Mankalaza ny firavoravoan'ny feminista: Ny tanjaky ny ‘playlist’ (lisitra filalao) iaraha-manangana
Ny “Association for Women's Rights in Development (AWID)” – Fikambanana miaro ny zon'ireo vehivavy ao anatin'ny fampandrosoana – dia fikambanana erantany manohana ireo mpikambana sy hetsika feminista mitolona hisian'ny rariny eo amin'ny lahy sy vavy ary ny zo maha-olona ny vehivavy maneran-tany.
Anatin'ny fotoana izay ahafahan'ny mozika manentana ny fo sy manetsika fiovàna, nihaona ny vondrona iray nahitàna ireo mpikambana avy amin'ny AWID erantany mba hikarakara lisitra filalao mandeha lavitra mihoatra noho ny maha-fialamboly azy. Io lisitra filalao niaraha-nanangana io dia mihoatra lavitra noho ny hoe hira voafantina fotsiny; ampiasaina izy io ho porofo mivaingan'ny lanjan'ny fanànana lisitra hira feminista manako miaraka amin'ireo traikefa sy feo isankarazany.
Mamory, manozongozona, mamafy — mifangaroharo ao anatin'ny hira nofantenana ireo andry telo ireo, manambatra lisitra iray mitondra firavoravoana, mankahatra ireo fenitra, no sady mamafy ny voan'ny fiovàna, miaraka amina fangaro mavitribitrika amin'ireo hira ‘pop’, ampahan-kira an'ireo artista feminista sy pelaka, ary mozika nentindrazana avy amin'ny faritra samihafa. Faniriana iraisana mba hankalaza ny firavoravoan'ireo feminista sy ny fanoherana no nanosika ny fananganana azy. Ireo mpikambana ao amin'ny AWID, natambatry ny fanolorantenan-dry zareo hiady ho an'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ary ny rariny sôsialy, dia tao anatin'ireny hira ireny no nahazo hery sy aingampanahy. Tian-dry zareo ny hizara ny “FemJoy” amin'ny hafa.
Ao anatin'ny fanahin'ny fampiraisana, iray amin'ireo asongadin'ilay lisitra filalao ny “Capitalist Chant” avy amin'ny rakikira KahruMusiqa an'i Badiaa Bouhrizi. Io hira mahery io dia ampahany amin'ny mozika izay manandra-peo manohitra ny famoretana ao amin'ny faritra Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra (MENA) ary mampiaka-peo sahisahy manohitra ny fanararaotana kapitalista sy ny fanavakavahana ara-drafitra. Ireo hirany mihetsiketsika sy ny tononkirany feno fihantsiana dia natao ho toy ny antso fampivondronana hisian'ny hetsika iraisana sy fiovàna sôsialy.
Mba hanozongozonana ireo fenitra sôsialy sy handrafetana làlana ho amina hoavy iray tsy misy tahotra, niaka-tsehatra ny “We Are Future Fearless“. Niarahana nanangana tamin'ireo tovovavy sy ankizy tsy lahy tsy vavy, niaraka tamin'ireo lasibika misy fahaizamamorona, avoitran'io hira io ny faharesen-dahatra hoe ny tahotra atrehantsika dia lasa hirika fanararaotra. Mankahatra ny fameperana izy io ary manainga fanahy ireo mihaino azy mba handrava ny teritery.
Ilay lisitra filalao dia mampitombo ihany koa ny voan'ny fahafaha-miatrika sy ny fahavononana. “Jericho” nataon'i Iniko dia manampy lafiny ara-panahy, mampitaha ny tolon'ny hetsika pelaka hanoherana ny tsy rariny. Mila faharisihana izany, ary hery manetsika mba handravàna ny rindrin'ny famoretana. Mamafy ny voan'ny hery itambarana ilay hira ary manainga fanahy ireo mpihaino mba hamorona tontolo iray marina kokoa sy mampiaty.
Mifangaro ao anatin'ilay lisitra ireo hira nofidian'ireo tsirairay mpikambana ao amin'ny AWID ho an'ireo mpifandray aminy manokana. “Abolo” mitrandraka ny làlana nizoran'ny fiofoana tamin'ny alàlan'ny tantaram-pitiavana tamina mpampanofa vatana iray, mitanisa ny fampahatsiarovan-tena feminista sy pôlitika. Mankalaza ny fitomboan'ny tena manokana no sady manome gadona ‘groovy’ handihizana. “What's Up?” natao ho toy ny hira faneva matanjaka, manasongadina ny fihoirana mba ho velona ananan'ireo pelaka ao anatina tontolo iray fehezin-dehilahy. Mampiako ny tanjaka sy ny fahaiza-miatrika anatin'ny feon'ireo pelaka manoloana zava-tsarotra.
Tsy hoe fotsiny loharanona aingampanahy sy fankaherezana ity lisitra iombonana ity, fa koa manome sehatra iray hizarana sy handraketana ireo fitantaràna. Izy no lasa fàka ahafahan'ireo hetsika feminista mivondrona, mifandrohy ary manely ny feon-dry zareo. Hatry ny ela ny mozika no efa mpanetsika fiovàna, ary ity lisitra filalao ity dia maneho ny herin'ny fiofoana eo am-pela-tànany.
Na ianareo mila fatra kely amin'ny afon'ireo pelaka feminista, na mitady feo lafika ho an'ny fanoheranareo, vonona hampijoro anareo sy hilaza ny marina amin'ny fitondrana ity lisitra ity. Maneho ezaka iray iombonana mba hanangana habaka firavoravoana, fanaovana fety sy firaisankina izy. Anaty tontolo iray izay mazàna no ampanginina ny feo, mihira mafy ireny hira izany, mampahatsiahy antsika ny lanjan'ny mozika any anatin'ireo hetsika feminista.
Noho izany, akaro ny feo ka avelao handrehitra ny dianao manokana mankany amin'ny fahalalahana sy ny fitoviana. Ankalazao ny firavoravoana feminista, araho ny fanoherana, ary andihizo ny gadon'ny fanovàna. Isika miaraka, ‘ndeha hivondrona, hanozongozona sy hamafy hoavy iray izay hanamafy ny feo tsirairay sy hamboly zavatra misy fiantraikany lovainjafy.
Henoy eto ny lisitra filalao narafitra, ary jereo ny fantina iray feno amin'ireo lisitra filalao avy amin'ny Global Voices sy ireo mpiara-miasa aminay, ao amin'ny kaontinay Spotify.
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra