Amin'izao fotoana izao, mifarana ny fifanandrinana eo amin'ny lalantsara manelanelana an'i Armenia sy Azerbaijana

Pikantsary avy amin'ny lahatsary tatitry ny France 24.

Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany teo amin'ny OC Media. Dika iray nnokiraina no navoaka eto ao anatin'ny  fifanarahana fiarahamiasa amin'ny votoaty.

Tamin'ny 28 Aprily, ireo Azerbaijaney voalaza fa “mpikatroka ara-tontolo iainana” nanakana ny lalantsara Lachin – làlana tokana hany mampitohy an'i Armenia sy Karabakh manerana ny faritanin'i Azerbaijana – dia nampiato ny fibahanany taorian'ny 23 Aprily nametrahana toby iray fisavana sisintany tantanin'ny Azerbaijaney.

Naharitra hatramin'ny fiandohan'ny volana Desambra 2022 ny fihetsiketsehana, nibahanana ny fifamoivoizana miditra sy mivoaka rehetra ao Haut-Karabakh, tsy anisan'izany ireo fiaran'ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny an'ireo iraka Rosiàna mpampandry tany. Araka ny fifanarahana fampitsaharana poabasy izay namarana ny ady Nagorno-Karabakh Faharoa tamin'ny taona 2020, dia teo hanara-maso ny lalantsara ao Lachin ireo Rosiàna mpampandry tany.

Na dia teo aza ny filazàna ho fanoherana ny fahasimban'ny tontolo iainana nateraky ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany tao Haut-Karabakh, dia toa tsy nisy nifandraisana tamin'ny fihetsiketsehana ara-tontolo iainana mihitsy ireo mpanao hetsi-panoherana ary tena noheverina ho fitaovana nampiasain'ny governemanta Azerbaijaney, izay zara raha manome alalana ireo fihetseketsehana hitranga tsy misy sakana sy manara-maso ny fidirana rehetra ao Shusha, ilay tanàna azo taorian'ny ady 44 andro nifanaovan'i Armenia sy Azerbaijana tamin'ny 2020.

Eo ambany fifehezan'ny vahoakany manam-piaviana Armeniana tsy mitapoka ny faritra Nagorno-Karabakh amin'ny maha-Fanjakana nanambara tena azy hatramin'ny nisian'ny ady tamin'ny fiandohan'ny taona 1990, izay nifarana tamin'ny fampitsaharana poabasy sy fandresen'ny tafika Armeniana tamin'ny 1994. Ny ampitson'ilay ady voalohany, nitsangana ny Repoblika “de facto”  iray vaovao tao Nagorno-Karabakh, tsy neken'ny teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Faritra mifanila fito no nobodoin‘ny tafika Armeniana. Vokatr'io ady io, “olona maherin'ny iray tapitrisa no voatery nandao ny tranony : nandositra an'i Armenia, Nagorno-Karabakh sy ireo faritany mifanila ireo Azerbaijaney, raha toa ka nandao ny fonenany tao Azerbaijana kosa ireo Armeniana”, araka ny filazan‘ny International Crisis Group, fikambanana tsy miankina iray miasa ho fisorohana ny ady sy ny famolavolana pôlitika. Taorian'ny ady faharoa tao Karabakh tamin'ny 2020, nandray indray ny fifehezana ny ampahany lehibe amin'ireo faritra fito voababo teo aloha i Azerbaijana. Nandritra ilay ady, azon‘i Azerbaijana ihany koa ny ampahatelon'i Karabakh. Ny 10 Novambra 2020, nanao sonia fifanarahana ho fampitsaharana ny poabasy i Azerbaijana sy Armenia, teo ambany fitarihan'i Rosia.         

Voalaza fa nilaza ireo mpikatroka mafàna fo fa manan-jo izy ireo ny hamerina indray ny sakana raha toa tsy mahafa-po ny valin'ny fangatahan'izy ireo  “mba hampiatoan'ireo Rosiàana mpampandry tany ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena ankibon'ny tany” sy ny  “hiantohana ny fametrahana fanarahamaso ny fiantraika ara-tontolo iainana sy ireo voka-dratsiny hafa”.

Ity fanapahankevitra ity no nanohy ny fametrahana tamin'ny 23 Aprily ilay toby azerbaijaney fisavana sisintany eo amin'ny fidirana ny lalantsaran'i Lachin manakaiky ny sisintany Armeniana. Araka ny tatitry ny Economist Intelligence Unit, “nampitombo ny fibahanana ao Nagorno Karabakh ity fanapahankevitra ity”.              Ny toeram-pisavana eo amin'ny sisintany dia hanome fahafahana an'i Azerbaijana hanakana ny fiara rehetra mivezivezy ao anelanelan'i Armenia sy Nagorno Karabakh.”  Ny 1 May, nivoaka ny tatitra fa hoe fehezin'ny tafika mpiandry sisintany Azerbaijaney ny mponina ao an-toerana. Araka ny tati-baovao, ireo sary marobe dia toa mampiseho fa fiara Armeniana no mandalo ny faritra fisavana, niaraka amin'ireo Azerbaijaney manamboninahitra mpiasa mpanara-maso ny sisintany eo am-pisavàna ny fiara sy ny taratasin-dry zareo.

