Ahiana amin'ny fanafihana tamin'ny entona nanjo ireo tovovavy mpianatra ao Iràna ny Fanjakana

Tovovavy mpianatra ao amin'ny moskea Jameh Mosque- Yazd, Irana. Sary an'i Stefano Vigorelli, 2014, nampiasaina nahazoana alalana tamin'ny CC BY-SA 4.0

Nitohy efa ho herintaona izao ny revolisionim-behivavy ao Irana, nahazo vahana taorian'ny famonoana tamin'ny fomba feno habibiana an'i Jina Mahsa Jina Amini, vehivavy Kiorda 21 taona tamin'ny Septambra 2022. Lasa ny goavana indrindra sy hetsika tena mahery vaika hanoherana ny Repoblika Islamika teo amin'ny tantaran'i Irana ireo hetsi-panoherana ireo, nitarika fitokonana ankapobeny niely patrana sy hetsika tsy fankatoavan'ny sivily.

Niatrika adin-tsaina lehibe ny fitondrana ary namaly tamina andiana famoretana sy herisetra mifanandrify amin'ny hamafin'ireo fihetsiketsehana. Niteraka savorovoro sy horohoro ary fandrahonana manerana ny firenena ny zava-nitranga vao tsy ela akory ny famonoana tamin'ny entona ireo tovovavy mpianatra. Ny fanehoankevitry ny fitondrana, narahin'ny fanoherana tsy nitsahatra nataon'ny vahoaka dia nahatonga ny maro hino fa ho kely sisa ny andron'ny fitondrana

Fanapoizinana tovovavy mpianatra tamina entona mahafaty

Mpianatra tao amin'ny anjerimanontolon'i Allameh Tabataba nanao fanoherana noho ny fanapoizinana faobe an'ireo tovovavy Iraniana mpianatra, tamin'ny 27 Febroary 2023. Avy tamin'ny Student News Agency. Nampiasaina teo ambanin'ny fahazoandalana CC BY 4.0.

Mitaky fanadihadiana lalina ny fanafihana an'ireo tovovavy Iraniana mpianatra, anisan'izany ny fijerena ny andraikitra goavana notànan'ireo vehivavy sy tovovavy tanatin'ireo fihetsiketsehana vao haingana. Anisan'ny antony nikendren'ny fitondrana manokana an'ireo tovovavy sy vehivavy ankehitriny.

Nitatitra ny fikambanana Iraniana mpiaro ny zon'olombelona fa tovovavy mpianatra maherin'ny 7 000 no niharan'ny fanafihana faobe tamin'ny entona izay nanenika ny sekoly tao Irana. Ireo fanafihana ireo, izay nanomboka tamin'ny Novambra tamin'ny taon-dasa, dia heverina fa nitranga tany amina sekoly 99 farafahakeliny sy tamin'ireo faritany 28 ao amin'ny firenena. Hatreto, fanafihana tsy latsaky ny 81 no voarakitra tao anatin'ny andro iray monja.     

Araka ny tatitry ny CNN dia nandraman'ny manam-pahefana ny nampangiana ilay fanafihana amin'ny entona. Tonga hatrany amin'ny fanomezan-tsiny an'ireo mpianatra ho nanapoizina ny tenany ihany ny minisitry ny Fanabeazana, raha toa ny Minisitry ny Fahasalamana nanamafy kosa fa amin'ny 95% n'ireo tranga nisy, ny soritr'aretina dia vokatry ny olana ara-tsaina sy aretin-tsaina fa tsy fanafihana tamin'ny entona”.

Nitarika hatezerana faobe sy fanoherana avy tamin'ny fianakavian'ireo tovovavy mpianatra ny tsy firaharahian'ny governemanta, izay nanosika ny fitondrana “hamantatra sy hisambotra” ireo an-jatony voalaza ho nanao izany, nanilika ny tsiny ho any amin'ny mpanohitra.

Na izany aza anefa, ny fisian'ireny fanafihana ireny hatramin'ny taona lasa, ny fahalehibeazany sy ny fiparitahany, ary koa ireo fepetra hentitra ho fiarovana an'ireo sekoly ao amin'ny firenena, dia manome hevitra fa ny fitondrana no mety ho anisany na niray tsikombakomba tamin'ireny trangan-javatra ireny.

Nametraka ahiahy ireo manam-pahaizana avy amin'ny ONU mikasika ny tsy fahaizana mibaribarin'ny fitondrana hamantatra sy hisambotra ireo tomponandraikitra tamin'ireo fanafihana goavana sy voarindra nikendrena ireo tovovavy tao Irana, mifanohitra tanteraka amin'ny hetsika haingana ataon'izy ireo hanenjhana ny mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana, mahatonga hihevitra ny mahavoarohirohy ny fitondrana.
Hoy ny fanambaràna iray avy amin'ny biraon'ny Kaomisiôna AMbony misahana ny Zon'Olombelna ao ami'ny Firenena Mikambana (OHCHR)  :

Atahoranay ho narindra hanasaziana ireo tovovavy izy ireny noho ny fandraisany anjara tamin'ilay fihetsiketsehana – Vehivavy, Fiainana, Fahalalahana, ary noho ny nanehoan-dry zareo ny fanoheran'izy ireo ny tsy maintsy hitafiana hijab sy ny nitenenan'izy ireo ny fitakiana ny fitoviana.   

