Ary avy eo tsy nisy — ny fomba nanjavonan'ireo antoko politika ao Azerbaijan

Sary avy amin'i Bradyn Trollip tamin'ny alàlan'ny Unsplash. Ampiasaina amin'ny alàlan'ny Unsplash License.

Nanomboka tamin'ny volana Septambra 2022 izany rehetra izany, rehefa nanomboka adihevitra lalàna vaovao iray ny parlemanta manao izay tsy ahafahana manangana antoko politika vaovao ao Azerbaijan. Ny tohan-kevitra nampiasain'ireo tompon'andraikitra tao amin'ny Antokon'ny fitondrana New Azerbaijan (YAP) tamin'izany fotoana izany dia ny hoe mila fanavaozana ny lalàna efa nisy hatramin'ny taona 1990. Araka ny nambaran’ny solombavambahoaka iray tamin’ny resadresaka nifanaovana taminy, dia “tsy mifanaraka intsony amin’ny fepetra takin’ny vanim-potoana maoderina” ilay lalàna efa 30 taona. Saingy ahitana fameperana mahery vaika ny volavolan-dalàna natolotra, manomboka amin'ny isa kely indrindra ao amin'ny mpikambana ao amin'ny antoko sy ny fepetra momba ny mpikambana mpanorina ny antoko, ny rafitra famatsiam-bola, sy ny maro hafa. Raha nohamaivanina ny sasany amin'ireo sy ny fameperana hafa, dia nankatoavin'ny parlemanta tokoa ilay volavolan-dalàna nohavaozina tamin'ny volana Desambra 2022, ary nanan-kery nanomboka tamin'ny volana Janoary 2023. Ho an'ireo mpikatroka ara-politika sy ireo mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra, ny fanovana natao tamin'ilay volavolan-dalàna lany dia tsy inona fa rendrarendra. Volana maromaro taorian'ny nananganana azy, antoko politika maro no nitsahatra tao Azerbaijan.

Efa nisy nanomboka tamin'ny taona 1992 ny volavolan-dalàna misy momba ny Antoko Politika. Fanavaozana maro tamin'ny lalàna no nolaniana nanomboka teo, ka tamin'ny taona 2022 no nisian'ny fanolorana fanitsiana farany. Araka ny hevitra iraisan‘ny Vaomieran'i Venise an'ny Filankevitra Eoropeana sy ny biraon'ny OSCE ho an'ny Andrim-panjakana Demokratika sy ny Zon'olombelona (ODIHR)  navoaka tamin'ny martsa 2023, nanjary “henjana kokoa” ilay fitsipika ny fanitsiana vaovao, na dia “amin'ny antsipiriany kokoa” sy “novolavolaina” tamin'ny ankamaroan'ny sehatra.”Nahita ireo andrim-panjakana roa ireo fa toy “fepetra mametraka olana” indrindra ireto fanitsiana tononina manaraka ireto izay mety hanimba kokoa ny fahamaroana ara-politika, araka ny nomarihin'izy ireo tamin'ny heviny iraisana :

  • the increase of the minimum number of members of the party from 1,000 to 5,000;
  • the need for the already registered political parties to undergo a re-registration;
  • the lengthy terms and cumbersome procedure foreseen for the establishment and registration of political parties;
  • the prohibition to operate a political party without state registration;
  • the overregulation of internal party structures and operations;
  • the excessive control exercised by the Ministry of Justice over party activities and over the registers of members of political parties;
  • the possibility to suspend the activities of a political party or even dissolve a party in cases not involving serious violations of the legal acts by such a party.
  • ny fampitomboana ny isa kely indrindra ao amin'ny mpikambana amin'ny antoko ho 1.000 ka hatramin'ny 5.000;
  • ny fisoratana anarana indray ireo antoko politika efa voasoratra anarana;
  • ny fe-potoana lavabe sy ny dingana sarotra vinavinaina amin'ny fananganana sy fisoratana anarana antoko politika;
  • ny fandraràna ny fitondrana antoko politika tsy misoratra anarana amin’ny fanjakana;
  • ny fifehezana tafahoatra atao amin'ny rafitra anatiny sy ny fiasan'ny antoko;
  • ny fanaraha-maso tafahoatra ataon'ny Minisiteran'ny Fitsarana amin'ny asan'ny antoko sy ny rejisitry ny mpikambana ao amin'ny antoko politika;
  • ny fahafahana mampiato ny asan’ny antoko politika na mandrava antoko mihitsy aza amin'ny tranga tsy misy fandikan-dalàna lehibe ataon’ny antoko toy izany.

Anisan’ny antoko politika nolavina taminy ny fisoratana anarana vao haingana ny REAL (Republican Alternative). Araka ny valin-teny ofisialy azon’ny antoko tamin’ny minisiteran’ny Fitsarana, dia tsy nahafeno ny fepetra takiana amin’ny isan’ny mpikambana farany ambany takiana amin’ny fisoratana anarana ny antoko. Tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Meta, nilaza i Ilgar Mammadov, mpanorina sy filohan'ny antoko fa manana 30 andro ny antoko mba “hanitsiana ny mombamomba ny mpikambana 4500 mahery ao aminy, handray mpikambana vaovao ao anatin'ny fepetra takian'ny lalàna vaovao, na manakatona ny antoko”.

