‘Matsaka rano’: Mitarika tetikasa fambolena organika iadiana amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ny vehivavy teratany Boliviana

Saham-boankazo agrôekôlôjika (fambolena manaja ny tontolo iainana) ao amin'ny vondrom-piarahamonina Timboy Tiguazu. Sary: Foibem-paritra Fikarohana ho an'ny Fampandrosoana ny Tarija (CERDET), Bolivia.

Lahatsoratr'i Rocío Corrales navoakan'i  Muy Waso any Bolivia, naverina navoakan'ny Global Voices sy nasiam-panovana ny lahatsoratra noho ny fifanarahana ara-pampitam-baovao.

Tsy asa mora ny mandeha eny an-tsena, mividy voka-pihinana, ary mikarakara sakafo. Saingy vao mainka sarotra kokoa izany rehefa monina ao amin'ny Chaco Boliviana: tsy misy rano, mari-pana efa ho 40 degre Celsius, ary lavitry ny tanàn-dehibe.

Manohintohina ny fanjarian-tsakafon’ny mponina ao Chaco Boliviana, indrindra fa ny an'ny vondrom-piarahamonina indizeny izany toe-javatra izany. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, niharan'ny hain-tany goavana i Chaco Boliviana.

Faritra iray any Amerika Atsimo ny Gran Chaco, mipaka any amin'ny firenena maro, anisan'izany i Arzantina, i Paragoay, i Bolivia, ary i Brezila. Iray amin'ireo faritra manana tontolonjavamiaina mahafinaritra indrindra izy io ary miavaka amin'ny rohivoary tsimanampaharoa. Vondrom-piarahamonina indizeny maromaro no mipetraka ao amin'io faritra io, toy ny Guarayos, Ayoreos, Chiquitanos, ary Guaraníes.

Miantraika ao Gran Chaco izay niharan'ny doro ala sy hain-tany mahery vaika izay mampidi-doza ny rano sy ny sakafo ho an'ny mponina tato anatin'ny taona vitsivitsy ny fiovaovan'ny toetr'andro.

Nandritra ny taona 2022, ho setrin'ny krizin'ny toetr'andro izay niteraka fihenan'ny vokatra ara-pambolena ao an-toerana, nametraka maodely amin'ny famokaran-tsakafo mahazaka tena ny vondrom-piarahamonina Guaraní ao Timboy Tiguasú ao amin'ny Departemantan'i Tarija any atsimon'i Bolivia .

Vehivavy Guaraní maherin'ny 120 avy amin'ity vondrom-piarahamonina ity no nitarika ny famokarana sakafo organika mba hananana sakafo ara-pahasalamana sy be otrikaina kokoa. Ankehitriny, miasa isan’andro ao an-jaridainany izy ireo, mioty karazam-boankazo sy legioma valo, arotsaka am-bilany, sy aroso an-dovia.

Nampisongadina ny fambolena marolafy ho mifantoka amin'ny fianakaviana sy ho fomba iray hananganana ny fahazakanten ny fitantanana ny voa. Ahitana karazana legioma ny andalana tsirairay eo amin'ny ampahantany.

Nahavita nifehy ny 87 isanjaton'ny bibikely sy ny aretina tsy nampiasa fanafody famonoana bibikely ity fitsinjarana voa ity.

Saham-boankazo agrô-ekôlôjika ao amin'ny vondrom-piarahamonina Timboy Tiguazu. Sary: Foibem-paritra momba ny Fikarohana ho an'ny Fampandrosoana ny Tarija (CERDET), Bolivia

Fiotazan-drano, mpiara-dia amin'ny fiompian'ny fianakaviana

Fanampin'izany, niantehitra tamin'ny fitantanan-drano mahomby ity tolo-kevitra momba ny Maodelim-Pamokarana Ara-pambolena ity. Dingana iray ahitana fakana, fitehirizana ary fitsinjarana ranon'orana araka ny vanim-potoana izany.

Nohadiana ny tatatra mba hanangonana ranonorana, izay tehirizina sy zaraina amin'ny tany amin'ny alàlan'ny fantsona ao amin'ny rafi-pitarihan-drano, toy ny orana.

“Tsy nanana legioma hanomanana ny sakafony ny fokonolona. Tamin'ity tetikasa ity dia nahavita nampiseho izahay fa, amin'ny alàlan'ny maodelim-pamokarana agrô-ekôlôjika, azo otazana ao Chaco ny sakafo ara-pahasalamana na dia eo aza ny krizy ara-toetr'andro,” hoy i Ricardo Paita, tompon'andraikitry ny tetikasa sy ny Foibe fianaram-paritra momba ny Fampandrosoana ao Tarija (CERDET).

Mba hanoherana ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro, azo ampiasaina amin'ny alàlan'ny famokarana, fitsinjarana ary ny fanjifana sakafo ara-pahasalamana hafa sy mahazaka tena ny hetsika manaraka toetrandro.

Ny Fampiharana ny Maodelim-Pamokarana ara-pambolena Mahazakatena ho safidy manara-bolontany vaovao sy mahomby amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro dia novatsian'ny Fundación Avina sy ny fiarahamiasa amin'ny Voices for Climate Action (VAC).

Amin'izao fotoana izao, dia maka tahaka ity maodelim-pamokarana ity ny foibem-panabeazana sy ny vondrom-piarahamonina teratany hafa ary manasongadina ny filàna famokarana sakafo maharitra sy tsy mampiasa famonoana bibikely.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.