Mifindra lalana mankany amin'ny demaokrasia i Thailandy taorian'ny fandresena miezinezina tamin'ny fifidianana

Mpifidy nivory teo amin'ny biraom-pifidianana iray tao amin'ny distrikan'i Phra Khanong ao Bangkok tamin'ny 14 Mey hijery ny fanisam-bato. Loharanon-tsary : Prachatai

Navoakan'ny Prachatai, tranonkalam-baovao mahaleotena ao Thailandy, ity lahatsoratra voarindra ity ary navoakan'ny Global Voices indray noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Tamin'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny alahady (14 mey), resin'ireo antoko mpanohitra teo aloha ireo antoko tohanan'ny miaramila izay nitondra an'i Thailandy hatramin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014  sady naneho ny fahavononany hanangana governemanta vaovao.

Tamin'ny isambato 99 isanjato mahery voaisa, nitatitra ny vokatra tsy ofisialy avy amin'ny Vaomieran'ny Fifidianana fa ny Antoko progresista Miroso no nahazo toerana betsaka indrindra (152) ao amin'ny Antenimieram-pirenena. Tafiditra ao anaty tarehimarika ireo solombavambahoaka isam-pari-pifidianana 113 sy solombavambahoaka 39 amin'ny lisitry ny antoko.

Faharoa manaraka akaiky azy ny Antoko Thailandey Pheu, tarihin'i Paetongtarn Shinawatra, zanakavavin'ny praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra, manana toerana 141 — depiote 112 avy amin'ny fari-pifidianana ary solombavambahoaka 29 ao amin'ny lisitry ny antoko. Ireo antoko roa ireo no antoko mpanohitra roa lehibe indrindra tamin'ny governemanta teo aloha ary ankehitriny mitana fitambaran-toerana 293 amin'ny 500 ao amin'ny Antenimierampirenena.

Tonga teo amin'ny laharana fahatelo nahazo seza 70 ny Antoko Bhumjaithai, ilay mpisava lalana tamin'ny fanentanana hanafoana ny mahameloka ny rongony, raha mitana ny laharana fahefatra sy fahadimy nahazo toerana 41 sy 36 avy kosa ny antoko Palang Pracharath an'i Prawit Wongsuwan sy ny Antoko Firenena Thailandey Mitambatra an'i Prayut Chan-o-cha, izay samy tohanan'ny miaramila nandrombaka fahefana tamin’ny taona 2014.

Tamin'ny 15 May 2023, nanambara ny fandresena i Pita Limjaroenrat, mpitarika ny Antoko Miroso sady kandidà PM, nanamafy ny fahavononan'ny antoko ho mpitari-dalana amin'ny fananganana governemanta vaovao.

I declare that the Move Forward Party is ready to be the leader in forming the next government. I am ready to be the PM of all Thais, and ready to listen to different opinions to make me a better PM. We are ready to honour and continue the past fight of all sides for democracy. We are ready to restore faith in the democratic system and in the parliamentary system.

Ambarako fa vonona ny ho mpitarika amin’ny fananganana governemanta hoavy ny Antoko Miroso. Vonona aho ny ho PM-n'ny Thailandey rehetra, ary vonona ny hihaino ireo hevitra samihafa mba hahatonga ahy ho PM tsara kokoa. Vonona izahay hanome voninahitra sy hanohy ny tolon'ireo ankolafy rehetra ho amin’ny demaokrasia. Vonona izahay hamerina amin'ny laoniny ny finoana ny rafitra demokratika sy ny rafitra parlemantera.

Nilaza i Pita fa nanasa ny Antoko Thailandey Pheu sy ireo antoko hafa — ny Antoko Prachachat, ny Antoko Thai Sang Thai, ary ny Antoko Liberaly Thai (Seree Ruam Thai), mba hanangana fiaraha-mitantana. Nambarany fa miandry valiny avy amin’ny Antokon'ny Rariny (Fair Party) ny tenany, amin’ny fiheverana fa ho ampy hananganana governemanta maro an’isa ny fitambaran’ny seza. Nambarany fa mila manaja ny vokatra azo ny ankolafy rehetra.

Nisioka i Pitipong Temcharoen, mpitarika ny Antokon'ny Rariny fa faly izy hanatevin-daharana ny governemantan'ny Antoko Miroso ary manohana an'i Pita ho PM manaraka mba hananganana firenena miorina amin'ny demaokrasia.

Tamin'io andro io ihany, namoaka fanambaràna ny Antoko Thailandey Pheu niarahaba ny Antoko Miroso noho ny fandreseny sy ny fanekena ny fanasan'ny Antoko Miroso hiditra ao amin'ny governemanta vaovao.

PHEU THAI PARTY
Fanambaràn'ny antoko thailandey Pheu
Valiny: Voka-pifidianana sy fananganana governemanta vaovao
Manondro ny voka-pifidianana tsy ofisialy fa mitana ny laharana voalohany sy faharoa ny Antoko Miroso sy ny antoko thailandey Pheu, eo amin'ny isan'ny toerana azy. Pheu…

Mihazona toerana 310 ankehitriny ny fiaraha-mitantana tarihin'ny Antoko Miroso. Na izany aza, noho ny fitsipika ao amin'ny lalàmpanorenana miolankolana napetraky ny governemanta miaramila tamin'ny taona 2017, dia navela hifidy PM ireo mpikambana 250 ao amin'ny Antenimieran-doholona notendren'ny miaramila. Mba hahazoana fanohanana avy amin’ny mpikambana 376 ao amin’ny Antenimiera roa tonta, izany hoe antsasa-manilan’ireo mpikambana 750 miampy iray, dia mitaky ny fanohanan’ny loholona 66 ny fiaraha-mitantana raha tsy afaka manangona fanohanana bebe kokoa avy amin’ny antenimierampirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.