Naneho ny ahiahiny ihany koa ireo mpiaro ny zon'olombelona mikasika ny fiantsoan'ny Minisiteran'ny Fitsarana ireo mpikambana ao amin'ny antoko politika mba hanamarina ny maha mpikambana azy ireo, namaritra ny hetsika ho endrika faneriterena ara-politika. “Ahoana no ahafantarantsika raha tsy norahonana izay olom-pirenena antsoin'ny Minisitera? Na voatahiry tsara ny mombamomba azy ireo,” hoy i Anar Mammadli, manampahaizana Azerbaijani momba ny fifidianana sy ny fitantanan-draharaham-panjakana, tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Meydan TV. Nampitandrina ihany koa ilay manam-pahaizana fa ny fanakatonana ireo antoko politika vao haingana dia mampiseho fikasana hampihenana ny isan'ny antoko politika ao amin'ny firenena, izay mety hanampy ny antoko eo amin'ny fitondrana hihamatanjaka sy hitazona ny fahefana:

In democratic countries, parties dissolve after elections — if they lose, they leave the political scene. Azerbaijan has not had democratic elections and the political environment is suffocating. It is against this environment that the sate is resorting to artificial measures. It seems that the state is interested in keeping 10–15 political parties. Perhaps, for the purpose of reducing the financial support in the future or form coalitions with smaller parties – whatever the reasons are, it is hard to tell. In all cases, the process aims to artificially reduce the number of political parties.

Any amin'ny firenena demokratika, rava ny antoko aorian'ny fifidianana – raha resy izy ireo dia miala amin'ny sehatra politika. Tsy nanao fifidianana demokratika i Azerbaijan ary manempotra ny tontolo ara-politika. Mifanohitra amin'izany tontolo iainana izany ny fampiasan'ny fanjakana fepetra tsy ara-drariny. Toa liana amin’ny fitazonana antoko politika 10–15 ny fanjakana. Angamba, amin'ny tanjona hampihenana ny fanohanana ara-bola amin'ny ho avy na hananganana fiaraha-mientana amin'ny antoko madinika – na inona na inona antony, sarotra ny milaza. Amin'ny toe-javatra rehetra, mikendry ny hampihenana ny isan'ny antoko politika ny dingana.

Araka ny lisitry ny Vaomieran'ny Fifidianana Foibe amin'izao fotoana izao, dia antoko politika 59 no voasoratra anarana tamin'ny taona 2022. Tamin'ny fotoana nanoratana ity tantara ity dia antoko politika 29 no rava, ka lasa lany andro io lisitra io. Anisan’ireo rava na dia ireo antoko fantatra amin’ny fiarahany sy fironam-po amin’ny fitondrana aza. Seymur Hezi, gadra politika teo aloha, nanoratra tamin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Meta hoe, “na inona na inona firehana ara-politika … raha jerena ny rafitra ara-dalàna misy sy ny fifanarahana iraisampirenena nidiran'ny firenentsika, na dia olona dimy monja aza, dia tokony ho afaka manangana antoko politika sy miasa.”

Niady ela tao Azerbaijan ny antoko politika mpanohitra, niatrika fisamborana, fanagadrana, olana ara-bola, na fanenjehana ny mpikambana ao aminy, raha tsy hilaza afa-tsy ny sasany. Ary ny YAP eo amin'ny fitondrana no nibahan-toerana hatramin'ny nananganana azy. Ny fifidianana parlemantera niadiana natao tamin'ny Martsa 2020 no nanova kely ny endriky ny antenimieram-pirenena — nahazo ny toerana rehetra anesorana iray amin'ireo toerana 125 ao amin'ny Antenimieram-pirenena ireo kandidà miara-dia amin'ny Antokon'ny fitondrana Azerbaijan Vaovao. Ary na dia nanontany tena aza ny mpandinika sasany raha mikasa ny hitondra endrika vaovao amin'ny politika Azerbaijani ny manampahefana, parlemantera 87 no nitazona ny toerany. Raha niresaka tamin'ny parlemanta tamin'izany fotoana izany ny Filoha Ilham Aliyev dia nanendry ireo mpikambana vao voafidy mba handrafitra volavolan-dalàna izay hanampy amin'ny fanavaozana ny firenena. Nanomboka teo, nankatoavin‘ny parlemanta ny volavolan-dalàna mampiady hevitra momba ny fampitam-baovao sy ny antoko politika, nanakenda kokoa ny fanaraha-maso ny votoaty anjotra, ary nametraka fepetra mametra ny zo manokan'ny tena (lalàna vaovao mampiditra fanelanelanana tsy maintsy atao ho an'ireo mpivady mitady fisaraham-panambadiana), raha tsy hilaza afa-tsy ny vitsy.

Nametraka an'i Azerbaijan ho “tsy manana fahalalahana” nanomboka tamin'ny taona 2020 tao amin'ny tatitra Freedom in the World ny Freedom House.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.