Ho fanampiana ireo mpanoratra sy toniandahatsoratra ato aminay amin'ny fanatanterahna ny asa famokarany votoaty tsara kalitao sy manara-penitra, dia nanambatra ity andiana torolàlana sy fampahatsiahivana momba ny WordPress ity izahay. Voarakitra anatin'ity andiany ity ireo fanamby mahazatra mety ho atrehanao amin'ny dingan'ny fanoratana, ary omena anao ireo vahaolana mazava arahana pikantsary sy rohy mankany amin'ireo ohatra.
Ity andiany ity dia natao hanampiana ireo torolàlana efa natolotray ary miasa ho toy ny fanazavàna fohy sy mora azo. Azafady, aza adino ny mijery ny Torolàlana WordPress nomenay mba hahazoanao fanazavàna feno momba ireo fitsipikay sy ny dingan'ny famoahana lahatsoratra.
Indraindray dia fiteny hafa noho ny ao anaty lahatsoratra no nalainay. Amin'ireny tranga ireny, ampidirinay mandrakariva ireo fiteny tany am-boalohany nakàna ny tsonga, ampiarahana amin'ny dikanteny. Ndeha atao hoe nandika avy amin'ny Rosiàna ho amin'ny Anglisy isika.
Dingana 1: Apetaho ho ao anaty lahatsoratra ilay tsonga Rosiàna niandohana.
Dingana 2: Rakofy ilay tsonga avy amin'ny Rosiàna, ary avy eo tsindrio ny bokotra blockquote (voamarika eto ambany) mba hamadihana azy ho lasa teny notanisaina.
Dingana 3: Apetraho eo ambanin'iny avy eo ny “cursor”, adikao ho amin'ny fiteninao amin'izay.
Dingana 4: Safidio ilay dikanteny nataonao, avy eo ampiasao ny “formats menu”, ka tsindrio ny hoe “.translation“.
Fanamarihana: Ilàna fitandremana manokana ny amin'ireo fiteny soratana mankany ankavia, toy ny arabo.
Rehefa manoratra lahatsoratra iray, iangaviana mba hatao azo antoka fa fiteny azon'ireo mpamaky maro no ampiasianao. Midika izany fa sorohana ny mampiasa fiteny na fehezanteny akademika loatra, na fomba fiteny mampioavaka faritra iray na mitovitovy amin'nyfitenin-jatovo, na fiteny manjavozavo izeay mety ho sarotra no an'ireo mpiteny tsy teratany.
Raha misy ahiahy, aza misalasala manontany ny tarika mpanonta na ny mpamoaka.