“Avy amin'ireo tanàna akaikin'ny toby fisavana, misy sakana in-droa, ireo olona ireo, ary mivezivezy miaraka amin'ny fiarovan'ireo mpampandry tany, miaraka amin'ny fiantohana fa tsy ho voahelingelina”, hoy i Artak Beglaryan, mpanolotsainan'ny minisim-Panjakana, nanoratra teo amin'ny Twitter.

Taorian'ny nanombohan'ny sakana teo akaikin'i Shusha, tsy afa-nifandray tamin'ireo ambin'i Nagorno-Karabakh ireo vohitra ireo. Tafasaraka amin'i Armenia izy ireo ankehitriny noho ny fisian'ireo fadintseranana vaovao. Samvel Tavadyan, mpanabe ao amin'ny iray amin'ireo tanàna voakasika, no nanambara tamin'ny OC Media fa voahodidina amin'ny lafiny efatra izao ireo mponina ao an-tanàna, “toy ny hoe trano figadràna izany”, ary nampiany fa : “Nantenain'ny olona ireo Rosiàna hoe hiantoka ny fivezevezena malalaka ” saingy ankehitriny izy ireo dia “voafetra anatina faritra kely eo anelanelan'ny sakana sy ilay toby vaovao fisavana”.

Mitombo ny toe-po mankahala an'i Rosia ao Armenia

Nandritra izany fotoana izany, ny toby fisavana izay najoro teo amin'ny tetezan'i Hakari, teo akaikin'ny toby misy an'ireo Rosiana mpampandry tany, dia niteraka tsikera tao Armenia hoe “tsy azo ianteherana” ireo mpampandry tany.  Miaraka amin'ilay toby fisavana vaovao dia vao mainka mihamafy ireo lonilony.  Farany dia nangataka ny “Federasiona Rosiàna ny minisitry ny Raharaham-bahiny Armeniàna mba hanefa ny andraikiny araka ny andininy  faha-6 ao anatin'nyfifanarahan'ny telo tonta ho fanafoanana ny fanakanana tsy ara-dalàna ny lalantsaran'i Lachin no sady hiantoka ny fanesorana ny tafika Azerbaijaney ao amin'ny faritra fiarovana manontolo ao amin'ilay lalantsara. Notsikerain‘i Yerevan ny fihetsik'i Bakou, tamin'ny filazana fa “tsy misy afa-tsy i Rosia ihany” no tokony hiandraikitra ny fisavana eo amin'ny lalantsaran'i Lachin.

Bakou, etsy ankilany, dia nandà ho tsy nibahana ny lalantsara. Nilaza ny Ministry ny Raharaham-bahiny Azerbaijaney, Jeyhun Bayramov, tamin'ny 27 Aprily, fa nametraka toerana fisavana i Azerbaijana taorian'ny fampitandremana an'i Armenia fa “tsy ara-dalàna ny fampiasana” ny làlana ho fitaterana fitaovam-piadiana ho ao amin'ny faritra.

“Misokatra ny lalantsara Lachin ary hisokatra foana”, hoy ny nambaran'i Bayramov nandritra ny fihaonany tamin'ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay tany Bakou.

Tany aloha dia nampanantena ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny fa hamorona reo “fepetra ilaina” ho an'ny “fandalovana mangarahara sy milamina ho an'ireo mponina Armeniana monina ao amin'ny faritr'i Karabakh ao Azerbaijana”.

Naneho ny ahiahiny ihany koa ireo manampahefana Tandrefana manoloana ny fihetsik'i Azerbaijana. Ny mpitondra tenin'ny Departemantam-panjakana Amerikana, Matthew Miller, nilaza fa ny sekreteram-panjakana Antony J.Blinken, izay nitafatafa tamin'ny filoham-pirenena Ilham Aliyev, tamin'ny telefaona, tamin'ny 30 Aprily, dia naneho “ny fiahiahiana lalin'i Etazonia amin'ny fananganan'i Bakou toerana iray fisavana eo amin'ilay lalantsara”.

Nitondra ny ahiahian'i Blinken tao anaty fanambarana iray ny iraka Amerikana ao amin'ny Fikambanana ho an'ny fiarovana sy ny fiarahamiasa ao Eoropa. Matahotra [I] Etazonia fa ny fametrahan'i Azerbaijana toerana iray fisavana eo amin'ny lalantsaran'i Lachin tamin'ny 23 Aprily dia hanimba ireo ezaka mikendry ny fametrahana fahatokisana amin'ny fizotran'ny fikatsahana fandriampahalemana”, hoy ny fivakin'ny fanambarana avy amin'ilay iraka.

Ny solontena ambony ao amin'ny Vondrona Eoropeana, Josep Borrell, dia niteny tao anaty bitsika iray fa ny toby fisavana dia “mifanohitra amin'ny antson'ny Vondrona Eoropeana mba hampihenana ny disadisa sy hamahàna ny olana amin'ny alàlan'ny fifanakalozan-kevitra”.

Niteraka tahotra indray tao Nagorno-Karabakh sy  Armenia ilay toby fisavana, momba ny hoavin'ny mponina manam-piaviana foko Armeniana ao amin'ny faritra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.