Nahita paradisan'ny tantely tao Kyrgyzstan ny hongroà mpiompy tantely

Fiompiana tantelin'i Fulmer sady toby ao Kyrgyzstan. Pikantsary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Fulmer (Facebook page).

Ny tantely madio indrindra eran-tany (tsy mitapoka) dia vita any amin'ireo tendrombohitra lavi-dalana ao Azia Afovoany karakarain'ireo hongroà mpiompy tantely. Toy izany no ivarotan‘ny orinasa Hongroà Fulmer, manokana ny fahaizany amin'ny famokarana sy famonosana tantely ny Amirkaal Honey avy any amin'ny faritr'i Toktogul ao Kyrgyzstan . Nofantenina ity toerana manokana ity taorian'ny nitsidihan'ny solontenan'ny orinasa ny firenena, naka tantely avy amin'ny faritany samihafa, ary nitondra izany niverina tany Hongria hanaovana fitiliana. Hoy i Ferenc Takács avy ao Fulmer raha nanoritsoritra ny faritra Toktogul: “Paradisan'ny tantely ity satria paradisan’ny voninkazo.”

Indro ny lahatsary YouTube momba ny tantely Amirkaal an'i Fulmer.

Tamin'ny taona 2022, nanangana tohon-tantely any amin'ny iray amin'ireo faritra lavitra indrindra any avaratra-andrefan'i Kyrgyzstan i Fulmer. Ny tobin'ny orinasa dia an-jatony kilometatra miala ny tanàna akaiky indrindra. Mety ho vaovao ny fiasan'i Fulmer ao Kyrgyzstan, saingy efa 90 taona mahery niompiana tantely any an-tanindrazany any Hongria ny orinasa. Tamin'ny taona 1929 i György Fulmer raiben'i Ferenc no nanangana ny tohony fiompian-tantely voalohany tao amin'ny distrikan'i Somogy, any atsimo andrefan'i Hongria. Nitoetra tao amin'ny fianakaviana ny asa fiompiana tantely, ary nanitatra ny orinasa i Ferenc, ka nahatonga an'i Fulmer ho orinasa lehibe indrindra mpanao fonosana tantely ao amin'ny firenena tamin'ireo taona 1990. Ny taranaka fahefatra ankehitriny no miara-mitantana ny orinasa, Boti sy Peti zanak'i Ferenc.

Ity misy lahatsary YouTube momba ny tantaran'i Fulmer.

Mifanaraka amin'ny tantaran'ny famokarana tantely ao Kyrgyzstan ny fiompian'i Fulmer tantely. Nahazo mari-pankasitrahana sy fifaninanana iraisampirenena nandritra ny taona maro ny tantely Kyrgyz. Tamin'ny taonjato faha-20, fony i Kyrgyzstan anisan'ny Firaisana Sovietika, io firenena io no mpamokatra tantely fahatelo lehibe indrindra tao amin'ilay vondrona, taorian'i Rosia sy Okraina. Tamin’izany fotoana izany i Kyrgyzstan nanana andian-drenitantely 500 000 ary namokatra tantely 12 000 taonina isan-taona.

Rehefa nahaleo tena i Kyrgyzstan tamin’ny taona 1991, dia nihena ho latsaka ny 100 000 ny isan’ny andian-drenitantely, ary nihena ho 2 000 taonina isan-taona ny vokatra. Ny fifohazan'ny indostrian'ny fiompiana tantely ao Kyrgyzstan indray dia noho ny fitomboan'ny tinady be dia be any ivelan'ny firenena, noho ny fahombiazana mitohy azon'ny  Apimondia, kongresy iraisampirenena lehibe indrindra amin'ny mpiompy tantely, izay matetika nahazoan'ny tantely Kyrgyz ny loka lehibe indrindra (grand-prix prize) amin'ny kalitao avo indrindra ao amin'ny firenena. izao tontolo izao. Ireo firenena dimy voalohany mpanafatra tantely Kyrgyz dia ny Emirà Arabo Mitambatra, Japon, Koety, Etazonia ary Arabia Saodita.

Miankina amin'ny voninkazo sy ahitra eo akaikin'ny andian-drenitantely ny tsiro sy ny hanitry ny tantely ao Kyrgyzstan. Faritra malaza amin'ny fiompiana tantely i Atbashy, Toktogul, Suusamyr, ary Issyk Kol . Nahazo loka volamena in'efatra tao amin'ny Apimondia ny tantely avy amin'ny faritra Atbashy any avaratratsinanan'i Kyrgyzstan nandritra ny folo taona farany . Tantely vita amin'ny herotra fotsy avy amin'ny zavamaniry tokana izy io, dia ny esparcet. Ny tantely atbashy dia azon'ny olona voan'ny diabeta sy tsy mahazaka karazana tantely hafa hanina.

Ny faritr'i Toktogul, izay anangonan'i Fulmer tantely, no mamokatra tantely manitra indrindra ao amin'ny firenena noho ny hanitra mahery amin'ny voninkazo sy ahitra fahavaratra ao amin'ny faritra, anisan'izany ny telomiova (?), lavandy, framboazy, ditaha, ary rambiazam-bazaha. Manana tahan-tsakafo mahavelona sy manasitrana ambony noho ny ankapobeny ny tantely Toktogul noho ireo hamaroan-javamaniry sy ny habetsahan'ny zavamaniry fanao raokandro misy ao amin'ny faritra.

Fotoana sisa andrasana hahazoan'ireo vahiny mpiompy tantely hanangonan-tombontsoa amin'ny tontolo tsy manam-paharoa atolotr'i Kyrgyzstan ho amin'ny famokarana renitantely sy tantely. Fulmer no voalohany. “Tsy te-hanao izany tamin'ny fomba mora izahay — te-hanao izany araka mety izahay,” hoy i Boti nanoritroritra ny fanapahan-kevitra hanangana tobin-tohontantely tao Kyrgyzstan. Nanampy izy fa ny faritra Toktogul no “hany toerana ahafahanao mamorona tantely toy izany”. Fomba fiasan'i Fulmer ny famokarana tantely amin'ny fomba tranainy sy voajanahary indrindra, izany no mahatonga azy hiasa amin'ny toerana lavi-dalana. Nanamboatra tohon-tantely avy amin'ny hazo voalavaka i Ferenc sy ny zanany satria any no misy ny tantely mazàna miaina ao anaty zavaboary. Nanamarika i Peti fa mampihatra ny “teknolojia fiompiana tantely ekolojika manontolo, izay mitaky ezaka be” ny orinasa.

Tanjon'i Ferenc “hanome ny tantely tsara indrindra ho an'ny olona” no nitondra azy ho any Azia Afovoany, an'arivony kilaometatra miala ny tranony. Tamin'ny fanaovana izany izy nahasarika maso maro ho an'ny faritra amin'ny otrika goavana miandry ny fiompiana tantely.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.