Tatitra Unfreedom Monitor : Kenya

Image courtesy Ameya Nagarajan

Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera ary ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika. Ity dia tsonga nalaina avy amin'ny famintinana ireo tatitra momba an'i Kenya tao anatin'ny andiana tatitra nivoaka avy tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor. Vakio ato ny tatitra feno.

Ity tatitra ity dia manome topimaso momba ireo trangan-javatra miroborobo indrindra amin'ny resaka tsirefesimandidy nomerika ao Kenya. Hohadihadiana anatin'ny tatitra ireo hetsika sy fanapahankevitra tena manandanja indrindra noraisain'ny governemanta keniàna tato anatin'ny taona vitsy ka ampiasàny ny aterineto sy ny teknôlôjia mba hanatrarana tanjona pôlitika sasantsasany. Ireo zavanitranga lehibe nisongadina dia ahitàna ny fanarahamaso ny fifandraisana sy ny tambajotra, ny fampiasàna tsy araka ny tokony ho izy ny angondrakitra manokan'ny olona ary ny fanitsakitsahana ny angondrakitra nandritra ny fifidianana, hatramin'ny fandisoana ny vaovao sy ireo fanakaramàna fampielezankevitra ho fandisoana vaovao. Ny famakafakàna ny fandiovana sy ny fanamarinan'ny governemanta ireny hetsika ireny, ary ny fomba matetika anekena azy io eo ambanin'ny lalàna keniàna. Ankoatra izany, amin'ny fijerena ireo fahavoazana sy ny fanitsakitsahana zon'olombelona ateraky ny tranga tahàka izany, dia fintinin'ity fanadihadiana ity amin'ny alàlan'ny fandalinana ny fiantraika ankapoben'ireny hetsika ireny amin'ny demaokrasia sy ny fahalalahana sivily, ary fanomezana torohevitra avy amin'ny fanadihadiana nolazaina etsy ambony.

***

Misy fiantraikany goavana amin'ny fitantanana sy ny fiainam-bahoaka ao Kenya ny tsirefesimandidy nomerika, ary vokatr'izany dia olana ilàna fiheverana maika momba ny zon'olombelona. Ao anatin'ny tontolon'ny nomerika amin'izao fotoana izao, hafainganam-pandeha malaky be no ivezivezen'ny fandisoana vaovao na ny fampiasàna azy tsy araka ny tokony ho izy ety an-tambajotra. Manana fahafahana bebe kokoa hiditra amin'ny angondrakitra ny governemanta, tsy toy ny tany aloha, izay ampiasainy hanarahana maso ny olompirenena sy hamelezana ireo mpanao gazety na ireo mpikatroka an-tambajotra. Ambonin'izany, ny fahatongavan'ny vanimpotoanan'ny aterineto dia mifameno tsara amin'ny fampidiran'ny governemanta ny rafitra teknôlôjika afaka miasa ho toy ny rindrambaiko fitsikilovana. Na mandroso sy mivoatra amina hafainganam-pandeha malaky aza ny aterineto, dia mihalasa tsy maimaimpoana hatrany hatrany izany ao Kenya. Hita ho miha-manakaiky ny jadona nomerika ny governemanta ao Kenya ary, vokany, mihamarefo noho ny fiantraikan'izany ny demaokrasia.

Faritan'ity tatitra ity ireto singa fototra ireto, izay tena ilaina mba hiantohana ny fahombiazana mankany amin'izay zotra izay. Voalohany, miankina amin'ny fiarovana ny zon'ny olompirenena ho afaka manao safidy pôlitika ny fihazonana ny demaokrasia. Mba hahafahana mandrafitra lalàna sy fepetra mahomby, ary ireo fepetra hafa mifandraika amin'ny teknôlôjia nomerika sy ny sehatry ny aterineto, tokony handray anjara mavitrika ny fiarahamonina sivily. Tokony ho azon'ireo mpanao gazety sy ireo mpikambana avy amin'ny fiarahamonina sivily hidirana, tsy misy fanakantsakànana na sivana, ny habaky ny aterineto. Ankoatra izay, tsy maintsy hajaina ny zo ho afaka maneho hevitra an-kalalahana, na anaty na ivelan'ny aterineto. Mitovy amin'izay ihany, nilaza i Nanjala Nyabola tao anatin'ny bokiny “Digital Democracy, Analogue Politics: How the Internet Era is Transforming Kenya,” fa “novain'ny nomerika ny fomba fanaovantsika pôlitika sy ny fifandraisana iraisampirenena, ary io dia miteraka hamehana vaovao ho an'ny fanakàrana ny tontolo nomerika, fa indrindra ny fahatakarana ny zo nomerikan'ny olompirenena.”

