Na dia eo aza ny maha-firenena be mponina indrindra an'i Nizeria ao Afrika, izay manana mponina 200 tapitrisa mahery, ary vehivavy ny 49.46 isan-jaton‘ny mponina araka ny filazan'ny Banky Iraisampirenena, dia mbola ambany loatra ny fisoloan-tenan'ny vehivavy eo amin'ny politika.
Raha manana zo mitovy mifidy sy mifaninana amin'ny fifidianana tahaka ny lehilahy aza ny vehivavy, dia tsy nampiharina ho amin'ny fisolontena ampy ho an'ny vehivavy amin'ny politika ao Nizeria ireo zo ireo. Araka ny tatitry ny Tondro ara-pitantanana sy ny Fitovian-jon'ny Lahy sy Vavy 2022 (2022 Gender Equality and Governance Index report), toerana 8 amin'ny 109 monja ao amin'ny Antenimieran-doholona ary toerana 21 amin'ny 360 ao amin'ny Antenimieram-pirenena no ahitana vehivavy Nizeriana. Nitatitra ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (INEC) fa manodidina ny 44 tapitrisa ny vehivavy, na 48 isanjaton'ny mpifidy voasoratra anarana, nandray anjara tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2023. Na izany aza, manasongadina ireo fanamby sy sakana atrehin'ny vehivavy mpifidy, mpikatroka ary kandidà ny vokatra sy ny tranga mampalahelo niseho nandritra ny fifidianana ankapobeny 2023.
Ny fitongilanana amin'ny lehilahy ao amin'ny parlemanta
Manohintohina ny fandrosoana ny fitongilanan'ny parlemanta Nizeriana amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny hetsika fijoroana. Parlemantan'ny marolahy nanohitra hatrany izay lalàna mikatsaka zo mitovy ho an'ny vehivavy, nandatsa-bato hanohitra ireo volavolan-dalàna samihafa mikendry hampihatra hetsika maneho fijoroan'ny vehivavy. Ity misy sioka avy amin'ny parlemanta Nizeriana manaisotra ny fanapahan-keviny mikasika ny volavolan-dalàna momba ny miralenta:
Breaking:
Constitution Review: @HouseNGR rescinds decisons on three women-related bills for re-consideration. They are the bills on citizenship, indigenship and 35% affirmative action for women.— House of Reps NGR (@HouseNGR) March 8, 2022
Vaovao mafana:
Fandinihana ny Lalàmpanorenana: manafoana ny fanapahan-kevitra momba ny volavolan-dalàna telo mifandraika amin'ny vehivavy mba hodinihina indray ny @HouseNGR. Volavolan-dalàna momba ny zom-pirenena, ny maha-vazimba ary ny hetsika 35%-n'ny fijoroan'ny vehivavy.
Ho setrin'ireo fanapahan-kevitra ireo, dia nidina an-dalambe ny vehivavy manerana ny firenena mba hanao fihetsiketsehana ary nanentana ny Antenimieram-pirenena mba handinika indray ireo volavolan-dalàna ireo.
Fanafihana matetika ny vehivavy
Sakana lehibe amin'ny fandrosoan'ny fandraisan'ny vehivavy anjara ara-politika ny fihanaky ny fandrahonana, ny fanorisorenana, ny fampijaliana an-jotra ary ny fanafihana ara-batana amin'ny vehivavy mpanao politika, sy amin'ny mpifidy koa. Nokaravasiana ampahibemaso, noharatana tamin'ny vaki-tavoahangy ny volony ary nogadraina in-16 i Hajia Gambo Sawaba, vehivavy mpanao politika nogadraina foana teo amin'ny tantaran'i Nizeria, .
Nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ny Antenimieram-pirenena tany Nizeria tamin'ny taona 2023, vehivavy maro — na ny mpifidy na mpitondra politika — no lasa lasibatry ny herisetra. Ohatra, nisy naka an-keriny i Hon Na’anyil Magdalene Dakogol, kandidan'ny All Progressives Congress (APC) ao amin'ny fari-piadidian'i Plateau ao amin'ny Fanjakana Qua'an Pan South, tamin'ny andro nanaovan'ny antokony ny fifidianana anatiny voalohany. Tamin'ny tranga iray hafa, vehivavy iray no notafihan'ny jiolahimboto politika nirongo tavoahangy raha teo am-pilaharana handatsa-bato tao amin'ny biraom-pifidianana tao amin'ny faritr'i Surulere ao amin'ny Fanjakan'i Lagos. Tamin’ny tranga iray hafa, nisy vehivavy iray voatery nandositra ny tranony noho ny fanafihana ny tanànany. Ny zavatra niainana nandratra saina nihatra tamin'ireo vehivavy ireo sy ny hafa no nitarika ho amin'ny fahaverezan'ny fahalianana amin'ny fifidianana sy ny firotsahana politika.
