Talohan'ny fiposahan'ny masoandro tamin'ny 6 Jolay 2023, taitra tamin'ny feon'ny daroka mafonja i Lviv. Nandaboka balafomanga fito tamin'ny folo notifirin'i Rosia tao an-tanàna ny fiarovana an'habakabaka Okrainiana; ny telo ambiny kosa nifatratra teny amin’ny toeram-ponenana, nanimba fotodrafitrasa, birao, tranobe fonenana, ka nahafatesana olona folo ary naharatrana olona 42.
Lviv, tanàna izay nisy mponina 700.000 teo ho eo talohan'ny taona 2022 ary mifandray akaiky amin'i Pôlônina mpikambana OTAN sady ao amin'ny Vondrona Eoropeana, dia iray amin'ireo foibem-paritra tandrefana indrindra ao Okraina, ary tena mavitrika indrindra. Manana tantara misavoritaka nanomboka tamin'ny taonjato faha-13, manana fifangaroana tsara tarehy amin'ny maritrano taonjato faha-17 ka hatrany am-piandohan'ny taonjato faha-20 i Lviv. Ny ao afovoany manan-tantara dia ahitana Vakoka Manerantany UNESCO, ary iray amin'ireo rafitra manan-danja indrindra manamarika sy mampalaza ny tanàna ireo lalankely tamin'ny vanim-potoana antenantenany (mediaeval) henika (fivarotana sy fisotroan-)kafe. Ara-tantara, iray amin'ireo mpitarika fanavaozana ara-kolontsaina sy ara-politika Okrainiana ny tanàna, ary iray amin'ireo toeram-pizahan-tany mafana indrindra ao amin'ny firenena ampolony taona maro. Nanomboka tamin'ny taona 2022, toerana masina lehibe ho an'ireo mandositra ny fananiham-bohitra feno ataon'i Rosia izy.
Niroborobo hatrany ny tanàna nandritra ireo dingana sarotra indrindra tamin'ny fananiham-bohitra, feno volantera avy eo an-toerana sy iraisampirenena, ny foibem-pikambanana nafindra avy any Kyiv sy an-toeran-kafa, ary tanora an'arivony, avara-pianarana, sy mpandraharaha avy amin'ny manodidina an'i Okraina no mihevitra azy io ho fonenany vaovao. Ahitana takelaka misy teny filamatra mirehitra jiro “Azo antoka eto” sy miantso hampiasa vola ao an-tanàna miarahaba ireo vahiny tonga ao Lviv manamorona ny lalana lehibe manomboka ao amin'ny gara hatrany afovoan-tanàna.
Noho izany, tsy ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana ihany, fa ny firenena iray manontolo no tohina noho ny zava-nitranga tamin'ny alin'ny 6 Jolay. Ny sasany tao amin'ny media sosialy namoaka andininy avy amin'i Victoria Amelina, mpanoratra Okrainiana malaza, mpampiroborobo ny literatiora maoderina Okrainiana sady mpanao soa — sady mponina tao Lviv taloha—izay matin'ny daroka an'habakabaka vao haingana tao amin'ny trano fisakafoana malaza iray ao amin'ny tanàna atsinanan'i Kramatorsk:
Повітряна тривога по всій країні / Так наче щоразу ведуть на розстріл / Усіх / А цілять лише в одног / Переважно в того, хто скраю / Сьогодні не ти, відбій
Fanairana an'habakabaka manerana ny firenena / Toy ny manery hiara-mitifitra ry zareo/ Ny rehetra / Fa iray ihany no kendrena / Ny ankamaroany dia izay eny amin'ny sisiny / Anio, tsy ianao, mazava tsara.
Tamin'ny mitatao vovonan'ny fah-6 Jolay, nisy vahoaka vitsivitsy saiky tanora ny ankamaroany nijoro teo anoloan'ireo trano simba, nijery ireo mpamonjy voina niezaka nitady olona tao ambany korontan-trano. Tao an-tokotany anatiny, nisy volantera marobe sy solontena avy amin'ny FTMF=ONG vahiny sy iraisampirenena ary fikambanana mpanao asa soa nifangaro tamin'ireo mponina talanjona, maro tamin'izy ireo no nipetraka mangina, nibanjina ny tany na ny teo anoloan'izy ireo tsy nisy fifantohana na fahatsapana izay zava-nitranga manodidina azy ireo. Nisy vehivavy lazondazony nampianatra andian-jatovo naka sary tena teo anoloan'ireo trano simba. Raha teny an-dalana am-pakana sary aho dia nisy vehivavy iray an-damosiko nitabataba tamin'olona fa tokony hotifirina ireo maka sary ny sehatra, ary hanao izany izy. Tao amin'ny vondrona iray hafa teo akaiky teo, nisy lehilahy iray nilaza tamin'ny namany fa raha manome 100 hryvnia — ny volam-pirenena Okrainiana — farafahakeliny ny olona rehetra tonga hijery , mitovy amin'ny 2,50 dolara amerikana eo ho eo — dia ho voavaha eo no ho ny olan'ireo namoy ny tranony tampoka.
