
Pikantsary avy amin'ny fitantaran'ny Abzas Media momba an'i Telman Huseynov.
Navoaka voalohany tao amin'ny Abzas Media ity lahatsoratra ity. Navoaka eto ny dika nasiam-panitsiana eo ambany fifanarahana fifampizarana votoaty.
Telman Huseynov no anarany. Teo am-pisavana ny fako teny an-dalamben'i Bakou renivohitr'i Azerbaijan, izy no hitan'ny mpanao gazety teo an-toerana avy amin'ny sehatra fampahalalam-baovao anjotra Azerbaijani Abzas Media, izay naka sary azy nandritra ny andro iray manontolo teo amin'ny fiainany. Nojerena in-1 tapitrisa mahery ny tantara ôrizinalin'ilay lahatsary hatramin'ny namoahana azy iray volana lasa izay. Tsy nahafantatra i Telman fa hanova ny fiainany ny tatitra. Nandika ny ampahany tamin'ny antsafa sy ny tantarany tamin'ny teny anglisy ny Global Voices (amin'ny teny Azerbaijani ny tantara voalohany).
50 taona i Telman Huseynov ary nihalehibe tao anaty fahakambotiana, natory teny an-dalamben'i Bakou izy nandritra ny androm-piainany. Nandany ny ankamaroan’ny androm-piainany nitsimpona fako izy, nanangona kapoaka sy plastika, izay amidiny mba ahazoany izay vola azony rehetra any am-paosiny. Imbetsaka i Telman no nanandrana nitady asa saingy tsy nahomby. Tamin'ny resadresaka nifanaovany tamin'ny Abzas Media, nasehony tamin'ny fakantsary sy ny mpanao gazety ny fahazoan-dàlany mitondra fiara mbola mifono sy voatahiry tsara, ary nampiany fa tsy nilaina izany. Manakana an'i Telman tsy hanofa na dia efitrano iray aza ny saran’ny hofan-trano. Noho izany, matory eny an-dalambe i Telman, mihinana sy mitafy izay hitany ao anaty fako. Tsy manaiky hangalatra izy satria, araka ny teniny, “mahamenatra” izany.
Indraindray mitsidika fiangonana i Telman, izay handaniany fotoana hivavahana. Maniry mafy izy mba hanana fiara lehibe hoentina sy hiasa, hanana trano ary vady. “Saingy tsy nisy vokany,” hoy i Telman nitomany nandritra ny antsafa.
Ankoatra izay vola azony amin’ny fivarotana ireo fako azo averina ahodina nangoniny dia izay hitany ao anaty fako no tena hohaniny. Tamin'ny fotoana iray tao anatin’ny lahatsary, nitodika tany amin'ny fakantsary i Telman ary nilaza hoe: “Efa vonona ny sakafo hariva. Nahita saosisy aho, ketchup ary mofo,” hoy izy tamin'ny mpanao gazety Abzas mitsiky. Mahita mofomamy any an-kafa izy, mofo sy sombin-kena sisa tavela any an-toeran-kafa (izay zarainy amim-pahalalahan-tanana amin'ny saka eny an-dalambe), ary zinga iray feno lasopy any amin'ny iray hafa. Diso fanantenana izy rehefa nahita dite iray baoritra, ary hita ho foana ilay boaty. “Efa ho roapolo andro aho no tsy nisotro dite,” hoy izy tamin'ny mpanao gazety sy ny mpaka sary.
Nanandrana nanao fangatahana tany amin'ny trano fisotroan-dronono i Telman, saingy raha ny filazan'ilay lehilahy 50 taona dia mbola tanora loatra izy ka tsy mahafeno fepetra. “Mandra-pahatongan’izany, tsy maintsy mankeny amin’ny fako mandritra ny 15 taona indray aho mandra-pahatongan’ny taona fisotroan-dronono sy mahafeno ny fepetra fisotroan-dronono.
“Tsy misy hafa amin'ny alika an-dalambe aho izay mandany tontolo andro any ivelany misava fako,” hoy i Telman. “Sarotra ny miaina, leo aho,” hoy izy nanampy, ary nirotsaka tamin’ny tavany ny ranomasony.
Ankoatra ny tolona ataony isan’andro, matetika izy no roahin’ny mpanadio arabe ampiasain’ny kaominina ao an-toerana, izay miteny aminy handao ny faritra. Izany dia Mahatonga azy tsy hahazo na inona na inona, ka mandeha any amin'ny faritra hafa.
Nobedesina ihany koa i Telman noho ny firesahana tamin'ilay mpanao gazety avy ao amin'ny Abzsas Media. Ao amin'ny lahatsary, manazava ny fomba nitazonan’ny polisin’ny distrika tao amin'ny manodidina izy, rehefa hitan’izy ireo nandehandeha niaraka tamin'ny mpanao gazety. Tao amin’ny biraon’ny polisy, nodarohan’ireo mpitandro filaminana izy. Hoy i Telman raha nilaza tamin'ny mpanao gazety ny ampitson'iny taorian'ny nahitan'ny mpiasa azy. “Nilaza izy ireo fa nanakiana ny fanjakana aho? Ary nilaza tamin’izy ireo aho fa tsy misy fanjakana. Nianiana tamin'ilay kapiteny tao amin'ny paositra aho fa tsy nilaza zavatra toy izany. Nilaza izy ireo fa mandainga aho ary tsy nitsahatra nidaroka ahy teo amin'ny lohako,” hoy i Telman nanazava. Notanana nandritra ny alina tao amin'ny paositra izy ary navotsotra ny ampitson'iny, niaraka tamin'ny fampitandremana fa raha misy mpanao gazety manatona azy hanao antsafa dia tokony handroaka azy ireo izy fa tsy hiresaka aminy. Nalain’ny polisy izay vola nananany sy ny sigarany, angamba, mba hanomezana lesona an'i Telman.
“Tsy te-hiaina aho,” hoy i Telman ny ampitso rehefa niverina niresaka taminy indray ny mpanao gazety Abzas Media, nitomany indray izy.
Nahatratra olom-pirenena malala-tanana vitsivitsy ny tantaran'i Telman. Nisy mpandraharaha nanome azy asa sy toerana hipetrahana any amin’ny tanàna hafa. Tamin'ny fotoana farany niresahan'i Abzas Media tamin'i Telman an-telefaonina dia nilaza izy fa afa-po any amin'ny toerana misy azy. Mipetraka any anaty ala izy izao, manana tafo ambony lohany ary miasa.