D Billions, kalazalahy amin'ny YouTube ao Kyrgyzstan, manomboka ny fitetezam-paritra maneran-tany hanao fampisehoana

Ireo mpikambana efatra amin'ny D Billions mandihy ao anaty lahatsarin'ny YouTube. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube D Billions.

Tamin'ny 1 Jona, ny tarika Kyrgyz mpiangaly mozika D Billions, fantatra amin'ny famokarana hira ho an'ireo ankizikely eo amin'ny YouTube, dia nanatontosa voalohany ny fampisehoany tao Bishkek, renivohitr'i Kyrgyzstan. Hatramin'ny ela no efa niandrasana ny fampisehoana noho ny maha-fantadaza azy sy ny lazan'ilay tarika eran'izao tontolo izao, noho ny mpijery azy nitontaly 31 miliara ao amin'ny YouTube. Nomanina hatao tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Ankizy izy io ary nanomboka ny kaonseritra mitety faritra eran-tany, izay hitety ireo firenena ao Eorôpa sy Amerika Latina ary Etazonia amin'ny taona 2024. Araka ny voalazan'ny tomponandraikitra amin'ny fifandraisana amin'ny daholbe ao anatin'ny tarika, fanirian'ny D Billions ny hanomboka ny fitetezam-paritra tao Kyrgyzstan ka “handray ny tsodranon'ireo mponina ao an-tanindrazany”.

Ity ny lahatsary YouTube misy ny famintinana ny fampisehoana D Billions tao Bishkek.

D Billions angamba no fanondranana ara-kolontsaina tena manan-danja sy malaza indrindra ao Kyrgyzstan. Olona efatra no hita ao anatin'ny tarika dia Chiky, Cha-cha, Boom-Boom, ary Lya-Lya, izay mihira sy mandihy sady manao solovolo sy salôpety maroloko. Ao anatin'ireo hirany, ny D Billions dia mampianatra litera, teny vaovao ary fihetsika sy dihy ho an'ireo ankizikely. Ny Aogositra 2019 ny tarika no nandefa voalohany tamin'ny tambajotra ny lahatsariny teo amin'ny YouTube, mitondra ny lohateny hoe “Left, Right.” Tena nahomby ity gadona milantolanto tsotra sy mahasarika ity, arahin'ny dihy mora arahina. Nahangona fijery maherin'ny 83 tapitrisa izany. Hatreto, lahatsary 727 no nalefan'ny D Billions anaty tambajotra, miaraka amin'ny lahatsary efatra misy mpijery mahatratra iray miliara. Ohatra, ny “Yummy Fruits and Vegetables” dia nahazo mpijery 2,6 miliara. Tamin'ny Septambra 2021, azon'ny tarika ny Diamond Play Button fanomen'ny Youtube, izay atolotra ho an'ireo mpamorona manana mpamandrika miisa 10 tapitrisa ao amin'ilay sehatra. Tonga hatramin'ny 26 tapitrisa ny isan'izy ireo. Nihitatra ny D Billions ary nanomboka namokatra votoaty amin'ny fiteny hafa miisa 10, anisan'izany ny fiteny Arabo, Rosiana, Espanola, Indoneziana, Hindi ary Kyrgyz.

Ity ny lahatsary voalohany nataon'ny tarika tao amin'ny YouTube nanomboka tamin'ny taona 2019.

Tao anatin'ny fiakarany ho manan-daza, efa nihoaran'ny D Billions ireo endrika malazan'ny pop manerantany tahaka an'i Taylor Swift sy ry BTS raha jerena ny isan'ny mpijery ao amin'ny YouTube. Ernist Umetaliev no atidoha mikotrika ao ambadik'ilay tetikasa, izay manana traikefa be dia be amin'ny maha-injenieran'ny feo sy mpamokatra mozika azy. Izy no tompon'ny Eka Records, trano famokarana lehibe iray miara-miasa amin'ireo mpihira malaza ao Kyrgyzstan. Asko Anarkulov sy Janybek Jenishbekov, izay milalao ny Chicky sy Boom-Boom, dia mpihira matihanina novokarin'ny Eka Records. Tondroin'ny talen'ny fiandraisana amin'ny daholobe ao amin'ny D Billions fa ny fahombiazan'ny tarika dia noho ireo dingan'ny famokarana avo lenta, ny fahaizamanao sy ny filofosana mafy, tamin'ny filazàna fa : “Raha toa ianao maniry hamorona lahatsary iray miparitaka be dia tsy maintsy mamorona lahatsary 100 ka ny iray amin'ireo no mety ho tonga amin'izay.”

Ity no lahatsary be mpijery indrindra an'ny tarika ao amin'ny YouTube.

Tsy nandalo fotsiny tao an-tanindrazany ilay fahombiazany. Ny 30 May, nanolotra maripankasitrahana ho an'ny tarika ny Praiminisitra Akylbek Zhaparov nohon'ny fandraisany anjara ara-kolontsaina ary nokilasiany ho “reharehan'ny firenena izy ireo”. Taloha, nanolotra soso-kevitra ny hanokatra kianja iray ho an'ny D Billions ny tompon'andraikitra mba hisarihana an'ireo mpizahatany. Ampiasain'ny governemanta ihany koa ny tarika mba ho mpilanja faneva amin'ny tetikasany Digital Nomad, natomboka tamin'ny taona 2022 ary natao hanetsiketsehana ny sehatra informatika sy ny toekarena misy famoronana amin'ny alalan'ny fisarihana ireo manampahaizana manokana mikasika ny informatika sy ireo  mpandraharaha manana fahaizamamorona ho any Kyrgyzstan. Tamin'ny taona lasa , nolanian'ny firenena ihany koa ny Lalàna mikasika ny kianjan'ny toekarena  misy famoronana mba hananganana rafitra ara-pitantanana sy ara-pitsarana hanosehana ny fampiroboroboana ny toe-karena misy famoronana.

Mpanorina ny D Billions sy ireo mpikambana nandray maripankasitrahana tao amin'ny fihaonana niaraka tamin'ny Praiminisitra ao Kyrgyzstan. Sary avy amin'ny tranonkalan'ny Kabinetran'ny Minisitera ao Kyrgyzstan.

Efa tratran'ny D Billions, izay midika hoe tsiky miliara ny tanjony fatra-paniry laza hametraka tsiky eny amin'ny endriky ny olona an'arivony tapitrisa amin'ny alalan'ny lahatsarin'izy ireo ao amin'ny YouTube.. Efa vonona izy ireo ankehitriny ho aingam-panahy ho an'ny taranaka mpamorona manaraka ao Kyrgyzstan sy any ivelany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.