Nanambara i Mark Ramotar, lehiben'ny Sampan-draharahan'ny Vondrona Seraseran'ny Polisim-pirenena ao Guyana fa hitady torohevitra ara-pitsarana any amin'ny Talen'ny Fampanoavam-bahoaka (DPP) ny polisy mikasika ny hain-trano tao amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa Kilasimandry Mahdia izay nahafatesana tanora 19. Ho alefa any amin'ny biraon'ny DPP amin'ny 24 May ny antontan-taratasy mirakitra ny fanadihadiana, izay milaza fa mpianatra vavy iray no nanomboka ny afo ho fanoherana ny fanagiazana ny findainy. Misy ihany koa ny filazana avy amin'ny Mpanolo-tsaina momba ny Fiarovam-pirenena, Gerald Gouveia fa mety hiatrika fiampangana fanolanana ihany koa ny lehilahy zokiolona iray izay nandefa SMS taminy.
Raha milaza ny tatitra sasany fa niaiky ilay tovovavy, izay eo amin'ny 14 na 15 taona fa nanao ny fandoroana, ny hafa kosa milaza fa tsy nanao izany izy. Nilaza tamin'ny Agence France-Presse (AFP) ny loharanom-baovao iray hoe, “Nogiazan'izy ireo ny finday tany amin'ilay tovovavy, ary nandrahona [izy] tamin'io alina io fa hodorany ilay trano ary henon'ny rehetra izany.” Tao amin’ny efitra fandroana no niantombohan’ny afo, izay niheverana fa nanaparitahan'ilay tovovavy fanafody famonoana bibikely teo amin’ny lambam-baravarana, avy eo nandrehitra afokasoka. Vetivety dia niitatra teo amin’ny valindrihana hazon’ilay trano ny afo ary vetivety dia nirehitra ny toerana iray manontolo.
Toy ny fanao, nanidy ireo zazavavy tao amin’ny efitrano fatoriana mandritra ny alina ilay tompon-trano — izay namoy ny ainy tao anatin’ny afo ihany koa ny zanany lahy — mba hisakanana azy ireo tsy hivoaka an-tsokosoko. Nilaza tamin’ny polisy izy taorian’izay fa noho ny fikoropahana, dia tsy hitany ny lakilen’ny varavarana fidirana. Voaaro amin'ny mpangalatra, tsy ahafahana mitsoaka ny varavarankelin'ny trano fatoriana, na dia nisy aza ireo mpianatra, anisan'izany ilay voarohirohy, nandositra rehefa vaky varavarana.
Nanamarika ny tatitra ofisialin'ny polisy fa mpianatra 57 no tao amin'ny efitrano fatoriana tamin'io fotoana io. Ankizy efatra ambin’ny folo no maty teny an-toerana noho ny fitrohana setroka sy ny fahamaizana; dimy hafa kosa namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly, ary maro hafa no naratra mafy. Ny fito amin'izy ireo dia mbola tazonina any amin'ny toeram-pitsaboana, ary marary mafy ny roa. Taorian'ilay tranga, nahazo fanohanana ara-pitsaboana sy ara-pitsarana avy amin'ny vondrom-piarahamonina Karaiba sy iraisam-pirenena i Goyana.
Raha manizingizina ny lehiben'ny mpamono afo fa efatra minitra taty aoriana no tonga teny an-toerana ny borigadin'izy ireo raha vao nampandrenesina izy ireo, ny tatitra hafa kosa milaza fa 25 minitra taty aoriana izy ireo vao tonga. Nilaza ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Priya Manickchand fa nohadihadiana ny filazana fa tsy manana rafitra fanairana afo araka ny tokony izy ny trano fatoriana: “Ny tsy maintsy hitranga amin'izany dia ny fanatsarana manerana ny sehatrasa.” Nahatonga ny fandinihana indray ireo trano mitovitovy amin'izany manerana ny firenena ny loza nitranga, ka misy ny sasany mitaky fanavaozana lehibe sy Vaomiera Mpanadihady.
Hatreto dia niompana betsaka tamin’ny fanivahana ara-politika sy ara-andrim-panjakana tsy nahavita niaro ny mpianatra ny fanehoan-kevitra momba ity olana ity, mifanohitra amin’ny toe-javatra mikasika ilay mpianatra voalaza fa nanao fandoroana. Nilaza ny taratasy iray ho an'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny Stabroek News fa tokony handevina amim-pahamendrehana sy amim-panajana ny maty aloha ny firenena amin'ny filazana fa hanaraka amin'ny fotoana mety ny ambiny .
Namoaka ny kaonty Instagram malaza ao amin'ny faritra Know Your Caribbean hoe, “Tsy ampy ny vaovao hahafantarana hoe inona ny loza nitranga tao amin'ny sekoly any Guyana,” ary niantso ny vondrom-piarahamonina ao aminy mba hanampy amin'ny fomba lehibe: “[M]arobe ny fifampizarana amin'ny media sosialy tonga miaraka amin'ny resaka ‘eritreritra sy vavaka’, fampiononana ho an'ny fianakaviana. Raisina tsara ireo zavatra ireo, saingy tsy ampy. Araho hatrany azafady ny fomba ahafahantsika mivory hanohanana ireo fianakaviana ireo… “Ny sasany amin'ireo mpampiasa media sosialy, na izany aza , nanohy ny fanomezan-tsiny any amin'ny faritra samihafa.
Satria miezaka manasongadina ny loza ny firenena, dia notontosaina ny fiaretan-tory ho an’ireo niharam-boina, ary efa nanomboka nalevina ny sasany tamin’ireo maty.