Mijanona ho sehatra mahaleo tena amin'ny fanomezan-kery ny feon'ny mpanohitra atao anjorombala sy ny mpitsikera ny fitondrana ao anatin'ny fanjakanolotokana maoderina ny aterineto. Fantatry ny mpitondra ao Kazakhstan ny maha-zava-dehibe ny mambabo ny fo sy ny sain'ireo mpisera aterineto, ny fanaparitahana vaovao diso ary ny fampiasana kaonty mandeha ho azy voatrolombelona mba haka tahaka ny fanohanana feno hafanam-po ho an'ny governemanta sy ny zava-bitany.
Tsy tranga vaovao amin'ny politika Kazakh ny fihanaky ny kaonty sandoka ao amin'ny seraseram-bahoakan'ny fanjakana ; nanomboka tamin'ny taona 2017 izany. Maneho ireo kaonty media sosialy sandoka izay miteraka fanehoan-kevitra manohana ny governemanta am-perinasa ny Nurbots. Nipoitra avy amin'ny fitondrana mitodika manokana amin'ny filoha voalohan'i Kazakhstan Nursultan Nazarbayev izy ireo, izay mampihatra toetra telo avy amin'ny anaran'ny mpitarika, mitovy amin'ny fanjohin-kevitra ‘Kremlin-bots’. Milaza i Irina Galkina, mpanao gazety Kazakhstaney, fa noforonina ho rafitra fampielezan-kevitra mahery vaika ny nurbots mba hamokarana sy hamerenana ny fitantarana manjakazaka momba ny fitondrana ao amin'ny aterineto, raha tsy nahasarika ny sain'ny besinimaro tamin'ny fampitam-baovao an-tsoratra tsy dia malaza loatra izany.
Nanatanteraka ny baikon'ny fantsom-baovaon'ny fitondrana notarihin'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fitantanan'ny Filoham-pirenena ny Nurbots. Natao haka tahaka ny fanohanan'ny vahoaka amin'ny alàlan'ny kaonty mandoka sy fanehoan-kevitra marobe amin'ny vaovao ofisialy izy ireo. Ireo fanehoan-kevitra ireo dia mitady hitovy karazana amin'ny hoe: “Miahy ny filoha ary mieritreritra ny olona hatrany hatrany,” “manana ny fahaiza-manao matihanina ampy, afaka mahita karama mendrika sy toe-piainana tsara ny olona eto amin'ity firenena ity”, “manome fitoniana sy fandriampahalemana tena ilaina ny filohantsika”. Arakaraka ny mpihaino sy ny lohahevitry ny vaovao ofisialy ny fandrafetana hafatra.
Ny roboto dia manampy amin'ny fisisihana amin'ny habaka nomerika ary mamorona lahateny manjakazaka, mampihena ny fahitana ny fomba fijery mitsikera sy ny famoahana famakafakana. Mikendry ny haka tahaka horirantava tena izy, noforonina amin'ny fangalarana sarin'olona kisendrasendra, manitsakitsaka ny zon'ny tsirairay ny kaonty sandoka. Amin'ny ankapobeny, foko Yakutians sy Kyrgyz , izay mitovy amin'ny Kazakhs ny sary. Ny voka-dratsin'ny nurbots nandritra ny taona maro (2017–2019) dia ny famerana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fanoloana ary ny fanodinkodinana ny hevi-bahoaka marina, izay noforonin'ny kaonty sandoka tamin'ny fomba kirakiranolombelona.