Niaina fivoarana nampitolagaga i Kenya tamin'ny fampidirana ny fitantanany sy ny toekarena ho anatin'ny nomerika, niaraka tamin'ny fampiasàna tsy mitsaha-mitombo ny aterineto sy ny fanekena ny TIC. Na izany aza, ny fihazakazaky ny teknôlôjian'ny aterineto sy ireo teknôlôjia hafa sy andalam-pivoarana dia nampivoatra be ny fitaovana eo am-pelatanan'ny governemanta ho entiny mamoritra sy mifehy ny sôsialy, vao mainka manasarotra ireo fanamby momba ny zon'olombelona. Ny avoitran'ny fikarohana momba an'i Kenya dia hoe kendan'ny fitomboan'ny jadona nomerika ny hery ananan'ny aterineto sy ny teknôlôjia nomerika ho entina mampandroso ny demaokrasia. Ny fanarahana maso, ny fitsongolohana sy ny fipaingorana ny fifandraisana nomerika, ny fanangonana sy fikirakiràna ireo angondrakitra manokan'ny olona amin'ny fomba tsy voafehy tsara, ary hatramin'ny fampiasàna ho fitaovam-piadiana ny rafitra araka ny lalàna efa marefo misy ny zo nomerika, dia samy nampiasain'ny governemanta keniàna avokoa ho toy ny fitaovana entina hanimbàna hatrany ifotony ny safidy pôlitika, ny zo hifidy ary ny fahalalahana, toy ny fahalalahana haneho hevitra, hifamory ary hanangana fikambanana. Io fanarahamaso vaovao vao tsikaritra io dia nanaketoka ny vahohon'ny jadona nomerika no sady nanao sorona ireo zo nomerikan'ny olompirenena sy ny fandraisana anjara amin'ny fomba demaokratika.

Ny famintinana azo atao dia ny hoe, na ny teknôlôjia nomerika noheverina fa hahafahan'ny fahalalahana mampivelatra ny adihevitra pôlitika aza dia mety ho afaka ihany koa hamela ny famoretana, indrindra fa ny fampiasàna tafahoatra ny angondrakitra, ny fanarahamaso faobe, ny fanelezana vaovao diso ary ny fanapahana aterineto izay maneritery ny fahalalahana maneho hevitra an-tambajotra. Io fandraisana anjaran'ny olompirenena ety anaty tambajotra io sy ny fandrosoan'ny firotsahana an-tsehatra sivily ety anaty tambajotra dia afaka ampiasaina ho tsindrin'entan'ny fahefam-panjakana. Raha voataiza tsara ny olompirenena, ka hisy fiarahamonina sivily hanamafy tsara ny zo nomerikan-dry zareo, dia azo atao tsara ny manohitra amim-pahombiazana ny jadona nomerika, na farafahakeliny mampihisatra azy.

Matetika no diso hevitra isika mihevitra ny teknôlôjia ho tsy miandany ara-pôlitika, nefa raha ny marina, ny fiantraika miabo na miiba aterany dia miankina amin'izay manana azy eo am-pela-tànany, na izay afaka miditra malalaka be aminy.  Rehefa governemanta iray tsirefesimandidy no afaka miditra malalaka be aminy, tsy afaka ny ho tsy hiandany mihitsy izy. Raha ny hoavy demaokratikan'i Kenya ao anatin'ny vanimpotoana nomerika no sainina, tsy misy afaka mody fanina amin'ny fitomboana malakin'ny IA (intelligence artificielle) isika, izay azo heverina tsara mihitsy fa vao mainka hanaratsy ireo fanamby efa misy ho an'ny demaokrasia. Nisy fiantraikany goavana tamin'ny fifandraisana sy ny fifampizaràna torohay eo amin'ny samy olona, ny governemanta, ary ny fiarahamonina sivily ny AI sy ireo teknôlôjia fitrandrahana ny angondrakitra ao anatin'ny pôlitika. Ny vanimpotoanan'ny AI izay efa tsy hoela intsony ao anatin'io toejavatra io dia loza mananontanona ho an'ny demaokrasia keniàna. Miainga amin'ireo olan'ny fanavakavahana amin'ireo teknôlôjiam-pitantanana mitanila, mankany amin'ireo tena faran'izay sandoka mampanjavozavo ny tsipiky ny fahamarinana sy ny tena zavamisy, arakaraky ny handrosoan'ny teknôlôjia sy ny maha-sarotra kokoa azy, dia toa misy ny mety ho fikorontanana bebe kokoa hanjo ny demaokrasia.

Vakio ato ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera sy ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika ny Unfreedom Monitor.

Hitroka PDF momba ny tatitra Kenya.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.