Fahatsiarovana ny seranampiaramanidina iraisampirenena rava ao Donetsk, Okraine

DAP

Sisan'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Donetsk. Pikantsary avy amin'ny YouTube.

Io no bitsika tena malaza amin'ny kaonty Twitter-n'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena ao Donetsk. Vao maraim-be tamin'ny 26 May 2014, nampahafantarina ny daholobe fa manomboka amin'ny 7 ora maraina dia hitsahatra tsy handray sidina intsony ny seranana. Nolazain'izy ireo fa ho ampahafantarina ny rehetra amin'ny manaraka ihany ny daty hiverenan-dry zareo hiasa indray.

Tsy niverina mihitsy io asa io ; tao anatin'ny volana marobe, nanjary lasa toeran'ny fifandonana lehibe teo amin'ny adin'i Okraina manohitra ny fananiham-bohitra nataon'i Rosia tao amin'ny faritra Donetsk ilay seranam-piaramanidina vaovao. Vetivety foana dia nivadika ho korotam-bato.

Ankehitriny, isaky ny 26 May isan-taona, misy manoratra eo ambanin'ilay bitsika hoe mbola miandry hatrany ny fisokafana izy ireo.

Fivadihan-javatra nahery setra

Ny 26 May no maraina voalohany taorian'ny fifidianana filoham-pirenena nohafainganina tao Okraina ; efa nazava sahady fa nandresy tamin'ny fihodinana voalohany i Petro Poroshenko, ôligarka fantatra indrindra amin'ny orinasany mpanao vatomamy miaraka amin'ireo fotodrafitrasa ao Okraina sy ao Rosia.

Nanana tantara pôlitika nahabe resaka i Poroshenko, amin'ny maha-mpiara-nanorina ny Antoko Faritra (PR) azy fahiny, izay nanjary hery ara-politika matanjaka mpanohana ny Rosiana tao Okraina taty aoriana sady iray tamin'ireo mpiara-dia akaiky indrindra amin'i Viktor Yushchenko, izay nandresy an'i Viktor Yanukovych avy amin'ny PR tamin'ny hazakazaka ho filoham-pirenena ka nitarika tamin'ny Revôlisiôna Laoranjy tamin'ny taona 200-2005, hetsi-panoherana faobe iray manohitra ny fikasan'i Yanukovych hangalatra ny fandresena tamin'ny fifidianana. Tsy naharitra ela anefa na izany aza ny “ankolafy laoranjy”. Vetivety dia nirodana izany, sy ny lazan'ny filoha koa, satria nitarika ny firodanan'ny ekipan'i Yushchenko tamin'ny taona 2004-2005 ny tsy fahatokisana, ny fifandirana anatiny, ny ady fahefana sy ireo tantara ratsy fanta-bahoaka.   

Efa nitàna toerana minisitra tao anaty governemanta roa tany aloha i Poroshenko, ny an'i Yushchenko sy Yanukovych. Tamin'ny 2012, nipoitra indray tao anivon'ny parlemanta izy, tamin'ny anaran'ny tsy miankina, sy toy ny iray amin'ireo mpanakiana tena to-teny an'i Yanukovych. Io toerana io no nanipy azy ho tonga tamin'ny maha-filoha rehefa nandositra ny firenena i Yanukovich taorian'ny namonoan'ny miaramilany mpanao hetsipanoherana an-jatony tao afovoan'i Kiev. Raha famoretana ireo tsy mitovy hevitra aminy no noheverina, ilay fanapahankevitra dia nahatezitra olona an-hetsiny maro izay, avy eo, nitaky ny hialàny.

Ny marainan'ny 20 Febroary 2014, rehefa niparitaka ny vaovao hoe lasa nandositra ny fireneny i Yanukovych, dia toa taitra avy tamin'ny nofy ratsiny i Kiev. Saingy raha ireo mpiasan'ny kaominina sy ireo olompirenena nanala ireo fiara may, nanangona ireo vato notsoahan'ireo mpanao hetsipanoherana, ary nandevina ny maty, ireo Rosiàna “mitafy maintso” kosa, tsy nisy famantarana azy, nanao fanafihana tao amin'ny saikinosy Krimeàna-Okrainiàna. Nandrehitra fihetseham-bahoaka faobe tany amin'ny faritra atsinanan'i Luhansk sy Donetsk  ihany koa ny milin'ny fampielezankevi-panjakàna rosiàna. Tamin'ny Martsa, fony i Rosia nampiditra an'i Krimea ho isan'ny faritra ao aminy,  nanomboka tsy voafehin'i Okraina tototry ny revôlisiôna intsony ny màndany tao atsinanana. 

Tamin'ny lohataona 2014, marobe ireo vohitra sy tanandehibe latsaka ho eo ambany fifehezan'ireo mpihoko tao an-toerana sy ny tafika rosiàna. Ireo olona tao an-toerana nanandrana nanohitra dia, na novonoina, na notampenam-bava, na voatery nandositra. Tamin'ny Martsa sy Aprily, nitohy tany amin'ireo tanàndehibe tao Donetsk sy Mariupol ireo fihaonana faoben'ny mpomba ny Okrainiàna, na teo aza ireo fanafihana nitohy. Tamin'ny tapaky ny Aprily, betsaka ireo andrana fifampiraharahàna tsy nahomby,  ary natomboky ny governemanta vonjimaikan'i Okraina ny nantsoiny hoe “hetsika hiadiana amin'ny mpampihorohoro” (ATO), izay tena ady tokoa.