Na dia teo aza ny fampanantenana demokrasiôna sy ny fanovana ara-politika nataon'i Kassym-Zhomart Tokayev, mpandimby an'i Nazarbayev, nampiasaina fatratra tamin'ny fampielezan-kevi-pifidianany tamin'ny Novambra 2022 ny kaonty sandoka. Ny fanakanana vonjimaika ireo vohikala manakiana sy ny fampihenana ny hafainganam-pandehan'ny aterineto no anisan'ny tetikady mahazatra ataon'ny fitondrana hampiharana ny fanarahamaso mandritra ny tetezamita ara-politika mamaivay. Namela ireo manampahefam-panjakana hampiato ny fiasan'ny tambajotran-tserasera mandritra ny hamehana ara-tsosialy sy ara-politika eo amin'ny “sehatra eo an-toerana” ny lalàna vaovao nolaniana tamin'ny Oktobra 2018. Mahatonga ny fiparitahan'ny vaovao diso sy mandrisika ny fampiasana roboto ho fanehoan-kevitra ny tontolo famerana ny aterineto.
Narafitra toy izao manaraka izao ireo fanehoan-kevitra manjakazaka sy ny lahatsoratra hosoka ao amin'ny Facebook:
“I/We made a choice for the new Kazakhstan. I/We participate in the upcoming presidential elections, our families provide four votes for Tokayev. My/our choice is right and conscious. I/We respect the existing political course and hope that others will do the same.”
“Nanao safidy ho an'i Kazakhstan vaovao aho/Isika. Mandray anjara amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy aho, manome vato efatra ho an'i Tokayev ny fianakavianay. Marina sy ary saina ny safidiko/safidinay. Manaja ny lalana politika misy aho/isika ary manantena fa hanao toy izany koa ny hafa.”
Nifantoka tamin'ny tombontsoan'ny fitohizan'ny politika sy ny fanatsarana ny fari-piainan'ny fiaraha-monina sy ny toe-karena izy ireo, fitantarana roa namporisihan'ny governemanta fatratra.
Ezaka amin'ny fomba vaovao iray hampalaza ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2022 ny mombamomba amin'ny Instagram “Tokayev_crush.” Niparitaka tao amin'ny fantsona Telegram sy Instagram ho an'ny daholobe ity kaonty aterineto malaza ity mba hanavaozana ny endriky ny filoha Tokayev sy hisarihana ireo mpifidy tanora kokoa.
Maneho fitambarana hita maso iray izay mampiseho an'i Tokayev ho tanora sy tia tanindrazana mahafinaritra izay miendrika sarimiaina na mpiady mahery fo amin'ny tantara an-tsary ny rantin'i Tokayev Crush. Na dia teo aza ny ezaka marobe, nahazo tsikera be dia be ity kaonty ity ary noharatsian'ny olona ho seraseram-bahoakan'ny fanjakana sandoka. Tsy nahomby ny fikasana hamitaka sy handresy lahatra ny olom-pirenena, na dia nandresy tamin’ny fifidianana aza ny kandidà.
Tamin'ny farany, mampiseho ny tsy fahafahan'ireo sangany eo amin'ny fitondrana mifandray mazava amin'ny mponina ao aminy ny dingan'ny famerenana indray ny fifanakalozan-dresaka mpomba ny governemanta amin'ny media sosialy, hany ka mampiasa tantara sandoka malaza izy ireo. Ny fiankinan-doha tsy an-kiato amin'ny kaonty sandoka dia fitaovana fampielezan-kevitra lafo sy tsy mahomby. Nampihena ny adihevitra demôkratika sy ny fanakianana ny fitondrana, nanalavitra ny vahoaka entina sy ny mpitondra tamin'ny alalan'ny famelana ny governemanta hiara-hiasa amin'ny habaka aterineto ny fihanaky ny votoaty avy amin'ny kaonty sandoka nandritra ny fampielezan-kevi-pifidianan'i Tokayev tao Kazakhstan.
Ny fanaovana ho anjorom-bala ireo tsy mitovy hevitra anjotra dia manilika azy ireo fotsiny sy mametraka fanamby amin'ny ho avy mba hampanara-dalàna ara-politika ny governemanta mahomby ao Kazakhstan. Mandoto sy mibahana amin'ny sehatra aterineto kanefa tsy mahazo ny fo sy ny sain'ny olom-pirenena ny kaonty sandoka .
Tsidiho azafady ny pejin'ny tetikasa raha hijery lahatsoratra bebe kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor.