
Vokatra eny amin'ny tsena iray ao Goiàna. Saripika an'i David Papannah, nahazoana alàlana.
Nosoratan'i Richardeen Williams sy David Papannah
Manerana izao tontolo izao dia ireo vondrom-piarahamonina efa voahilikilika hatrizay sy ireo tokantrano avy amin'ny saranga ambany no tena mahatsapa ny vesatry ny fiakaran'ny vidin-tsakafo. Koa satria tsy mitsahatra mitombo ny vidin'ireo zavatra ilaina andavanandro, toy ny vary, ny varimbazaha sy ny legioma, vao mainka mihasarotra ho an'ny olona ny hahita izay ho harapaka isanandro.
Mba hiadiana amin'ny fisondrotry ny vidin'ny sakafo andavanandro, raha mba niezaka ny hampitombo ny vokatra sakafo ireo firenena nosy kely andalam-pandrosoana toa an'i Karaiba, nanohintohina ireny ezaka ireny ny fiovàn'ny toetrandro. Ao Goiàna sy Saint-Vincent-&-Grenadines, nizaka ny vokatry ny fisondrotry ny haavon'ny ranomasina, ny fahasimban'ny tany ary ireo tranga ratsy vokatry ny toetrandro izay vao mainka mihahenjana hatrany, toy ny tondradrano, ireo ezaka natao mba hampitomboana ny vokatra, izay mahatonga ny filàna hetsika stratejika mba hiantohana ny hahafahan'ireo mpamokatra sakafo any amin'ireny firenena ireny hahatohitra ny fiovàn'ny toetrandro.
Saint-Vincent-&-Grenadines

Mpivarotra vokatra vao notazana ao an-tsenan'ny legioma, ao afovoan-tanànan'i Saint-Vincent. Saripika an'i Richardeen Williams, nahazoana alàlana.
Iankinan'ny ain-dehiben'ny toekarena ao Saint-Vincent&Grenadines ny fanondranana vokatra ara-tsakafo, saingy tato anatin'ny taona vitsivitsy, na teo aza ireo ezaka nataon'ny firenena mba hanamafisana ny fahavitantena ara-tsakafo, tsy maintsy nizaka ny vokatry ny fiovàn'ny toetrandro ireo tantsaha.
Nandritra ny folo taona, ny fambolena no loharanom-bola fototra ho an'i Admarie Bobb, saingy lasa sarotra ny manaraka ny fivoaran'ireo fepetra momba ny toetrandro ao Greggs sy Richland Park, faritra trandrahany ao Saint-Vincent. Mihasarotra mandrakariva ny mahazo tombony kely mandritra ny vanim-potoana maina, ohatra, ary tsy tafita ireo andrana nataony mba hampitomboana ny fitarihan-drano, satria maina an-toerana ny voly noho ny hafanàna manempotra, na tsy manome vokatra sahaza. Nandritra ireo haintany vao haingana, nanazava Rtoa Bobb fa sarotra ihany koa ny namahana ireo andian'ondry aman'ombiny, satria tsy nitsiry araka ny tokony ho izy ny ahitra teny an-tendrombohitra nandritra ny vanim-potoana maina.
Raha vao fiovàn'ny toetrandro no resaka, tsy ny fiakaran'ny maripàna irery ihany no olana atrehan'i Bobb. Raha mampananosarotra ny fambolena ovy sy kôkômbra ny hafanàna be mandritra ny vanim-potoana maina, ny fahamafisan'ny rotsak'orana rehefa fotoanan'ny orana dia manohintohina ny fahafahana mamboly ireo voly toy ny “chayotte” sy ny voatabia, ka maro tamin'ireo nitovy taminy no nitsahatra tsy namboly. Izy kosa anefa tapakevitra ny hikiry, na dia mbola sarotra foana ho azy aza ny hahazo vola sahaza ho azy sy handoavany ny karaman'ireo mpiasany.
Goiàna

Vehivavy goiànezy eny an-tsena. Saripika an'i David Papannah, nahazoana alàlana
Antsoina amin'ny anara-mahazatra hoe « sompitr'i Karaiba », vitan'i Goiàna hatrany ny namokatra betsaka an'ireo karazam-bokatra sy niantoka ampahany betsaka tamin'ny filàny ara-tsakafo, fa tamin'ny 2021, tsy vitan'ireo mpamboly ny namaly ny filàn'ny tsena. Nanoloana ireo tondradrano nandravarava, tsy azon'izy ireo novolena ara-potoana tsotra izao fotsiny ny taniny.
Nandritra ny herinandro maro, (volana mihitsy aza ho an'ny faritra sasany), nandifotra ireo toerana fambolena ny tondradrano, niteraka famoizana ampahany betsaka tamin'ny vokatra. Io toedraharaha io dia nitarika ho amin'ny fiakarana be tamin'ny fitadiavana vokatra tsara kalitao sy fisondrotan'ny vidin-kanina. Nidangana be daholo ny vidin'ireo sakafo fototra ho an'ny Goiàney, toy ny “céleri”, ny “échalote”, ny “bora”, ny “calalou”, ny laisoa, ny voatavo ary ireo vokatra voatoto, toy izany ihany koa ny vidin'ireo vokatra hafa, indrindra fa ny “poivrons” sy ny baranjely.
Yog Mahadeo, mpanoro hevitra ho an'ny fikambanan'ireo mpanjifa ao Goiàna, dia nanambara fa nitohy nitambesatra tamin'ireo mpanjifa ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toedrandro sy ny vidin'ny vokatra fihinana. Nampian'i Mahadeo fa tsy misy na iray aza harena ara-bola afaka hisolo ny fahavitantena sy ny tsy fiankinandoha ara-tsakafon'ny firenena iray, tamin'ny fanondroana ny sehatra vao mipongatra ao Goiàna: ny solika sy ny entona natoraly. Nomarihany fa amin'ny hoavy, tokony hiasa manaraka drafitra stratejika ireo manampahefana mba hanohizan'i Goiàna mamokatra ampahany manan-danja amin'ireo filàny ara-tsakafo azy manokana.
Mba hanaovany izany, ilaina anefa ny manohy ireo ezaka fanampiana ny mpamboly ho afaka hanohitra ny toetrandro sy hisoroka ny fisondrotan'ny vidin'ny vokatra fihinana, indrindra fa hisy fiantraikany amin'ny fahafahan'ireo mpanjifa mamoaka vola ihany koa ny fiovàn'ny toetrandro. Sady izao koa, ireo fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro, na tondradrano io na haintany, dia misy fiantraikany manao tasi-menaka hanohy hisy vokany amin'ireo endrika hafa isankarazany eo amin'ny fiarahamonina.
Ny zava-niainana tahaka izany dia manipika ny lanjan'ny fanamafisana ny fahaiza-mizaka ara-toetrandro sy ny fahavitantena ara-tsakafo any amin'ireo firenena roa ao anatin'ny CARICOM ireo. Ireo fanamby atrehan'ireo mpamokatra madinika dia manipika ny filàna maika manaparitaka ny ezaka hahenika izao tontolo izao mba hanamaivanana ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro sy ireo voka-dratsiny amin'ny lafy rehetran'ny rojom-pamatsiana sakafo.