Nofenoin'ny Okrainiana sary-sy-soratra ny media sosialy fony nizotra ho any Moskoa ny Vondrona Wagner

Russia_coup_Swan_Lake

Sary nokirakiraina maneho an'i Evgeny Prigozhin sy ireo mpiadiny ao amin'ny Wagner toa ilay tarika mpanao ballet milalao an'i Swan Lake.

Tamin'ny 23 sy 24 Jona, maro ny Okrainiana nihevitra fa nijery tantara tsangana télé réalité tsy hita fiafarana: nahetsika haingana ny vondrona malaza ratsy mpikarama an'ady Wagner. Saingy teto, tsy nizotra ho any Okraina, Syria, na any amin'ny kaontinanta Afrikana ka nahasarika ny sain'ny iraisampirenena tamin'ny taona 2017 ry zareo, fa nizotra ho any amin'ny tanindrazany, Rosia.

Rehefa tafahitsoka tao Bakhmut, tanàna kely Okrainiana, nandritra ny valo volana teo ho eo, dia toa navadik'ilay vondrona ny soratra. Norombahan'ny vondrona, izay malaza amin'ny habibiany an'ady, i Rostov-on-Don, foibem-paritra any andrefan'i Rosia, nandritra ny ora maro ary nizotra ho any Moskoa avy eo, nanery ireo governora nandalovany hanakana ny lalana mankany amin'ireo tanàndehibem-paritra Rosiana hafa. Nanantena ny Okrainiana fa hanery ny filoha Rosiana Vladimir Potinina hanala ny tafika ao Okraina ny fikomiana Wagner. Naelin'ny media Rosiana tsy miankina ny vaovao nanamarika fikoropahana tao Kremlin tsy nahitana an'i Potinina hoe taiza sy ny fiaramanidiny niala tao Moskoa. Fanonganam-panjakana ve izany? Fiandohan'ny ady an-trano vaovao Rosiana? “Andao hifaly ho an'ny ekipa roa tonta,” hoy ny sasany tany Okraina namazivazy.

Feno sary sy lahatsary ahitana ireo ballerinas — fanondroana ny fikasana hanongam-panjakana tamin'ny taona 1991 nataon'ireo Sovietika mpandala ny mahazatra tao Moskoa izay naharava ny Firaisana Sovietika ny media sosialy Okrainiana. Tamin'izany fotoana izany, rehefa nandray fepetra hanongana an'i Mikhail Gorbachev, filoha voalohany sady farany tany URSS ny mpanongam-panjakana, dia nitodika tany amin'ny media ny vahoaka Sovietika, mangetaheta vaovao te-hahalala izay nitranga fa ny hita dia ny ballet Swan Lake no nandeha tao, tsy hitany hoe iza no tokony hotohanany ary inona marina no tokony holazaina. Tao Okraina, nanararaotra zany fotoana izany hanambaràna ny fahaleovantenan'i Okraina tamin'ny URSS ireo demaokraty nasionaly tao amin'ny parlemanta voafidy voalohany tamin'ny fomba demaokratika ao Okraina— iray amin'ireo vokatry ny fanavaozana feno fitandremana nataon'i Gorbachev.

Ny sasany indray nirona tamin'ny tantara vao haingana namazivazy an'i Victor Yanukovych, filoha Okrainiana teo aloha naongan'ny fihetsiketsehana Maidan tamin'ny taona 2014 ary nandositra nankany Rostov. Mamazivazy ny kabarin'i Yanukovych tamin'ny Okrainiana avy any Rostov taoriana kelin'ny nialany haingana tao Kyiv tamin'ny volana Febroary 2014 ka namaranany izany tamin'ny hoe “Ostanovites!” na “Atsaharo!” amin'ny teny Rosiana ary miresaka momba ny fibodoan'i Wagner vao haingana an'i Rostov, namoaka ny sarin'i Yanukovych misy teny hoe “Ostanovites!” — izay efa sary-sy-soratra rahateo — sy ny hoe “Tsy manana toerana handosirana avy eto Rostov aho,” na ilay kinova amin'izany sary izany ihany saingy ahitana an'i Yanukovych mihinana popcorn ary miteny hoe: “Aza mijanona.”