Vohitra sy tanàndehibe vitsivitsy monja tao amin'ny faritra Donetsk sy Louhansk no afaka nikarakara fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 25 May 2014, satria tany rehetra tany nanerana ny faritra dia voarahona ireo mpikarakara no sady voakasi-tànana. Tao an-tànanan'i Dobropillia, izay nisy ireo lehilhay mpandraharaha nivoaka mba hanampy, dia notaterina an-tsokosoko tanaty catafalques ny vatom-pifidianana. Tsy nisy na iray aza biraom-pifidianana nivoha tao Donetsk, tanàna iray misy mponina iray tapitrisa, izay tsy mbola ambany vahohon'iza na iza. Ny alin'ny 26 May, nisy vondrona iray ivelan'ny tafika tonga tao amin'ny seranam-piaramanidina nangataka an'ireo tafika okrainiàna niambina tao mba hisintaka. Ny androtr'io ihany, nanomboka ny ady teny ambonin'ilay seranam-piaramanidina.

Ilay DAP malaza (ratsy)

Hatrany am-piandohan'ny taona 2015, lasa toeran'ny ady mafotaka sy lava indrindra tamin'ny Ady 2014.2021 ny seranam-piaramanidina ao Donestk, na antsoina tsotra hoe DAP, sy ilay tanàna mpifanolobodirindrina aminy, Pisky, toerana fisintahana malaky ho an'ireo mpanefoefo sy matanjaka ao Donetsk rehefa mandositra ny tabataba sy ny fahalotoan'ny tanàna. Lasa endrika hita vatan'ny herimpo  ireo miaramila okrainiàna nitazona azy, izay nantsoin'ny media hoe cyborgs, raha ny sasany indray, sy ireo miaramila ihany koa, nanontany tena momba ny ilàna mitahiry an'i DAP.

Rehefa babo izy tamin'ny Janoary 2015, mponina vitsivitsy sisa tao an-toerana no nijanona tao Pisky. Lasa tobin-tafika iray ilay vohitra  manontolo, iray tamin'ireo toeram-pamaharana natanjaky ny Okrainàna hatramin'ny fararano 2022. Hatramin'ny nahavotsotra ilay vohitra teo an-tànan'i Okraina, nandrafitra ny fanafihana an'i Avdiyivka ny tafika Rosiàna, tanàna kely iray an-tsisiny ao Donetsk. Raha votsotra tamin'ny tafika Okraininàna i Avdiyivka, dia nanokatra ny làlana mizotra mankany amin'ny tanànan'i Pokrowsk, toerana iray fiantsonan'ny fiarandalamby, ary ny faritra andrefana manontolo ao Donetsk. 

DAP, ilay toeram-piantsonana vaovao ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Donetsk, dia naorina hitaterana ireo vahiny nandritra ny Fiadiana izay ho Tompondakan'ny Baolina Kitra tao Eorôpa tamin'ny 2012: Iray tamin'ireo tanàna okraniàna efatra niaraka nampiantrano azy iny i Donetsk. Io no  tamin'ny famadihana nalaky be ny tanàna ho maoderina, nanomboka tamin'ny 2007 rehefa azon'i Okraina ny tolobidy Euro-2012; Niroborobo i  Donetsk. 

Ilay seranam-piaramanidina, vavahadin'ny tanàna, dia nanana dikany ara-panoharana goavambe ho an'ireo mponina ao an-toerana mpomba ny Tandrefana. Tamin'ny faramparan'ny Martsa 2014, izy no iray tamin'ireo seranam-piaramanidina okrainiàna niisa enina nilalaovan'ny orkesitra sainfônika (symphonic) an'ilay Ode to Joy an'i Beethoven, ilay hira fanevan'ny Fiombonambe Eorôpeàna, ho toy ny karazana hetsipanoherana ireo fihetsiky ny Rosiàna tao Okraina sy ho fampahatsiahivana fa fandavana tampoka nataon'i Yanukovych tsy hanao sonia ny fifanarahana iray hidirana ho ananty Vondrona Eorôpeàna no nanombohan'ireo hetsipanoherana Maidan 2013-2014. Tsy nisy hafaliana teny amin'ny endrik'ireo artista mpiantsehatra tao Donetsk, ary ilay fampisehoana manontolo dia nitovitovy tamin'izay hita tao amin'ilay sarimihetsika malaza “Titanic”. 

Tsy misy mozika tonga avy amin'ny sisan'ny seranam-piaramanidina DAP intsony. Nirodana ireo efitranony, nafindra toerana ireo fiaramanidina ary nandositra ny mpitsidika. Ary ny tsy fisiany dia ahitanay ny marik'i Okraina talohan'ny revôlisiôna – zavatra tsara tarehy sy feno ireo hirika izay very tao anatin'ny setrasetran'i Rosia.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.