
Slobodan Keranovic, mpitsara ao amin'ny Fitsarana Avo any Belgrade. Sary napetaky ny KRIK, niainga avy amin'ny pikantsary RTS, fampiasàna nahazoana alalana.
Navoaka voalohany teo amin'ny Meta.mk. ity tantara ity avy amin'i Meri Jordanovska ity. Dika nasiam-panitsiana no naverina navoaka eto indray eo ambanin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty nifanaovan'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation.
“Asehon'ity didim-pitsarana ity mazava fa nanjary fitaovana lehibe ho an'ny fitondrana ny SLAPPs mba hanakatonana ireo trano famoaham-baovao tsy miankina vitsivitsy sisa tavela. Efa lasa lavitra loatra ny toe-draharaha ka tsy ahafahanay mitaraina ampahibemaso intsony momba ny zavamisy hoe tototra fitoriana ny efitrano filazam-baovaonay – na ny momba izany aza dia meloka izahay,” hoy ny nambaran‘ny tonian-dahatsoratry ny KRIK, Stevan Dojčinović. Niditra teo amin'ny Twitter mihitsy izy hanazava fa :
Jako losa vest.@KRIKrs je osudjen bukvalno samo zbog toga sto smo objavili tekst u kojem smo pobrojali ko nas je sve tuzio.
U Srbiji vise ne smes ni da se branis,ni da pisnes.
Samo da trpis kako te gaze i da cutis.
Medjutim,ni ova presuda nas nece zaustaviti.
Borba se nastavlja. https://t.co/q1fnnxsOeS— Stevan Dojcinovic (@StevanOCCRP) May 18, 2023
Bitsika avy amin'i Stevan Dojčinović: “Tena vaovao ratsy. Voaheloka ara-bakiteny fotsiny ny KRIK satria navoakanay ny lahatsoratra iray misy ny lisitr'ireo fitoriana anay.
Ao Serbia ankehitriny, tsy azo atao na dia ny miaro tena aza, na ny miresaka izany.
Mahazo alàlana ianao hangirifiry rehefa manitsaka anao ry zareo, dia mangina.
Na izany aza, tsy hahasakana anay na ity fitoriana ity aza.
Mitohy ny tolona.”Bitsika notsongain'ny KRIK : Ao anatin'ny didim-pitsarana izay nanamelohany ny KRIK dia nanamarina izany ny mpitsara Keranović tamin'ny alalan'ny fitanisàna olana izay tsy voalaza ao anaty andinin-dalàna akory. Etsy andanin'izay, nolaviny ny fisian'ny fanenjehana #SLAPP – tamin'ny filazana fa “n'iza n'iza dia afaka mametraka fitarainana avokoa”.
Ny KRIK fikambanana serba tsy mitady tombontsoa (Tambajotra mitatitra ny Heloka bevava sy Kolikoly, fanafohezan-teny amin'ny fiteny Serba ihany koa midika hoe “mitomany” na “mikiakiaka”), fantatra amin'ireo tantarana fanadihadiany sy ny loka azony tamin'ny asa fanaovana gazetim-panadihadiana, ary koa ny fanakianany mivaivay ny governemanta, dia nomelohin'ny Fitsarana Avo ao Belgrade noho ny famoahana lahatsoratra iray mitanisa ny sasany tamin'ireo fitoriana teo aloha natrehan'ilay trano filazam-baovao.
Ireo fitoriana ireo, araka izay nofaritan'ny Filankevitr'i Eorôpa, dia fantatra amin'ny anarana hoe Strategic Lawsuits Against Public Participation (SLAPP), (fanenjehana stratejika ny fandraisana anjaran'ny daholobe ) mikendry ny hampitahorana, hamokarana saram-pitsarana tsy vita hofehezina, na handreraka fotsiny ireo ampangaina.
Slobodan Keranović, mpitsara ao amin'ny Fitsarana Avo ao Belgrade no nanameloka ireo mpanao gazetin'ny KRIK, ary ny KRIK indray nametraka fampakarana fitoriana tany amin'ny Fitsarana Ambony ao Belgrade.
Efa lohateny vaventy teny amin'ny gazety ny mpitsara Keranović tamin'ny Janoary 2017, taorian'ny nanamelohan'ny fitsarany ny famoaham-baovao iray hafa, ny NIN mivoaka isan-kerinandro, handoa onitra manodidina ny 2 500 Eur ho an'ilay Minisitry ny Atitany tamin'izany fotoana izany, Nebojša Stefanović, izay nitory ilay gazety ho nanàla baraka azy. Tsy nisy afa-tsy fihainoana indray mandeha monja teny amin'ny fitsaràna, ary ireo haino aman-jery tsy miankina dia naneso izany ho toy ny “fitsarana tena mahomby indrindra teo amin'ny tantaran'i Serbia“.
NIN, fanafohezan-teny avy amin'ny “Nedeljne informativne novine” (Gazety mpilaza vaovao isan-kerinandro), no nahazo laza ho iray tamin'ireo gazetiboky filazam-baovao mpitarika indrindra tao Yogoslavia nandritra ny taona 1970 sy 1980. Asehon'izy io ny fanehoankevitra sy lahatsoratra avy amin'ireo manam-pahaizana malaza, afangarony amin'ny tati-baovao sy lahatsoratra hafa.
Ny KRIK dia iray amin'ireo haino man-jery mpanao fanadihadiana tena hajaina indrindra ao Balkans. Mpikambana ao amin'ny Tambajotra mpanao Fanadihadiana mikasika ny Heloka Bevava Voaomana sy ny Kolikoly, ary ireo mpanao gazety marobe tao aminy dia nahazo maripankasitrahana amin'ny maha-matihanina avokoa, teo an-toerana sy iraisam-pirenena.
“Asehon'ity didim-pitsarana ity mazava fa nanjary fitaovana lehibe ho an'ny fitondrana ny SLAPP mba hanakatonana ireo haino aman-jery tsy miankina vitsivitsy sisa tavela. Efa lasa lavitra loatra ny toe-draharaha ka na ny mitaraina imasombahoaka aza hoe tototry ny fitoriana ny efatrano famoaham-baovaonay dia tsy afaka ataonay intsony – voaheloka tamin'izany mihitsy aza izahay,” hoy Dojčinović.

Pikantsary tamin'ny lahatsoratry ny KRIK “milevina ambany vesatry ny fitsaran'ireo olona akaiky ny fitondrana ny KRIK.”
Ity lahatsoratra voalaza ity dia navoaka tao amin'ny KRIK efa ho herintaona sy tapany lasa izay, tamin'ny lohateny hoe “milevina ambany vesatry ny fitsaran'ireo olona akaiky ny fitondrana ny KRIK”. Notanisainy avokoa ireo rehetra izay nitory ny efitrano famoaham-baovao tamin'ny fikasana hampanginana ireo mpanao gazety ao aminy, ary nampiany koa fa, amin'ny ankapobeny, ireo voalaza fa fitoriana SLAPP dia ny olona akaiky ny governemanta no nanao azy. Nolazainy fa ny lehiben'ny mpitandro ny filaminana, Goran Živković, sy roa amin'ireo mpiara-miasa aminy ao amin'ny sampana mpiaro vavolombelona eo anivon'ny mpitandro ny filaminana no nitory ny KRIK. Taorian'io, mbola nitory ny KRIK hatrany izy telo ireo noho n y fampahafantarana fa izy ireo no nitoria ilay efitrano famoaham-baovao.
Namoaka didy ny Fitsarana hoe tsy maintsy mandoa onitra 374 200 RSD (3 200 eoroa na 3 643 USD) amin'ireo mpitandro ny filaminana ireo mpanao gazety dia noho ny horohoro ara-tsaina, miampy ny fandaniana ary nandidy ny hanafoanana ny ampahany amin'ilay lahatsoratra mitanisa ny fitsaràna ireo manamboninahitry ny pôlisy.
Didim-pitsarana faharoa nanjo ny fampahalalam-baovao Serba io – tamin'ny Novambra 2022, mpitsara iray no namoaka didy namely azy ireo tamin'ny raharaha iray fampakarana ny raharaha nataon'ny Minisitry ny Atitany, Bratislav Gašić.