Nahatratra ny dingana manan-tantara amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Cannes ny sarimihetsika Mongoliana ‘If Only I Could Hibernate’

 

Ny ekipan'ny sarimihetsika manatrika ny Fetiben'ny Sarimihetsika any Cannes. Sary avy amin'ny pejy Facebook ofisialy an'ny sarimihetsika.

Nahazo laza tamin'ity herinandro ity nandritra ny Fetiben'ny Sarimihetsika any Cannes ny sarimihetsika notontosain’ilay mpamokatra sarimihetsika Mongoliana Zoljargal Purevdash “If Only I Could Hibernate” amin'ny maha-sarimihetsika Mongoliana voalohany azy naseho tao amin'ny Fifantenana ofisialy tao Cannes. Izy no iray tamin'ireo am-polony maromaro voafantina tamin'ireo sarimihetsika manodidina ny 2.000 natolotra tamin'ny fetibe ary ho afaka hifaninana amin’ny loka maro ankehitriny. Tao anatin’ny sokajy “Un Certain Regard” tamin'ny fetibe ity sarimihetsika ity, izay manasongadina tantara ôrizinaly sy samihafa manerana izao tontolo izao.

Mitantara ny tantaran'ny zazalahy Mongoliana iray 15 taona Ulzii ny “If Only I Could Hibernate”, mipetraka ao amin'ny distrikan'i ger (yurt) ao Ulaanbaatar renivohitr'i Mongolia. Manam-pahaizana momba ny fizika i Ulzii, ary mandrisika azy hiditra amin'ny fifaninanana nasionaly momba ny fizika ny mpampianatra azy mba hahazoany vatsim-pianarana hanatrehana ny iray amin'ireo sekoly tsara indrindra any amin'ny firenena. Sahirana ara-bola ny fianakaviany rehefa maty ny rainy ary tsy nahita asa ny reniny miankin-doha amin’ny fisotroan-toaka.

Ity ny sombiny amin'ilay sarimihetsika, navoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialy.

Баавгай Болохсон УСК эхний трэйлерийг хүлээн авна уу 🐻Enjoy the first trailer of IF ONLY I COULD HIBERNATE 🐾🐻#amygdalafilms #urbanfactory #urbansales #eurozoom#mongolian_fintech_group #swiss_cooperation_in_mongolia#lantuun_dohio_ngo #id_shidiin_oron #paris_regional_fund #CNC_centre_national_du_cinema_et_de_limage_animee#doha_film_institute #bambaz_photography #shine_mongol_school #kite_mongolia #mongolia_education_foundation #talents_tokyo #next_masters_support_program#korea_standart_llc #usp_mongolia_llc#hongkong_asia_filmfinancingforum #opendoors_locarnofilmfestival #torinofilmlab_extended #routes_nomades #australian_embassy_in_mongolia #motion_picture_association #hibernate_donaters#баавгайболохсон #ifonlyicouldhibernate #hibernate #amygdalafeatures

Posted by If Only I Could Hibernate Баавгай Болохсон on Monday, May 22, 2023

Niova ny drafitra akademikan'i Ulzii rehefa nifindra tany ambanivohitra hitady asa ny reniny ary namela azy sy ny zandriny roa hamelo-tena samirery. Potika ny fanantenany ny hoavy tsara kokoa noho ny asa mampidi-doza nataony amin'ny fitrandrahana hazo mba hanomezana sakafo sy solika ho an'ny fianakaviany mba ho tafavoaka velona amin'ny ririnina mamirifiry. Nalaina avy amin'ny tenin'ny iray tamin’ireo zandriny ny lohatenin’ilay sarimihetsika, izay milaza fa maniry ny hibonoka mandritra ny ririnina toy ny bera izy ireo ary tsy manahy ny amin'izay fakany hafanana.

Maneho ny zavatra niainan'i Purevdash manokana ny sarimihetsika. Nitantana fivarotana tao amin’ny distrikan’i Ger ny reniny. Nitantara izy fa nahita “karazana olona maro [mipetraka ao amin’ny distrikan’i ger] — ny sasany mpifindrafindra monina, ny sasany miaina ao anatin’ny toe-javatra sarotra, misy ireo ray aman-dreny sasany no tsy mividy sakafo ho an’ny zanany fa toaka ho an’ny tenany no vidiny ary vatomamy kely vitsivitsy no vidin’izy ireo ho an’ny zanany.” Rehefa miresaka momba ny antony manosika azy ho an’ity sarimihetsika ity, dia nilaza izy fa: “Naniry hatrany ny hanao zavatra ho an’ireo ankizy madinika tsy manan-tsiny ireo, mba hitantarana azy ireo ny tantara izay hampifaly azy ireo, na hanome fanantenana azy ireo.”

Ity ny antsafa nifanaovana tamin'ny tale mpanatontosa ny sarimihetsika Zoljargal Purevdash.

Ankoatra ny fanomezana fanantenana sy fitaomam-panahy ho an'ireo tanora sahirana, miresaka momba ny iray amin'ireo olana lehibe indrindra ao Ulaanbaatar, ny fandotoana rivotra, ilay sarimihetsika. Tsy misitraka ny rafi-panafana ao an-tanàndehibe ny distrikan'i Ger fa mampiasa fandoroana arina ny mponina ao aminy mba hahazoana hafanana mandritra ny andro ririnina lava sy mamirifiry, rehefa mety hidina hatramin'ny -30 degre Celsius ny mari-pana. Eo amin’ny 60 isan-jaton’ny mponina ao Ulaanbaatar izay mitotaly 1,5 tapitrisa no monina ao amin'ny distrikan'i Ger, ary matetika izy ireo no omena tsiny noho ny fahalotoan'ny rivotra ao an-tanàndehibe. Ny hanorina fifandraisana sy fifankahazoan-kevitra eo amin'ireo vondrona samihafa no tanjon'i Purevdash ary hampiseho fa tsy misy olona ao amin'ny distrikan'i ger mandoro arina mba hanaovana fanahiniana hamotika ny hafa. “Tiako hahatakatra, hahatsapa ary hiaina ny tolona sy ny hafalian'ny tsirairay ny mpiray tanindrazana amiko,” hoy izy nanazava.

Manomboka vanim-potoana vaovao amin'ny indostrian'ny famokarana sarimihetsika ao Mongolia ny fahombiazan'ilay sarimihetsika. Ary vonona ny hitondra ny anjara birikiny ny fanjakana. Tamin'ny taona 2022, nanangana ny Filankevitry ny Sarimihetsika Nasionaly Mongoliana izy ireo sy ny  Famatsiam-bolan’ny Sarimihetsika Mongol, izay ahafahan'ny mpamokatra sarimihetsika mahazo hatramin'ny 45 isanjaton'ny saran’ny sarimihetsika ho an'ny tetikasa vokarina any Mongolia amin'ny fandaniana kely indrindra mitentina 500.000 dolara. “If Only I Could Hibernate” no sarimihetsika voalohany nataon'i Purevdash.  Mikasa izy ny hanatontosa sarimihetsika misimisy kokoa amin'ny ho avy miaraka amin'ny rafitra fanohanana vaovao natsangana manodidina ny indostrian'ny sarimihetsika ao an-toerana. Hijery ny sarimihetsika manaraka izay ho tontosainy ny rehetra amin'ity fanombohana voalohany mampihetsi-po toy izao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.