamiasa amin'ireo mpitarikevitra mba hampahafantatra ireo  fomba fanao manaja ny tontolo iainana. Amin'ny alalan'ny fampiasana media nomerika amin'izany fomba izany, afaka atao ny manainga fanahy hisian'ny fiovan'ny fitondratena tsara, mamporisika ny fiarahamonina miahy kokoa ny tontolo iainana. Ankoatra izany, ny fahatsiarovan-tena atosiky ny media nomerika dia tokony ho hita amin'ny alàlan'ny fiovana azo tsapain-tanana amin'ny politika izay manao ho laharam-pahamehana sy manohana ny tontolo iainana lovainjafy. Zava-dehibe ny famporisihana ireo Nizeriana hanao safidy tsara eo amin'ny fiainany andavanandro isambatan'olona, izay mandray anjara amin'ny hoavy maitso sy maharitra kokoa ho an'ny firenena. Amin'ny alalan'ny fampifangaroana ny fahafahan'ny media nomerika manaitra ny saina sy ny hetsika iombonan'ny tsirairay, dia afaka mivoatra mankany amin'ny firenena maharitra sy mandray andraikitra kokoa ara-tontolo iainana i Nizeria.

Ny fampiasana mahomby ny media nomerika dia mety hiteraka fisarihana izay afaka hitarika hankamin'ny fiovana fitondrantena ary hanetsika fiaraha-mientana mankany amin'ny firenena maharitra kokoa eo amin'ny lafiny tontolo iainana. Raha mbola manohy mampiasa media nomerika ireo Nizeriana mba hizaràna ny traikefany sy hanaovana adisisika ho an'ny fiovana, dia mila ezaka fiarahamiasa kosa ny fampandrosoana ny tontolo iainana lovainjafy. Tsy maintsy miray hina reo mpanapa-kevitra ara-politika, ny orinasa, ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena ary ireo olontsotra mba hamolavola paikady sy fandraisana andraikitra matanjaka izay mampiroborobo ny fomba amam-panao manaja ny tontolo iainana sy miatrika ireo fanamby ara-tontolo iainana. Tsy misy afatsy ny karazana hetsika iombonana toy izany ihany no hahafahan'i Nizeria mizotra mankany amin'ny hoavy maitso sy maharitra kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.