Fanavakavahana lahy sy vavy ao Irana

Vehivavy eo amin'ny kianjan'ny tanàndehibe iray ao Irana. Sary an'olona tsy mitonona anarana. Wikimedia Commons teo ambanin'ny fahazoandàlana CC0 1.0 Universal , sehatra ho an'ny daholobe

Tafiditra lalina ao anatin'ny fanavakavahana ara-pananahana i Irana, izay miseho ao anatin'ny fitadiavany hifehy tanteraka ny fiainan'ireo vehivavy. Miaraka amin'ireo lalàna manohana ny fangejana ataon'ireo lehilahy amin'ny vehivavy. Miseho amin'ny endrika fanavakavahana isan-karazany io tsy fitoviana ara-drafitra eo amin'ny lahy sy vavy io. Ohatra amin'izany, manasongadina ny tsy fitoviana ny fampanambadian-jaza vao 5 taona monja sy ny taona samy hafa mamaritra ny maha-tomponandraikitra manoloana ny heloka bevava eo amin'ny tovovavy sy tovolahy. Ny zo sivily manome vahana ny lehilahy ho loham-pianakaviana dia matetika mitarika ny fahaverezan-jo ho an'ireo renim-pianakaviana tsy ho afaka mitaiza, sy ny tsy fitoviana manoloana ny tribonaly. Ny lalàna momba ny fandovàna, ny fahazoana pasipaoro, ny teritery arak'asa, ny fepetra takiana amin'ny fisaraham-panambadiana, ny tsy fanekena ny fanolanana ao an-tokantrano sy ny lalàna manery ny tokony ho fomba fitafy dia manampy amin'ny tsy fitoviana eo amin'ny lahy sy vavy ary manome vahana ny fanavakavahana atao amin'ireo vehivavy.

Nanosika  ireo tovovavy ao Irana hitaky ny zo fototra sy ny fitovian'ny rehetra eo ambanin'ny lalàna io tsy fitoviana io. Toa miely patrana ny fanohanana ny tolon'izy ireo, misy marimaritra iraisana eny anivon'ny mponina momba ny zavamisy hoe tsy afaka ny ho hisy ireny zo ireny raha tsy misy ny fanovàna fitondrana. 

Izay nisongadina dia ny tsy fananan'ny vahoaka Iraniana fahatokisana intsony amin'ny fifanenjanan-droa mpitaky fanovàna-mpifikitra amin'ny nentindrazana izay namaritra ny politikan'ny fitondrana nandritra ny 25 taona fara-fahakeliny. Fa aleon'ny vahoaka mitaky ny fandravàna tanteraka ny fitondrana manontolo sy ny rafitra ao aminy, “Velayat-e faqih” (“Ny fanarahamason'ny mpahay lalàna,”) foto-kevitra iray izay milaza fa ny “raharaha ara-pivavahana sy ara-tsosialy” amin'ny tontolo Miozolomana dia tokony ho tantanin'ireo Shiita marina sy mpahay lalàna.

Kianoush Ramazani mpanao sariitatra nanao sarinteny momba ny fahaverezan'ny fahatokisana ny rafitra:

Mahay manafàna ny tenany ireo Iraniana amin'ity ririnina ity ! #MahsaAmini#IranRevoIution #مهسا_امینی pic.twitter.com/MqvEsMHuAf
— Kianoush | کیانوش رمضانی (@KianoushR) 28 Desambra 2022

Mety hanome fanazavana momba ny fitomboan'ny fahakivian‘ny fitondrana ity fehinkevitra ity raha ilay izy mirona amin'ny famoretana an-kerisetra an'ireo tsy fitovian-kevitra sy ny fanaparitahana tahotra. Tanjon’ilay fanafihana amin'ny entona ny fampaginana an'izay mitaky tamberin'andraikitra. Etsy andaniny, ilaina ny mihevitra fa ny karazana krizy toa izao, tahaka ny fanafihana amin'ny entona, dia manampy amin'ny familiviliana  ny saina tsy ho amin'ireo olana hafa mahatsiravina, tahaka ny krizy ara-toe-karena sy ara-politika ao amin'ny firenena.

Mametraka olana saro-bahàna ho an'ny fitondrana Iraniana ny fanoheran'ireo vehivavy sy tovovavy. Voafandrika ao anatina toe-draharaha 22 tsy mamela mahazo izy ireo; Fandrihan'ny fanoheran'ireo vehivavy sy tovovavy ao anatina toe-draharaha 22 tsy misy vahaolana ny fitondrana ; Tsy vitan'izy ireo ny handefitra amin'ny fanavakavahana ara-pananahana satria miankina amin'izany daholo ny fitantaràna rehetra momba ny fisiany. Mandritra izany fotoana izany, tafiditra anatina dingana iray izay toy ny tsy azo ozongozonina sy tsy misy tahotra ireo vehivavy, miaraka amin'ny fanohanan'ireo lehilahy eo anilan-dry zareo.

Mihitatra hatrany ivelan'ny sisintanin'ny firenena ny fanaparitahana tahotra ao Irana, satria anisan'ireo  goavana mpanohana asa fampihorohoroana maneran-tany izy ireo. Tsy mihemotra amin'ny fanangonam-baovao na amin'ny fitaterana ny herisetrany feno habibiana i Irana ; raha ny marina, tian'ny fitondrana ho fantatra izany mba hanaparitahana tahotra sy hiteraka fiantraikany goavana kokoa.

Tena zava-dehibe ny fanohanan'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena ny vahoaka Iraniana amin'ny revolisiona mitohy ataon'izy ireo. Raha tsy melohin'ny tontolo ety ivelany ny heloka bevava ataon'i Irana amin'ny maha-olombelona, dia mbola hitohy ao amin'ny mangingiana hatrany ireny fanararaotana ireny.

Na izany aza, mipetraka ny olana fototra : hafiriana ny fitondrana iray no afaka mampahory vahoaka iray efa tonga amin'ny teboky ny tsy azo anoharana ? ary hafiriana no haharetan'io karazana famoretana io ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.