Nivoaka ny sisintanin'i Torkia ny fanahian'i Filoha Erdoğan tafahoatra momba ny fiterahana

 

Sarin'i Alex Hockett. Azo ampiasaina maimaim-poana amin'ny Lisansa Unsplash.

Nandritra ny fitsidihany farany indrindra tany Azerbaijan, nampirisihan'ny filoha Tiorka Erdoğan Recep Tayyip ny Azerbaijanita, ny filoha Ilham Aliyev, mba hampiroborobo ny tahan'ny fiterahana ao amin'ny firenena, ka farafahakeliny zaza miisa dimy isaky ny fianakaviana no ateraka. Hahatonga an'i Azerbaijan ho “matanjaka kokoa” izany, hoy ny filoha Erdoğan. Hoy izy: “Aty Torkia, tsy maintsy manan-janaka telo farafahakeliny ny fianakaviana iray hoy aho. Ary zaza dimy farafahakeliny ho an'i Azerbaijan isaky ny fianakaviana hoy aho. Mety ho matanjaka kokoa i Azerbaijan raha mahavita izany. Manova ny modely momba ny hoavin’ny firenena ny mponina.” Namaly tamim-pihomehezana ny Filoha Aliyev hoe: “Hiezaka izahay,” na dia tsy ny Azerbaijani rehetra aza no nientanentana tamin'ilay tolo-kevitra .

Ny vidim-piainana sy ny fikarakarana zaza

“350 manats (USD 205] isam-bolana ny karama azonay. Mihevitra ve ianao fa afaka mamelona zaza dimy [amin'io vola io]? Tsia, sarotra izany,” hoy ny mponina iray ao Baku tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Radio Azadliq, mpamatsy tolotra ao Azerbaijan ho an’ny Radio Liberty. “Miady mafy ny olona mitantana ny volany amin'ny zaza roa – koa ahoana no ahafahan'izy ireo mamelona zaza dimy?!” hoy ny mponina iray niantsafa tamin'ny onjam-peo.

Hafa anefa ny fiheveran’ny fanjakana. Nilaza ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta, Fazil Mustafa, raha niresaka tamin'ny Radio Azadliq hoe: “Tsy maintsy mametraka fandaharan'asam-panjakana isika. Firenena tandindonin-doza amin’ny ady isika. Ilaina ny faharanitan-tsaina. Nandrisika ity resaka ity fotsiny ny zavatra nolazain'ny [Filoha] Erdoğan. Tsy tokony atahorana ny fomba hamelomany ireo ankizy ireo. Adidinay izany – mila manohana izahay, ary tsy maintsy manampy ny fanjakana. ”

Amin’izao fotoana izao, ny reny manan-janaka dimy na mihoatra ihany no mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana. Tamin'ny 1 Janoary 2023, nanome 105 AZN (61 dolara amerikana) isaky ny ankizy ny fanjakana. Saingy ambany noho ny kely indrindra azo leferina izany. Araka ny filazan'ny mpahay toekarena Nazim Baydamirli, 220 AZN (USD 129) ny karama farany ambany indrindra hamelomana zaza iray isam-bolana amin'ity taona 2023 ity. Ao anatin'izany toe-javatra izany, tokony hanana fidiram-bola farafahakeliny 1600 AZN (941 USD) ny ray aman-dreny mba hahafahan'ny mamelona fianakaviana misy zaza dimy, ary tsy mbola tafiditra ao anatin'izany izany vola izany ny fandaniana amin’ny zavatra ilaina, ny fanabeazana ary ny fitsaboana, hoy ny fanazavan'ilay mpahay toekarena tamin’ny antsafa nifanaovana tamin'ny Radio Azadliq.

Maherin'ny folo tapitrisa ny mponina ao amin'ny firenena araka ny torohay mampiseho ny antontanisam-panjakana farany indrindra. Amin'ireo dia 1,7 tapitrisa no manana asa ofisialy. Nilaza ny mpahay toekarena fa mandray karama 450 AZN (USD 264) isam-bolana ny antsasaky ny mponina manana asa ofisialy amin'ny ankapobeny. Ary araka ny torohay ofisialy, 900 AZN (USD 529) isam-bolana ny tahan-karama ankapobeny any Azerbaijan. Araka ny voalazan'i Baydamirli, tsy azo tanterahana ny mamelona zaza dimy amin'io karama io.

Niteraka resabe be tamin'ny sehatra media sosialy ihany koa ny fanamarihan'ny filoha Erdoğan. Nivadika ho vazivazy ny an’ny sasany, toy ny an’ilay mpampianatra iray avy any Ordubad izay nanokana tononkalo amin'ny fanamarihan'i Erdoğan. Tamin'ny lahatsary iray navoaka tao amin'ny TikTok, nanonona tamim-pifaliana ilay tononkalo ity mpampianatra ity, izay nanontaniany hoe: “Erdoğan, tompoko, ahoana no hevitrao hiterahanay zaza dimy? Heverinao mihinana fasika sy tany fotsiny ve ny zaza, ry rahalahy? Ho zava-dehibe lesy raha mahazo vola ho an'ny ankizy tsirairay izahay. Tsy dimy no hataonay lesy fa dimy ambin’ny folo amin’izay. Miady mafy lesy ny olona mba hamelomana zaza iray!”

Nanoratra tao amin'ny Facebook ilay mpanoratra Azerbaijani Gunel Movlud , “Na ny segondrako aza dia feno, mainka moa ny minitra, nandritra ny roa herinandro farany. Mifoha amin’ny 6 maraina aho ary manisy akondro roa na telo ao anaty kitapoko, mba tsy ho lany andro amin’ny fisakafoanana aho. Avy eo dia misy ny programa fialantsasatra miaraka amin'ny ankizy, ny asako manokana, ny fandikan-teny ataoko, ary ny fampianarana amin'ny hariva. Tsy fantatro tsara hoe haharitra hafiriana izany. Ary i Erdoğan anefa miteny hoe: ‘Manàna zanaka dimy.’

“Hanonitra ny vola ho lany amin'ireo ankizy ireo ve i Erdoğan?” hoy ny mpisera Facebook iray hafa.

“Mampihomehy fa lehilahy roa no miady hevitra momba izany,” hoy ilay feminista mpikatroka Narmin Shahmarzade tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny HamamTimes. “Izany no tadiavin'ny fanjakazakan-dehilahy, satria izy no mihevitra ny vatan'ny vehivavy ho toy ny milina fiterahana,” hoy ilay mpikatroka tamin'ny sehatra media an-jotra malaza.

Teo aloha, nilaza tamin'ireo Tiorka monina any ivelany ny filoha Erdoğan mba hanan-janaka dimy farafahakeliny mba hanoherana ny “tsy rariny ataon'i Eoropa.”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.