Yanukovych_Rostov

Meme iray hafa misy an'i Yanukovych, avy amin'ny kaonty Instagram protsyshynofficial, nandositra an'i Rostov teo ambony aotirisy. Rehefa nandositra an'i Okraina izy tamin'ny taona 2014, dia nahita toeram-biby misy aotirisy tao amin'ny fonenany ireo mpikatroka. Tamin'ny resadresaka nifanaovana taminy herintaona taty aoriana, nilaza i Yanukovych fa “niaro” ireo vorona tao izy ka niteraka meme  vaovao marobe tao Okraina izany.

Ny hafa kosa nanao sariitatra an'i Yevgeny Prigozhin, mpitarika ny Vondrona Wagner, izay nandany volana maromaro nangataka bala tamin'ny governemanta Rosiana tamin'ny ady nataony tao Bakhmut. Tao amin'ny sary-sy-soratra Okrainiana, niteny ny lehiben'ny komandin'ny Okrainiana i Prigozin: “Zaluzhny, omeo bala izahay!” Maro tamin'ireo tao Okraina no niresaka fifandraisana voalaza fa misy eo amin'i Prigozhin sy Kyrylo Budanov, lehiben'ny sampam-pitsikilovana miaramila Okrainiana, ary mihevitra fa ny diaben'ny Wagner ho any Moskoa dia narindra avy any Kyiv, satria vitsy ny Okrainiana nanam-pinoana fa afaka mitondra fiovana any Rosia amin'ny fomba mahaleotena ny olom-pirenena Rosiana.

Vazivazy malaza iray ny fizotran-toe-javatra momba ny fivoaran'ny tafika Rosiana avy amin'ny “faharoa tsara indrindra eran-tany” tamin'ny taona 2021 mankany amin'ny faharoa tsara indrindra tany Okraina tamin'ny taona 2022 ka hatramin'ny faharoa tsara indrindra tany Rosia taona 2023. “Tsy maintsy manome fitokisana ny Foibem-pitondran'ny Tafika  aho,” hoy ny mpisera iray nanoratra tamin'ny ranty Facebook iray niely haingana. “Tany amin'ny toerana tsy nampoizina tokoa no nanomboka ny valim-panafihana.” Iray amin'ireo meme malaza hafa ny momba an'i Serhiy Prytula, mpanao hatsikana teo aloha lasa mpanao politika ary avy eo lasa mpanangom-bola lehibe indrindra ho an'ny tafika Okrainiana mamatsy fiara, fitaovana, ary zanabolana mihitsy aza. “Okrainiana, tonga ity fotoana ity,” hoy ny vakin'ny sarin'i Prytula mitsiky. “Nividy an'i Wagner izahay.”

Prytula_Foundation

Meme an'i Prytula milaza hoe “Nividy an'i Wagner izahay”

Na dia eo aza ny fitodihan'ny maro tamin'ny fivoaran'i Wagner dia tsy nisy ny fientanam-po na fanantenana mielipatrana tao Okraina fa mety hihena ny firotsahan'ny miaramila Rosiana ao Okraina vokatry ny fifandonana anatiny. Nahita ny sasany fa ny diabe Wagner sy ny setriny nataon’ Kremlin tamin'izany dia toy ny fitsapana lehibe amin'ny fahaiza-manao Rosiana sy ny fiomanana hiatrika fikomiana anatiny na fivoarana ara-tafika ao amin'ny faritaniny. Okrainiana maro no nijery ny fivoaran'i Wagner tamin'ny voalohany tamim-pifaliana ary faniriana hamaly faty satria ny Rosiana — izay mbola manohana ny adin'i Potinina ao Okraina ny ankamaroany — dia nanatri-maso ny diaben'ireo jiolahy an'ady an'arivony tao amin'ny taniny.

Nisy aza ireo naneho ny tsy firaharahany. “Prigozhin, ireo ve no 25.000 avy aminao?” siokan'ny Okrainiana iray. “Miangavy anao hanasonia ny fanangonan-tsonia momba an'i Tkachenko.” Andro maromaro talohan'ny fisehoan-javatra, nisy fanangonan-tsonia vaovao niseho tao amin'ny sehatra manokan'ny tranokalan'ny filoham-pirenena handroahana an'i Olexandr Tkachenko, minisitry ny kolontsaina Okrainiana ankahalain'ny maro. Ny fanangonan-tsonia dia mila mahasarika sonia tsy latsaky ny 25.000 ho an'ny filohan'i Okraina handinihany izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.