Aïssatou Fofana, ivoariàna mpanao gazety mpanadihady mahay manokana ny tontolo iainana, mizara amin'ny Global Voices ny fahalinany sy ny fanamby atrehany amin'ny asany.
Faha-54 amina firenena miisa 180 ao anatin'ny fanomezana laharana erantany 2023 avy amin'ny Reporters Sans Frontières (RSF) i Côte d'Ivoire. Midika fihemorana toerana 17 izany, raha ampitahaina amin'ny filaharany tamin'ny 2022 izay nahazoany ny laharana faha-37. Ao amin'ny firenen'i Alassane Dramane Ouattara, filohan'i Côte d'Ivoire hatramin'ny .
Eny tokoa, matetika ireo Ivoariàna mpanao gazety no miatrika fampiantsoana ho any amin'ny mpitandro filaminana, ary ny hafa tsy maintsy miseho eny anatrehan'ny fitsaràna ao amin'ny firenena. Saingy misy sokajy iray voadona manokana: ireo mpanao gazety mpanadihady izay mazàna no iharan'ny fandrahonana, fandemena na fisamborana mihitsy amin'ny fanatanterahana ny asan-dry zareo, toy izay nanjo an'i Noël Konan tamin'ny Jolay 2022, nosamborina fa hoe nanàla baraka ary nohelohina handoa lamandy 4.600 dôlara amerikàna noho ny resaka bitsika iray monja.
Na eo aza ireny ambana rehetra ireny, ny asa fanaovana gazety fanadihadiana no sehatra ankafizin'i Aïssatou Fofana. Vehivavy mpanao gazety manana fahaizana manokana momba ny resaka ekôlôjia, manam-piadiana maro izy eny an-tànany. Mpanorina ny media “lecologiste”, media iray manaraka lohahevitra firotsahana an-tsehatra mba hanatsaràna ny torohay momba ny tontolo iainana, nahazo ihany koa izy famatsiambola ho an'ny media tamin'ny 2022 avy amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, izay nahazoany fiofanana avy amin'ny tambajotran'ireo mpanao gazety sy manampahaizana avy ao amin'ny tanibe. Aïssatou dia mpanampy ihany koa ny mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny Global Investigative Journalism Network (GIJN Afrique).
Raha nihaona tamin'ny Global Voices tao Lomé, nanàla sarona momba ny zotra nodiaviny izy. Nasiam-panovàna ny tafa, teo amin'ny endrika sy ny halavany.
Jean Sovon (JS) : Ahoana no nahaterahan'ity fahalinanao ho amin'ny asa fanaovana gazety ity?
Aïssatou Fofana (AF) : Tsara tantana aho fony aho nanomboka ny asa fanaovana gazety tamin'ny 2014. Nandritra ny fandrakofana hetsika iray, nisy mpialoha làlana iray (olona iray nanomboka ilay asa talohako ary nanana traikefa an-taona maro) niresaka tamiko momba ny fikambanan'ireo mpanao gazety sy ireo matianina amin'ny media izay mivondrona anaty fikambanana iray mikirakira ny resaka momba ny rano, ny fahadiovana ary ny tontolo iainana. Araka izany dia nanapaka hevitra aho ny hiditra tao anatin'io tambajotra io, izay amin'ny alàlany no hahafahako hanoratra momba ireo olana mifandraika amin'ny tontolo iainana. Nandray anjara aho tamina hetsika fanentanana, izay nanome hevitra ahy momba izay hosoratana. Teny am-pandehanana teny, afaka ihany koa aho namorona bilaogy momba ny tontolo iainana izay mbola notohizako ny fanoratana ao, ary ankehitriny aho lasa manampahaziana manokana momba ireny resaka ireny.
JS : Ianao dia iray amin'ireo vehivavy vitsivitsy manokan-tena ho an'ny tontolo iainana ao amin'ny firenenao. Inona no nanosika io fanolorantena io? Inona no zavatra nisongadina manokana?
AF : Tsy resaka zavatra nisongadina io fa zavatra voamarika: efa ho feno folo taona izao aho no tao anatin'io sehatra io. Nandritra izany, tsy nahita teto Côte d’Ivoire aho media nanokan-tena ho amin'ireny olana ireny. Rehefa misy hetsika goavana monja vao mikira azy ireny ireo media efa misy, toy ny Conférences des Parties (COP), ohatra, na hetsika iray mifandraika amin'ny karazam-piainana. Tsy mikira resaka momba ny tontolo iainana ry zareo satria, ho azy ireo, tsy mampidi-bola izany. Niainga avy amin'izany ny zavatra voamariko ary dia niteny anakampo aho hoe, maninona moa raha mandranto fahaizana manokana aho ary miezaka mampahafantatra misimisy kokoa ny vahoaka momba ireny olana ireny. Niaraka tamin'ny mpiaramiasa iray izay manampahaizana amin'ireny resaka ireny, nanapaka hevitra izahay ny hamorona ny media “lecologiste” mba hanatsaràna indrindra indrindra ny torohay momba ny tontolo iainana, sy hanomezana azy lanja, velarana ary mpihaino bebe kokoa.
JS : Ahoana no fisehon'ny media-nareo amin'izao fotoana izao?
AF : Efa hatramin'ny Aprily 2022 no nisy ilay media, mbola tanora mihitsy araka izany. Nefa azo lazaina fa misarika fahalinana sahady satria ny lecologiste dia voafantina handray anjara amin'ny fandaharanasa Terra Africa an'ny Cfi Média & développement, fandaharanasa maharitra taona roa ary manome fahafahana ho ana mpanao gazety roa hanaraka fiofànana momba ireo olana mifandraika amin'ny tontolo iainana. Hirika goavana ho anay io. Koa satria izahay manokan-tena ho amin'ny fitsirihana ny zavamisy, ny asa fanaovana gazety fizahàna vahaolana ary ny asa fanaovana gazety fanadihadiana, izahay tsy voatery hikirakira ireo tena olana fa isisihanay kokoa ny momba ny kalitaon'ny lahatsoratray. Izany hoe, tsy handeha hamoaka lahatsoratra marobe isambolana mba hamoronana votoaty. Tena tianay ny lahatsoratray mba ho tena fitaratry ny hafatra tiana hiampita. Mandeha miadana saingy azo antoka!
JS : Inona ireo fanamby atrehanao amin'ny maha-vehivavy mpanao gazety momba ny tontolo iainana?
AF: Amin'ny ankapobeny, mifantoka kokoa amin'ny pôlitika, fanatanjahantena ary kolontsaina ireo mpanao gazety. Fa zara raha misy resaka tontolo iainana. Ny fanambiko dia ny hanao izay hahitàna kokoa ny resaka tontolo iainana satria zavamisy iray tena iainan'ny rehetra io. Manana ny anjara andraikiny ao anatin'io ady amin'ny fiovàn'ny toetrandro sy fiarovana ny tontolo iainana io ny media sy ny mpanao gazety.
Tsy maintsy mahay mivoatra miaraka amin'ny fotoana, notazoniko tao an-tsaiko foana izany. Azoko atao ny nionona ho mpanao gazety an-taratasy tsotra fotsiny, saingy taorian'ny nitodihako ho amin'ny asa fanaovana gazety an-tambajotra, sy ny taoriana, dia mbola nampiana-tena aho mba ho lasa mpanao gazety mpanadihady satria tiako ny hivoatra mandrakariva ao anatin'ny sehatra misy ahy, mahazo traikefa sy fahaizamanao misimisy kokoa. Miaraka amin'ny fanaovana gazety fanadihadiana, dia hoy aho anakampo hoe azoko atao ny manome lanja bebe kokoa sy dikany bebe kokoa ny zavatra soratako. Mampiasa ireo fahalalàna siantifika mba hanohanana izay lazaiko.
JS : Inona avy ireo fahasahiranana sedraina amin'ny maha-mpanao gazety fanadihadiana? Fandemena ve? Fandrahonana? Fanalàna baràka?
AF : Tsy nisedra fandrahonana na fanalàna baràka aho, fa any amin'ny fikarohana vaovao no misy kokoa ny fahasahiranana. Rehefa manadihady, indraindray miatrika mpisehatra tsy voatery hamaly mihitsy. Mety haharitra am-bolana maro izany. Indraindray , mandra-pamoaka ny lahatsoratra momba ilay fanadihadiana, tsy mahita rirany mihitsy.
JS : Ahoana no ataonao hialàna amin'ireny toedraharaha mibahana ny asanao ireny?
AF : Amin'ny ankapobeny, eto Côte d’Ivoire, misy ny Vaomiera misahana ny fahazoana vaovao ho an'ny tombontsoan'ny daholobe sy ireo antontan-taratasim-panjakàna – Commission d'Accès à l'Information d'Intérêt Public et aux Documents Publics (CAIDP), fikambanana iray manampy ireo mpanao gazety sy ny olompirenena rehetra maniry ny hahazo torohay sasantsasany nefa misedra fandàvana na sakantsakana. Afaka manampy anao io fikambanana io mba hahazoana azy ireny. Fa eo amin'ny fanatanterahana azy, tsy dia izay loatra satria anatina tranga sansantsasany, azo idirana ireo torohay/vaovao, fa amin'ny tranga hafa kosa dia tsia. Ao anatin'io tarehin-javatra io, marihanay ao anaty lahatsoratra ny hoe “teo am-panaovana ny fanadihadiana, nandefa imailaka izahay na nifandray tamin'ny mpisehatra izatsy sy zaroa, saingy tsy nahazo valiny”. Dia avelanay ho ny mpamaky no hitsara.
JS : Inona no ho ambaranao ho an'ireo tanora vehivavy mandray anao ho toy ny ohatra?
AF : Ny torohevitro ho an'ireo tanora vavy, mametraha tanjona dia ifikiro. Miasà mba hahatanteraka ireo tanjonao ary milofosa satria ho avy ny fotoana tena hahasarotra izany. Mety ho voasarika mihitsy aza hiala an-daharana na hanova tsotra izao ny làlan-kizorana sy ny asa. Saingy rehefa tiana sy mazoto ary manana hevitra mazava momba izay tadiavina, dia miroso tsy miherikerika. Izany no ahafahako miroso na misy aza ny fahasahirànana.
JS : Inona no tetikasanao vaovao?
AF : Tohizako hatrany ny ho tsara kokoa. Tsy mihevitra ny ho efa manampahaizana manokana amin'ilay resaka aho, Mbola maro no tokony hianarako. Ao anatin'ny fotoana maharitra, tiako ny “lecologiste” ho apetraka amin'ny toerana maha-media tena manokan-tena tanteraka amin'ny resaka tontolo iainana ary ekena eo amin'ny sehatra nasiônaly sy manerantany.