Milaza ireo mpikatroka feminista any Azerbaïdjan fa tsy fotoana fankalaza izao

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Vehivavy telo, nametraka ny tanany teo amin'ny tendany, no nanao fihetsiketsehana tselatra (flash mob) tao amin'ny tranon'ny Masoivohon'i Etazonia ao Baku renivohitr'i Azerbaijan nandritra ny fankalazana ny Fahefatry ny volana Jolay nampiantranoin'ny masoivoho. Nentina nivoaka ny masoivoho izy telo vavy ary natolotra ny polisy teny an-toerana ka naodin-tanana tao an-damosiny toy ny jiolahy ny mpanao gazety iray nandrakitra ilay flash mob. Nandray ny hetsika ho toy ny hirika hampahatsiahivana ireo vahiny ny mpikatroka fa tsy fotoana tokony hisotroana divay sy hifaliana izao satria notampenam-bava ny mponina tao an-tanàna, voasivana ny fampahalalam-baovao ary nanjaka ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Azerbaijan. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy teny an-toerana izy efatra, ka navotsotra rehefa avy natao famotorana.

Araka ny filazan'i Sanubar Heydarova, iray amin'ireo mpikatroka nandray anjara tamin'ny flash mob, “Rehefa nitondra anay izy ireo, dia nijoro teo akaikinay ny Masoivoho. Rehefa niantso ny anarany aho dia tany an-kafa izy no nijery.”

Tamin'ny fanambaràna tamin'ny Azerbaijan Service for Radio Liberty, nilaza ny masoivoho fa “Ny Masoivoho Amerikana dia manohana ny fahalalahana fototra, anisan'izany ny fahalalahana hanao fihetsiketsehana sy haneho hevitra” ary “ampahany amin'ny fandaharan'asa ofisialy ihany no nisokatra ho an'ny fampahalalam-baovao. Ny ampahany lehibe indrindra dia ny manabajotra (network), mizara ny fahasamihafan'i Etazonia ary mankalaza ny hetsika ofisialy.” Tsy nisy fanamarihana hafa intsony natao momba ny nitondrana na nanaovana ireo mpikatroka sy mpanao gazety Ulvi Hasanli.

“Voahitsakitsaka ny zo any Azerbaijan. Mitazona ny olona amin'ny tendany [Ny fanjakana sy ny polisy],” hoy i Heydarova raha nanala ny fehin-tenda nanarona ny tendany rehefa niditra tao amin'ny tranon'ny masoivoho ireo mpikatroka telo. Nilaza i Gulnara Mehdiyeva, izay nandray anjara koa tamin'ny flash mob hoe: “Nivory teto androany ny mpanohitra sy ny solontenam-panjakana mba hankalaza ny fahaleovantenan'ny firenena hafa. Mandritra izany fotoana izany any Azerbaijan, sempotra tanteraka ny fahaleovantena, sempotra ny feon'ny fampitam-baovao sy ny vahoaka, nosamborina ireo mpikatroka ary nampijaliana, izany no fomba hanoheranay ny tontolo iainana ankehitriny amin'ny fomba hendry kokoa (sivilizasiona).”

“Tsy nisy mpikambana ao amin'ny parlemanta na minisitra niresaka momba ny fampijaliana sy fanitsakitsahana ny zon'ny mponina ao amin'ny vohitr'i Söyüdlü. Noho izany, manam-potoana ahatongavana eto izy ireo fa tsy manam-potoana hanaovana fanambaràna momba ny firenen'izy ireo manokana,” hoy ny mpikatroka hafa, Narmin Shahmarzade.

Nanoratra i Hasanli taty aoriana hoe: “Naolan'ny mpiambina tao amin'ny masoivoho ny tanako rehefa nanomboka naka sary an'ireo mpikatroka nanao ny flash mob aho ary nandefa ahy tany amin'ny polisy teo an-toerana. Tsy nampoiziko ny fitondrantena mahery setra tahaka izany ao amin'ny faritry ny masoivoho. Tsy nampoiziko ihany koa fa hatolotra ny polisy ireo feminista nanao fihetsiketsehana am-pilaminana — Narmin Shahmarzade, Gulnara Mehdiyeva ary Sanubar Heydarova. Zava-nitranga mahamenatra izany. Niahiahy ny masoivoho Amerikana aho tamin'ity indray mitoraka ity. Tsy tokony hitondra tena toy izany ny masoivohon'ny firenena iray miresaka momba ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.”

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'i Ismail Djalilov, mpampiantrano ny fandaharana YouTube “Aleo hiresaka mahitsy,” nilaza i Hasanli fa noraisina ho toy ny mpampihorohoro avokoa izy efatra ireo, na nanao heloka bevava.

A representative of the press office approached me as I started filming the activists, telling me, that I did not have a permission to film here and asked whether I had an accreditation. Even though I already filmed the speeches of the Ambassador, the garden of the embassy where the reception was held. Surely, filming the flash mob could have been problematic, but in that case, they could have simply asked us to leave. It was shameful that instead they handed us over to Azerbaijani police, the very same structure the US State Department is critical of.