Finoana ara-kolontsaina sy ara-tsosialy
Nilaza tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny resadresaka an-telefônina i Sheba Kura, mpitarika ara-politikan'ny vehivavy teo aloha tao amin'ny Kongresin'ny Fanovana Miandalana (Congress for Progressive Change) (CPC) ao amin'ny Fanjakan'i Kaduna, avaratr'i Nizeria, fa matetika ny adidy ara-panambadiana no mametra ny fandraisana anjara mavitriky ny vehivavy amin'ny politika satria maro ny fivoriana ara-politika atao amin'ny alina, ankoatra ny fanamby hafa:
I probably wouldn’t be a politician if I was married. Sometimes, political meetings are scheduled for 11:00 p.m. or 12:00 a.m. For married women, some of their husbands won’t allow that. Also, when it’s time for campaigns, they will use women to campaign for them but after they win, they will dump women. When you go to polling units, a lot of voters are women but when it comes to working with women or giving women appointments after elections, they don’t want to work with us.
Mety tsy ho mpanao politika aho raha manambady. Indraindray, amin’ny 11 ora alina ny fivoriana ara-politika na amin’ny 12:00 atoandro. Ho an’ny vehivavy manambady, tsy mamela izany ny sasany amin’ny vadiny. Ary koa, rehefa tonga ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra, dia hampiasa vehivavy hanao fampielezan-kevitra ho azy ry zareo ary rehefa mandresy dia hanary ny vehivavy. Rehefa mandeha any amin’ny birao fandatsaham-bato ianao, dia betsaka ny vehivavy mpifidy fa raha resaka fiaraha-miasa amin’ny vehivavy na fanendrena vehivavy aorian’ny fifidianana, dia tsy te hiara-hiasa aminay izy ireo.
Raha niresaka momba ny sakana atrehin'ireo vehivavy mpanao politika tao amin'ny sehatra Twitter mitondra ny lohateny hoe “Kandidà Politika Vehivavy Miaraka amin'ny SPPG” tamin'ny 13 Aogositra 2022, dia nilaza i Khadijah Abdullahi-Iya, kandidà ho governora ao amin'ny All Progressives Grand Alliance (APGA) ao amin'ny Fanjakana Niger hoe:
One of my sisters-in-law told me that the (opposing) APC gubernatorial candidate is like my husband’s family. They are related. You cannot be part of that family and want to run against him.
Nilaza tamiko ny iray tamin'ireo zaobaviko fa ny kandidà ho governoran'ny APC (mifanohitra) dia toy ny fianakavian'ny vadiko. Mifandray izy ireo. Tsy afaka ny ho anisan'io fianakaviana io ianao ka hifaninanana aminy.
Lafo be ny fanentanam-pifidianana
Sakana lehibe amin'ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny politika ao Nizeria ihany koa ny halafosan'ny fanentanam-pifidianana. Mampiseho ny tatitry ny Tondro momba ny Fitantanana sy ny Fitovian-jo eo amin'ny lahy sy vavy 2022 fa lasa lafo be tsy takatra ny fanentanam-pifidianana ara-politika, ka miteraka fahavoazana lehibe ho an'ny vehivavy. Matetika manakana ny vehivavy tsy hiditra amin'ny rafitra fanohanana ara-bola mitovy amin'ny lehilahy ny tsy fitoviana ara-toekarena. Na dia eo aza ny fanantenana fa hanakana ny fandaniana amin'ny fampielezan-kevitra ny fanitsiana vao haingana ny Lalàna momba ny Fifidianana Nizeriana, dia nitombo kosa ny saran'ny fanentanam-pifidianana. Vokatr'izany, vao mainka nametra ny vondron'ny vehivavy efa vitsy izay afaka mirotsaka hofidiana io fitomboana io ary nanampy tamin'ny fanakambanana ny tontolo ara-politika.
Manasongadina ihany koa ny fitomboan'ny fanamby ara-bola atrehin'ny vehivavy, miaraka amin'ny saran'ny fanentanam-pifidianana izay mahatratra taha tsy mbola nisy toy izany tato anatin'ny taona vitsivitsy izay ny tatitry ny Carnegie Endowment for International Peace. Mampiraikitra ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy, mametra ny fisoloan-tenan'ny vehivavy amin'ny politika ary manohintohina ny fahafahany mandray anjara mavitrika amin'ny fanapahan-kevitra ity sakana ara-bola ity.
Raha niresaka momba ny sakana atrehin'ireo mpanao politika vehivavy tao amin'ny sehatra Twitter mitondra ny lohateny hoe “Vehivavy Kandidà Politika Miaraka amin'ny SPPG” tamin'ny 13 Aogositra 2022, nanamarika i Ier Jonathan-Ichaver, kandidàn'ny Kongresy Demokratika Afrikana (ADC) ho an'ny Antenimieran-doholona ao amin'ny faritra Kwande-Ushongo:
Of course the other big challenge for many people is funding. So when we were even talking to people, we see for example the prices of tickets when you want to run for a particular position. We saw for example one of the parties it was 100 million for presidency and so on and so forth.
Mazava ho azy fa ny famatsiam-bola no fanamby lehibe hafa ho an'ny olona maro. Ka rehefa niresaka tamin'olona aza izahay, dia mahita, ohatra ny vidin'ny tapakila rehefa te hirotsaka amin'ny toerana iray. Hitanay koa ohatra ny antoko iray izay 100 tapitrisa ny ho filoham-pirenena sy ny sisa.
Tombontsoan'ny vehivavy eo amin'ny politika
Miharihary ny tombotsoan'ny fisoloan-tenan'ny vehivavy amin'ny politika Nizeriana, araka ny tatitry ny Tondro momba ny Fitantanana sy ny Fitovian-jo eo amin'ny lahy sy vavy 2022. Mampiseho ny tatitra fa ireo firenena manana ambaratonga ambony kokoa amin'ny fisoloantenan'ny vehivavy, toa an'i Frantsa, Soeda, Afrika Atsimo, ary Rwanda, dia mirona amin'ny fanaovana politika mitsinjo fianakaviana sy ireo karazam-panaovan-dalàna maro. Mampiroborobo ny rariny, ny mangarahara ary ny tsy fitanilana ny vehivavy ary manao ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ny serivisy omena. Matetika izy ireo no manolotra fanavaozana ara-drafitra izay mamaha ny tsy fitoviana, manome harato fiarovana ara-tsosialy, ary manampy amin'ny fahatezan'ny sosialy sy ny toekarena bebe kokoa. Fanampin'izany, nanambara ny tatitra fa notondroin'ny fanadihadiana ny fifandraisana tsara eo amin'ny ambaratonga ambony amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, ny fandraisan'ny vehivavy anjara ara-politika, ary ny fitantanana ankapobeny tsara kokoa, ary ambany kokoa ny kolikoly. Raha ampitahaina, ambany laharana i Nizeria amin'ny fisoloantenan'ny vehivavy ao amin'ny parlemanta sy amin'ny ady amin'ny kolikoly. Na izany aza, amin'ny alàlan'ny fampiharana ny fisoloantena iraisana kokoa, dia mahavita miatrika ireo fanamby ireo i Nizeria ary mamporisika ny fiarahamonina iraisana sy mahazo hery kokoa. Ny fisoloantenan'ny vehivavy eo amin'ny politika dia mitana ny fampanantenana ny hampiroboroboana ny politikan'ny fampiraisana, ny fomba fijery isan-karazany, ary ny fitovian'ny lahy sy ny vavy no sady manome aingam-panahy ho an'ny taranaka vehivavy mpitarika hoavy.
Zava-dehibe amin'ny fanatrarana ny tena fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny fitantanana iraisan'ny rehetra ny fiatrehana ireo sakana amin'ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny politika Nizeriana. Manakana ny fivoaran'ny vehivavy amin'ny politika Nizeriana ny fanoherana ataon'ny parlemanta anjakan'ny lehilahy, ny fanafihana matetika ny vehivavy, ny finoana ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina, ary ny halafosan'ny fanentanam-pifidianana. Ilaina ny fanavaozana mba hampiroboroboana ny lalàna momba ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, hiarovana ny vehivavy amin'ny herisetra, hanoherana ny fomba nentim-paharazana, ary hanome fanohanana ara-bola ho an'ireo vehivavy maniry hanao politika. Amin'ny alàlan'ny famoronana tontolo iainana manome lanja sy manohana ny fandraisana anjara mavitriky ny vehivavy amin'ny politika, afaka mitrandraka ny fahaiza-manaon'ny mponina isan-karazany sy miantoka ny demokrasia ara-drariny sy voasolon-tena kokoa i Nizeria.