Toro-hevitra sy fampahatsiahivana WordPress: Torolàlana momba ny fanaovana antsafa amin'ny endrika GV

 

Sary natao tamin'ny canva pro. Azo ampiasaina maimaimpoana.

Endrika tsara hanoratana ny tantaran'ny GV ny antsafa satria mifanaraka amin'ny iraka ampanaovina antsika amin’ny fanasongadinana ireo feo tsy voasolontena. Ireto misy torolalana sy toro-hevitra vitsivitsy amin'ny fanaovana, fanitsiana ary famoahana antsafa.

Ireto misy ohatra vitsivitsy amin'ny antsafa GV Tena Tsara.

Ary ireto misy toro-hevitra vitsivitsy momba ny fomba hamoronana lahatsoratra F/V mahomby ho an'ny GV.

Fiteny: tadidio fa tianay ny fahasamihafan'ny fiteny, koa hazony amin'ny fiteny tany am-boalohany [ôrizinaly] hatrany ireo teny nindramina, dia ampio ny dikanteny amin'ny fiteny ampiasainao hanoratana ny tantara feno.

Amin'ny toe-javatra sasany, manizingizina ny hanaovana fanadihadiana amin'ny teny anglisy ireo hanaovana antsafa — ezaho hazavaina fa mety manana dikan-teny maro amin'ny fiteny samihafa isika.

Endrika antsafa: Tsy misy fitsipika momba ny toerana handraketana antsafa: azo atao amin'ny horonan-tsary, feo, na amin'ny endrika an-tsoratra izany. Mariho fa ny endrika an-tsoratra dia ahafahana mamintimpintina izany raha lazainao mialoha fa tsy tokony hihoatra ny arivo teny ny fitambaran'ny valinteny, fa ny feo na ny horonan-tsary ihany koa dia manome firindrana bebe kokoa, ary mandehahoazy ary mety hitarika fanontaniana sy valiny vaovao sy mahaliana kokoa. Raha manao fandraketana ianao, misy fampiasa afaka mandika feo amin'ny fomba marina tsara (Descript). Izany hoe, miankina aminao izany!

Mpiantsafa: ao amin'ny teny fampidirana, tokony hampiasa fehezanteny manaraka ireto andalana ireto ianao: “mba hahatakarana bebe kokoa ny olana, niantsafa tamin’i XYZ ny Global Voices…”. Tsara raha lazainao mazava ny fomba nitrangan'ny antsafa: “niantsafa mivantana / tamin'ny WhatsApp / tamin'ny mailaka”.

Manana safidy roa ianao rehefa mamaritra ny mpiantsafa amin'ny tsongateny: azonao atao hoe GV ary soratana hoe: “Global Voices (GV): Afaka miresaka momba…”. Na azonao atao ny mampiasa ny anaranao feno ary manoratra hoe: “Aliya Hossein (AH): Ahoana no hanazavanao…”.

Tsongateny: Tena zava-dehibe: raketo hatrany ireo teny notsongaina, na amin'ny feo voarakitra na an-tsoratra, raha tsy manaiky ilay tantara ilay olona any aoriana ary milaza fa tsy nilaza zavatra toy izany izy ireo (mitranga izany, tsy matetika – fa mitranga, ary azonao antoka avy eo ny mamoaka ilay ‘ôrizinaly’ tany am-boalohany).

Mety hisy fotoana ilay natao antsafa te-hijery ny teny nataony alohan'ny hamoahana izany. Tsara izany ary mety ho fanao tsara koa raha olona mety ho tandindonindoza ilay hadihadiana. Manampy amin'ny fanaovana fanitsiana ihany koa izany mba hanazavana ireo teny notsongaina sy hanitsiana ny fitsipi-pitenenana. Tsy an-tery anefa ny handefasanao ny tantara feno alohan'ny hamoahana azy, satria mitazona ny fahaleovantenantsika amin'ny maha-mpampita vaovao mahaleotena isika.

Ary koa, fomba fanao tsara izany rehefa mifandray amin'ny olona hanaovana fanadihadiana ny milaza ao amin'ny mailaka fa “hovaina ho fohy sy amin’ny endriny ny antsafa.” 

Tsara ny manitsy ny fiteny raha misy olona miantsafa amin'ny fiteny tsy dia hainy loatra ka manao fahadisoana amin'ny fitsipi-pitenenana.

Manampy sahan-kevitra (odidina) amin'ny teny notsongaina: rehefa manonona zava-misy na olona mivandravandra amin'izy ireo nefa mety tsy ho izany raha ho an'ny olon-kafa, azo atao ny manampy rohy (karazana Wikipedia) na manisy fanamarihana ao anaty fononteny [] aorian'ilay teny na daty, izay voatonona mba hanomezana sahan-kevitra (odidina) sy ahafahana mamaky tsara amin'ny fiteny rehetra.

Antsafaina: mangataha famariparitana momba ny fehezanteny iray na roa avy amin'ilay antsafaina. Ataovy azo antoka ny fanitsiana mba hahatonga izany ho fohy. Tazony ho iray na roa fotsiny ihany raha misy manome lisitra lohateny lava, na boky navoaka, na lahatsoratra ny sasany. Amin'ny fomba fanao tsara indrindra, mangataka sary tapaka ihany koa isika ary manao izay hahazoana antoka fa afaka avoaka izany (koa anontanio ny anaran'ny mpaka sary sy ny fahazoan-dàlana hampiasa izany eo ambanin'ny CC). Mety misy tranga, noho ny fiarovana, dia tsara kokoa ny tsy manana sary.

Hevitra tsara ihany koa ny fananana sary hafa ankoatry ny sary tapaka. Safidy ihany koa ny horonan-tsary.

Endrika tantara: Amin'ny ankapobeny, misy endrika telo azo atao amin'ny famaranana ny tantara araka ilay antsafa.

F&V miaraka amin'olona iray: fampidirana fohy, arahin'ny fanontaniana miisa 3 hatramin'ny 5, sary tapaka

Antsafa nifanaovana tamin'olona iray na maromaro: teny notsongaina notapahana tamin'ny lahatsoratra ho an'ny sahan-kevitra

Horirana: lahatsoratra misasaka ahitana teny notsongaina mivantana mifandimby amin'ny lahatsoratra sy/na teny notsongaina ankolaka. Mety ho momba ilay olona misimisy kokoa ihany koa izany fa tsy momba ny lohahevitra iray.

Amin'ny ankapobeny, tokony hijanona ao anatin'ny teny miisa 1.200 ny tantara amin'ny endrika antsafa — mety misy hatramin'ny 1.500 saingy tadidio fa mampihena ny mety ho fandikan-teny izany.

Aorian'ny famoahana: Aza adinoina ny mandefa ny tantara any amin'ny olona nanaovana antsafa raha vao navoaka izany. Isaory ihany koa ireo mpandika teny ary alefaso any amin'ilay olona nanaovana antsafa araka izay isehoany ireo fandikan-teny ireo (matetika ianao hiaina ny hoe Oay! avy amin'izy ireo 😉 Tsarovy fa mety hizara ny tantara ao amin'ny tambajotra midadasika ilay olona nanaovana antsafa.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.