Hita indrindra teo amin’ny zaridainan'ny faramparan’ny taonjato faha-19 manavatsava ny arabe izay mety heverin’ny sasany ho fahamafisam-po mahasosotra, tsy firaharahiana manafintohina, na ny tsy fisian’ny firaisankina, ahitana olona mana hazakazaka madinika, mandeha an-tongotra, ary mipetrapetraka toy ny tsy nisy na inona na inona. Telo kilometatra miala ny afovoan-tanàna no nahitana vahoaka betsaka kokoa izay toa niedinedina, toa nanohitra ny fikasana hanery azy ireo hisaona, na dia nanambara fisaonana roa andro tokoa aza ny manampahefana tao an-tanàna. Mety hisy hilaza fa lasa fahazarana ho an'ny olona ny vaovao fahafatesan'olona rehefa niditra ny volana faha-17-n'ny ady feno i Okraina.
Tsy dia nisy tsikitsiky firy anefa teo amin’ny endrik’olona, ary ny sasany tamin’ireo resadresaka henoko dia momba ny baroka baomba. Raha tarafina dia ary saina tsotra izao ny maro an’isa fa andro iray fanampiny teo anoloan’ireo mpiara-mitifitra sendra tsy teny amin’ny morony iny. Andro iray sarobidy kokoa hankalazana ny fiainana izay azo antoka fa ho farany ho an'ny olona iray any amin'ny toerana iray any Okraina satria tsy mitsahatra manidina isan'alina ny balafomanga sy ny tantelimby (drones) Rosiana.
Tao anatin'ny iray andro, niezaka hanangom-bola fitia tsy mba hetra hividianana fiara vaovao ho an'ny mpikatroka iray ao an-toerana hanoloana ilay potiky ny daroka baomba ny fanentanana tsy miankina iray, mba hahafahany manohy ny ezaka ataony hanampiana ireo miaramila Okrainiana any am-bava ady. Ny fitia tsy mba hetra—izay mitentina an-tapitrisany ao anatin'ny andro vitsivitsy—no lasa fomba malaza sy mahomby indrindra hanehoana ny firaisankina sy hanariana ny fankahalana. Nilaza tamin'ny Global Voices i Otar Dovzhenko, manampahaizana momba ny media monina ao Lviv izay mitady vola ho an'ilay mpikatroka, fa miara-mipetraka amin'ny fianakaviany akaikin'ny faritra nahasimbana izy ary efa zatra nitsidika azy io matetika:
As it turned out, several of my acquaintances live in the house which was hit—none of them was killed, but all of them suffered to a certain extent. In Lviv Tech City, the office centre where the windows were smashed, we held the Lviv Media Forum 2023 conference, and my wife often worked in Credence café on the ground floor, taking our dog with her because it is very animal-friendly. We also used to go to the Love&Lviv restaurant, and we celebrated our youngest daughter's birthday there. The last time I was sitting there, I looked at the Love&Lviv logo and thought one could make an anagram: Lvov&Evil [“Lvov” is a Russian spelling of the city's name]. And then evil came and mixed up all the letters.
Hita fa maro amin’ireo olom-pantatro no mipetraka ao amin’ilay trano voadaroka — tsy nisy maty, fa nangirifiry avokoa izy rehetra. Tao Lviv Tech City, birao izay potipotika ny masontranony (varavarankely ngeza), nanaovanay kaoferansa Lviv Media Forum 2023 izahay, sady iasan'ny vadiko matetika tao amin'ny trano fisotroana kafe Credence ao ambany rihana, nitondrany ny alikanay satria tena tia biby ilay toerana. Nankany amin’ny trano fisakafoana Love&Lviv koa izahay taloha, izay nankalazainay ny tsingerintaona nahaterahan’ny zanakay faravavy. Tamin'ny fotoana nipetrahako farany teo, nijery ny famantarana ny Love&Lviv aho ary nihevitra fa misy afaka manao anagrama: Lvov&Evil [“Lvov” dia tsipelina Rosiana amin'ny anaran'ny tanàna ary ny Evil moa dia ny ratsy]. Ary avy eo dia tonga teo ny ratsy ka nampifangaro ny litera rehetra.