Vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ao Sri Lanka, mikarakara hetsika Pride (Fireharehàna) hitakiana ny fampitsaharana ny fanavakavahana

Rainbow Kite Festival held in Colombo by LGBTQI community. Screenshot from YouTube video by Newsfirst Sri Lanka. Fair use.

Tao Kôlômbô no nanaovan'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ny Rainbow Kite Festival tamin'ny 24 Jona 2023. Pikantsary an'ny lahatsarin'ny YouTube avy amin'ny Newsfirst Sri Lanka. Fampiasana ara-drariny.

Natao tao Sri Lanka, fa tamina toerana manokana tamin'ny taona 2005, ny hetsika LGBTQ+ Pride voalohany ary nahavory olona manodidina ny 300. Nandritra ny folo taona farany, nisedra ny fitomboan'ny hetsika hitakiana ny zon'ireo LGBTQ+ i Sri Lanka. Nanomboka nanomana hetsika Pride isan-taona atao ankalamanjana ilay vondrom-piarahamonina tohanan'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa Equal Ground ary nahazo valiny mahafa-po izy ireo na teo aza ny fanoherana sasany. Nandritra ny hetsika tamin'ny taona lasa, sambany no niloko toy ny lokon'ny avana mampientana ireo arabe sasantsasany tao Kôlômbô renivohitra.

Tamin'ity taona ity koa, nisy andiana Pride nampientanentana sy nampahery notarihan'ny Equal Ground sy ireo fikambanana LGBTQ+ maro samihafa manao adisisika ho an'ny fitoviana sy mitaky ny fampitsaharana ny fanavakavahana. Tena zavadehibe io satria ny fahapelahana dia noheverina mandrakariva ho toy ny heloka bevava ao Sri Lanka ao anatin'ilay lalàna efa tamin'ny vaninandro fanjanahantany britanika. Kanefa, tamin'ny Aogositra 2022, nisy tolodalàna iray napetraka tao amin'ny parlemanta, ka tanjona tamin'izany ny hanao ny fahapelahana ho tsy heloka bevava sy hiarovana ny zon'ireo vondrom-piarahamonina LGBTQ+. Io volavolam-panitsiana ny fehezandalàna famaizana io dia mety ho ankatoavina ny taona 2023, hanamarika dingana iray goavana mankany amin'ny zon'ireo LGBTQ+ ao Sri Lanka.

Ny hetsika voalohany tamin'ny volana dia ny Freedom Pride Parade 2023 natao tamin'ny Alahady 4 Jona, avy ao amin'ny Kianja Viharamahadevi  ao Kôlômbô. Nilanja sorabaventy sy saina miloko avana ireo mpandray anjara   hitakiany ny hampitsaharan'ny pôlisy ny sotasota atao amin'ireo olona LGBTQ+, sy ny hampitoviana ny fomba fitondra azy ireo. Notakian-dry zareo ihany koa ny handraràna ny fitsaboana ho famadihana, izay karazana fitsaboana samihafa, miainga avy amina fanafody manimba sy ny fikarakaràna ara-tsaina ary ny vavaka.

Nibitsika ny mpanao gazety Ranga Sirilal hoe :

Ny diabe nataon'ny “Freedom Pride Parade” ao Kôlômbô androany dia nitranga tao anatin'ny fametrahana tolodalàna manoloana ny Parlemantera mba tsy ho heloka bevava ny fahapelahana ao amin'ilay firenena izay mbola manaraka foana ny lalàna manohitra ny pelaka nolovaina tamin'ireo britanika mpanjanaka. pic.twitter.com/KbIKebatlz

— Ranga Sirilal (@rangaba) 4 Jona 2023

Nanamarika ny akademisiàna Pasan Jayasinghe tao anatin'ny randram-baovao Twitter mikasika ny Freedom Pride Parade fa natahotra ho voatafik'ireo mpanohana ny elatra havanana ireo mpikatroka :