Nanatona ahy ny solontenan'ny biraon'ny mpanao gazety raha nanomboka naka sary an'ireo mpikatroka aho, nilaza tamiko fa tsy nahazo alalana haka sary eto aho ary nanontany raha nahazo fankatoavana aho. Na dia efa noraisiko an-tsary aza ny kabarin’ny Masoivoho, ny zaridainan’ny masoivoho nanaovana ny fandraisana. Azo antoka fa mety ho nanahirana ny fakana sary ny flash mob, saingy tamin'izany toe-javatra izany dia mety ho nangataka anay hiala fotsiny izy ireo. Mahamenatra fa natolotr'izy ireo tany amin'ny polisy Azerbaijaney, ilay rafitra mitovy tanteraka amin'ny nokianin'ny Departemantam-panjakana Amerikana anefa izahay.

“Mahamenatra izany ary tokony hiala tsiny izy ireo,” hoy i Hasanli.

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Gulnara Mehdiyeva taty aoriana fa nanao ny flash mob ireo vehivavy ireo rehefa tapitra ny ampahany ofisialy tamin'ny fandraisana.

We took off our scarves in front of the local authorities during the informal part of the event and spoke to Ulvi Hasanli on camera. For those who are talking about ethics, I will say that the biggest unethical thing is to happily celebrate someone else's independence against the background of oppression and brutality happening in the country.

Nesorinay ny fehin-tendanay teo anoloan'ny manam-pahefana teo an-toerana nandritra ny fotoana tsy ara-potoana tamin'ny hetsika sy niresaka tamin'i Ulvi Hasanli tamin'ny fakantsary. Ho an'ireo izay miresaka momba ny tandrohasina dia lazaiko fa ny tena zavatra tsy nitandroana hasina indrindra dia ny mankalaza amim-pifaliana ny fahaleovantenan'ny hafa manoloana ny tontolom-pamoretana sy ny habibiana mitranga ao amin'ny firenena.

Tao amin'ny pejy Facebook ofisialiny, nanoratra ny masoivoho hoe: “Ny fandraisana fanao isan-taona dia nankalaza ny fitsangatsanganana an-dalambe Amerikana ary nampiseho ny fahasamihafan'ny tontolon'ny kolontsaina Amerikana sy ny fiaraha-miasa mavitrika sy maro karazana eo amin'i Etazonia sy Azerbaijan.”

Farafahakeliny mpikatroka politika folo no nandao ny tranon'ny masoivoho taorian'ny fanesorana ireo mpikatroka feminista sy Hasanli.

Hetsi-panoherana tao Söyüdlü

Nanomboka tamin'ny 20 Jona, nanohitra ny fahasimban'ny tontolo iainana vokatry ny fitrandrahana volamena tao an-tanàna ireo mponina ao an-tanànan'i Söyüdlü, any amin'ny distrikan'i Gadabay any andrefan'i Azerbaijan, ary manohitra ny drafitra fananganana farihy voatrolombelona faharoa. Nilaza ny mponina fa efa misy ny farihy voatrolombelona, naorina tamin'ny taona 2012, ampiasaina hanariana fako misy poizina avy amin'ny toeram-pitrandrahana, araka ny tatitry ny  Meydan TV sy ny OC Media. Manapoizina ny rano fisotro ny fako ka misy fiantraikany ratsy amin'ny fahasalaman'ny mponina. Nitombo haingana ny hetsi-panoherana noho ny valinteny tsy mifadanja avy amin'ny fanjakana, tamin'ny tatitra momba ireo mponina maromaro nosamborina sy nandoa lamandy, mpanao gazety nodarohana, ary ireo mpikatroka sivily nitsikera ny valintenin'ny fanjakana momba ireo hetsi-panoherana niatrika fanagadrana ao Baku renivohitra.

Nametraka toera-pisavana hidirana ao an-tanàna ny polisy tamin'ny 22 Jiona, manamarina ny fisoratana anarana ny adiresy misy izay olona mitady hiditra ao an-tanàna. Farafahakeliny, mponina iray no tsy hita  nandritra ny efatra andro, araka ny tatitry ny Meydan TV, ary nosamborin'ny polisy ny lehilahy roa, izay vao niverina avy any Rosia, noho ny famoronana vondrona WhatsApp. Nilaza ny mponina fa tamin'ny vanim-potoanan'ny areti-mifindra no niforona ilay vondrona, ary tonga nanatrika fandevenana izy roa lahy. Nisy mponina iray hafa izay nanao pirinty ny afisy notazonin’ny mponina tao an-tanàna ihany koa, no voalaza fa nogadraina ary miatrika fiampangana fihazonana rongony.

Iray amin'ireo mpikatroka nogadraina i Giyas Ibrahimov, gadra politika teo aloha. Voaheloka higadra 30 andro an-tranomaizina izy noho ny fiampangana namboamboarina fa nanohitra polisy. Tamin'ny 24 Jona, nisy fiampangana vaovao natao tamin'ilay mpikatroka, tamin'ity indray mitoraka ity dia nampangaina i Ibrahimov ho manaparitaka vaovao voaràra amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.