
Sary natolotr'i Ameya Nagarajan tam-pitiavana
Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera ary ny fitondrana tsy refesimandidy. Ny Unfreedom Monitor dia santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika. Ity dia tsonga nalaina avy amin'ny tatitra momba ny Fahafaha-miditra, tao anatin'ny andiana tatitra nivoaka avy tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor. Vakio ato ny tatitra feno.
Fanamby goavana ho an'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny demaokrasia erantany no nentin'ny vanimpotoana nomerika. Mitombo hatrany ny fanakatonana aterineto sy haino-vaky-jery, ary ireo fitondràna tsirefesimandidy kosa mametraka ny fomba fitantaran-dry zareo manokana sy ny fifehezany mba hanampenam-bava ny tambajotra. Apetrak'ireo governemanta ny famerana ny fahafaha-miditra, noho ny antony marobe, isan'ireny ny tombontsoa ara-toekarena sy ny fanarahamaso pôlitika.
Nanjary niroborobo ny fanakatonana aterineto sy ny fanapahana tolotra ho lasa fitaovana mahazatra fanarahana maso amin'ny fomba jadona manerana ny tany. Indrindra indrindra, ireo firenena mpanao jadona dia mametraka ny fanapahana tolotra, ho toy ny fitaovana hanampenana vava ireo mpanakiana sy hamongorana ireo tsy mitovy hevitra aminy. Tsy misy hafa amin'izay, tena manohintohina ny zon'olombelona ny fibahanana ny aterineto, satria miantraika amin'ny fivezivezena malalaky ny vaovao sy ny zon'ny olona hny fomba fijeriny sy ny heviny.
Ho fanazavàna ny naha-lasa fomba mibahan-toerana iray fanaon'ireo fitondràna jadona ny fanakatonana terineto mba hamoretana ny vahoaka, resahan'ity tatitra ity ireo zavatra goavana hita tamin'ireo tranga fanakatonana aterineto sy fanapahana tolotra, toy ny valiny nasetrin'i Iràna ka nanapahany ny aterineto taorian'ny nahafatesan'i Mahsa Amini, ary ny fibahanana ny Wikipedia Rosiàna. Tao anatin'ilay tranga voalohany, nampiasain'ilay fitondràna jadona ny fibahanana aterineto mba hamongorana ireo tsy mitovy hevitra aminy, hifehezana ny fivezivezen'ny vaovao, ary hitazonana ny vahohony amin'ny fitondràna. Ao anatin'ilay tranga faharoa, napetraky ny governemanta ireo fanakanana ny fahafaha-miditra mba hifehezana ny fitantaràna momba ny ady ao Okraina sy hamongorana ireo fomba fijery hafa momba ilay ady.
Resahan'ilay tatitra ihany koa ny fomba fampiasàna ny hetra manafay ho toy ny fomba fanaon'ny mpanao jadona mba hitazonana ny fifehezana ara-pôlitika sy ny famoretana. Napetrak'ireo firenena toa an'i Ogandà, Benin ary Zambia ny hetra ho an'ny tambajotra sôsialy sy ireto tolotra anaty aterineto, mahatonga ny fahafahana miditra amin'ireny sehatra ireny ho toy ny rendrarendra ka manakana ny fahafahan'ny olompirenena tsy ho afaka haneho an-kalalahana ny heviny sy hizara vaovao anaty tambajotra. Ireny fepetran'ny hetra manafay ireny dia manamafy ny fivakisana nomerika, manilika ireo mpikambana mahantra kokoa ao anaty fiarahamonina tsy ho afaka handray anjara any anatin'ireo fifandraisana an-tambajotra. Vokatr'izany, lasa tombon-dahiny natokana ho an'olom-bitsy ny zo hiresaka an-tambajotra, mikiky ny fotokevitra demaokratika momba ny fitovian'ny fahafahana miditra sy mahazo vaovao, ary manakana ny fifanakalozana hevitra eo amin'ny samy olompirenena.
Ireo fomba fanao hafa dia ahitàna ny fametrahana lalàna fanivànana ny aterineto, izay mazàna no lasa toy ny fitaovana am-pelatànan'ireo fitondrana jadona ho entina mifehy ny fivezivezena an-kalalahan'ny vaovao sy hampanginana ny mpanohitra. Amin'ny filazana isankarazany toy ny hoe ho fiarovana ny ankizy, hiadiana amin'ny asa fampihorohoroana sy hiatrehana ireo kabarim-pankahalàna, ireo firenena toa an'i Tiorkia, Shina ary Iràna dia nametraka fepetra sy sazy henjana, fanivànana ny media sôsialy sy ireo tranonkala tsy miankina ary ireo sehatra vahiny. Na ara-drariny aza ny resaka fiarovam-pirenena sy fisorohana ireo votoaty manimba, azo araraotina ny lalàna fanivànana aterineto mba hamongorana ny fanoherana ara-pôlitika sy haneriterena ny fahafahana mahazo vaovao, mametraka loza mitatao ho an'ny demaokrasia sy ny zon'olombelona.
Fehiny, ny fanakatonana aterineto sy ny fanapahana tolotra dia lasa fitaovam-pamoretana mahazatra ho an'ireo fitondràna jadona manerana ny tany, ikendreny hanampenana ny vavan'ireo mpanohitra sy hamongorana ireo tsy mitovy hevitra aminy. Mifanindran-dàlana amin'izay, noho ny antony maro isankarazany, ampiasain'ireo fitondrana jadona ireny fepetra ireny, isan'ireny ny tombontsoa ara-toekarena sy ny fanarahamaso pôlitika. Tena manimba be ny zon'olombelona ireny fomba fanao ireny, manakana ny fiparitahan'ny fomba fijery sy ny hevitra, ary mametraka fetra amin'ny mangarahara sy ny tamberin'andraikitra.
Vakio ato ny tatitra feno.