4/ Indrisy, mampalahelo fa ny ahiahy dia noho ny fanoheran'ireo andrimpanjakana ny vondrom-piarahamonina LGBTQI+ ihany koa, miainga avy amin'ny tahotra (azo takarina tsara) ny amin'izay ho setriny sy ny fanarahamaso sasany ny fidirana (tsy dia mitombona loatra). Matetika ny fikatrohana amin'ny fomba ôfisialy dia mahatery saina, momba izay azo atao& iza no ho atsofoka ao pic.twitter.com/2vo70Qdlqy

— pasan (@pasanghe) 5 Jona 2023

Nanamarika i Jayasinghe fa vintana iray ho an'ny vondrom-piarahamonina ihany koa ilay filatroana mba hisian'ny fiarahana sy mba hiravoravoana

Ny Sabotsy 10 Jona, filatroana Pride iray hafa no nitranga tao an-tanàna avaratra tao Jaffna.

VOLAN'NY FIREHAREHANA: Sainan'ny Pride tao Jaffna ; midina an-dalambe ireo mpikatroka LGBTQIA+ #newsfirst #latestupdates #lka #pridemonth #jaffna #lgbtpride #lgbtq🌈 #jaffnapridehttps://t.co/N2RZMIeLQs pic.twitter.com/1kNKNZL5dO

— Newsfirst.lk Sri Lanka (@NewsfirstSL) 10 Jona 2023

Nizara vaovao mikasika ny fampirantiana Pride Art & Photo Exhibition tao Kôlômbô ny mpanao gazety, Lakna Amandi, izay natao tamin'ny 13 ka hatramin'ny 15 Jona.

Ny EQUAL GROUND Sri Lanka “Colombo Pride” Art & Photo Exhibition nokarakaraina noho ny Volana Pride. Jereo https://t.co/4frSim9II1 – Vaovao voalohany

— Lakna Amandi (@lakna_amandi) 15 Jona 2023

Tamin'ny 18 Jona, nikarakara Colombo Pride Walk and Food Festival 2023 – Diaben'ny Fireharehàna sy Fetiben'ny Sakafo 2023 tao Kôlômbô – ny Equal-Ground izay nandraisan'ny daholobe anjara ihany koa sy ireo diplomaty sasantsasany ary koa ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+.

(1) “COLOMBO #PRIDE WALK” sy Fetiben'ny Sakafo 2023. Sary: Charith Lakshika (PULSE) @pulse_lk #queer #LGBTQIA #lka #SriLanka @_EQUALGROUND_ @B2ECampaign @NTN_SL @H2Hlanka pic.twitter.com/q9mQej7U4H

— Cheers SriLanka (@cheers_srilanka) 19 Jona 2023

Ny 22 Jona, June 22, nanao tantara an-tsehatra ny Young Activists Collective, natao tamin'ny tenim-pirenena telo, nomena lohateny hoe “Closet Cases” ho isan'ireo fankalazàna naharitra iray volana. Tsidiho ny pejy Faceook-n'ny Colombo Pride raha hijery ny Abhimani Queer Film Festival sy ireo hetsika hafa nokarakaraina hankalazàna ny iray volan'ny Fireharehàna.

Tamin'ny 2004, natsangan'i Rosanna Flamer-Caldera, Srilankey  mpikatroka ho an'ny zon'ny pelaka, nandany15 taona ny Equal Ground mba hanaovana asa fanomanana tany amina tanàna miisa 50 manerana an'i Sri Lanka. Tanjon'ny ezaka nataon-dry zareo ny hampahafantatra sy hanabe ny olona, nahatonga fahatakarana tsaratsara kokoa sy fanekena ny vondrom-piarahamonina pelaka. Tao anaty antsafa iray nifanaovana tamin'ny Give Out, Flamer-Caldera nisintsaina ny amin'ilay lalàna manaraka eo ho fanesorana tsy ho heloka bevava ny fahapelahana, tamin'ny filazàna fa, “Tsy maintsy mbola betsaka ny asa fanetnana sy fanabeazana mila atao, saingy farafaharatsiny, amin'izao fotoana izao, hanana lalàna hiaro antsika isika.”  Manamarika ihany koa izy fa ny fanamby dia ny fanovàna ny toetsain'ny olona sy ny rafitra efa misy, satria  “tsy resaka lalàna fotsiny io, fa ny fomba fijerin'ny olona mihitsy.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.