Any Tiorkia, miely patrana ny dokambarotra raki noho izy mamofona resaka pôlitika

Pikantsary avy amin'ny lahatsarina dokambarotry ny Yeni Raki

Amin'ity taona ity, ny 29 Oktobra dia hankalaza ny faha-100 taonany ny repoblikan'i Tiorkia, hatramin'ny nijoroany tamin'ny taona 1923. Mialoha io daty manan-tantara io,  navoakan‘ny marika raki avy eo an-toerana, Yeni Raki ny dokambarotra iray vaovao misy firehena ara-politika. Ny mpihaino iraisam-pirenena sy ny Tiorka any ampielezana no kendren'ilay dokambarotra amin'izany, nanomboka hatramin'ny 2013 nampidiran'ny antoko pôlitika Rariny sy Fampandrosoana (AKP) eo amin'ny fitondrana,  ny fandraràna an'ireo dokambarotra ho an'ny alikaola. Misy anefa, na izany aza, teny tsy loa-body kely ho an'ireo monina ao Tiorka sy ireo mpanaramaso ny firenena. Ilay dokambarotra dia manomboka amin'ny fanontaniana hoe : “Ahoana no hankalazanao io andro io ?” Koa satria ny 14 May dia miditra amin'ny iray amin'ireo fifidianana ankapobeny tena lehibe indrindra i Tiorka, tsy ny fankalazana ny faha-100 taona no tonga tao an-tsaina, fa ny fankalazana izay hitranga raha toa ka resy ny AKP taorian'ny 20 taona nitondràny.

Yeni Raki—#ny marikin'ny divay misy alikaola be mpividy  indrindra ao #Tiorkia, no namoaka ny iray amin'ireo dokambarotra ara-politika lalin-tsaina indrindra teo amin'ny tantara miaraka amin'ny pi-maso sy ny tsiky.

“Ahoana no hankalazanao io andro io rehefa tonga izany ?” hoy izy manontany, mitanisa ny fifidianana amin'ny 14 May mialoha ny hanambarany fa raha “ny tena marina” dia ny mikasika ny fetim-pirenena no tiany ambara.https://t.co/54E8KhyPrJ

— Monica Marks (@MonicaLMarks) 25 Aprily 2023

Lazain'ilay dokambarotra vaovao “rehefa tonga io andro io” an'ny Yeni Rakı fa ny fahazato taonan'i Tiorkia amin'ny volana Oktobra no ankalazaina – nefa marobe no mahita izany ho toy ny fanantenana amin'ny fandresen'ny mpanohitra amin'ny volana Mey, miaraka amin'ny sehatry ny Anjerimanontolon'i Boğaziçi natao fahirano sy Tiorka iray any ivelany milaza fa hody an-tanindrazany izy. #ogüngeldiğinde https://t.co/ZgfIq3FBaT

— Jennifer Hattam (@TheTurkishLife) 25 Aprily 2023

Feno dihy, hehy ary fihiràna ao anatin'ilay lahatsary, na azo ambara hoe any amin'ny faramparan'ilay lahatsary aza ny fotoana mahamay indrindra, rehefa misy ilay vehivavy mijery ny kamera sy miteny fa hankalaza izany amin'ny fiverenany an-tanindrazana. Marobe no nandika izany ho hafatra atodika amin'ireo rehetra Tiorka mpila ravinahitra – indrindra fa ireo nandao an'i Tiorkia tato anatin'ny taona vitsivitsy noho ny tsy fisian'ny fahafahana ara-toekarena sy ny fitomboan'ny fandalàna ny nentin-drazana.

Louis Fishman, mpandinika hatry ny ela an'i Tiorkia, nibitsika hoe: “ ‘Rehefa tonga izay andro izay’ no dokambarotra farany indrindra (sahisahy) ho an'ny Yeni Raki, ilay marika alikaola ao Tiorkia, izay manoso-kevitra amin'ireo mpijery fa vita hatreto ny hafaliana tsy misy fangarony hoe hahazo fandresena ny mpanohitra amin'ny fifidianana manaraka eo, saingy avy eo mamboraka fa raha ny tena marina dia ny fahazato taonan'ny repoblika no ankalazainy.” Iray hafa mpampiasa Twitter no nanipika hoe efa any amin'ny enimbolana any ny fankalazana ny fahazato taona, kanefa, telo herinandro mialoha ny fifidianana no namoahan'ny Yeni Raki ilay dokambarotra.

Ny adin'ny AKP amin'ny alikaola sy ny fomba fiaina tsy miozolomàna

Araka ny nosoratan'i Nazli Ertan tamin'ny 2021,  “Nanomboka tamin'ny 2002, nisy ny andiana lalàna sy fepetra nankatoavin'ny antoko Rariny sy Fandrosoana (AKP) eo amin'ny fitondrana mba tsy hahafahan'ny alikaola hanao dokambarotra sy ho ampahafantarina, lafo tsy taka-bidy ary tsy ahazoana tombony raha amidy”

Tamin'ny 2002 no tonga ireo fepetra voalohany fony nampidirin'ny AKP, izay vao lany tamin'izany fotoana izany, ilay Hetra Manokana momba ny Fanjifàna. Vokany, niala avy any amin'ny 18 isanjato ny hetra amin'ny alikaola ka tonga hatrany amin'ny 48 isanjato tsy nampino. Fa tsy niato teo ny hazakazaka. Tamin'ny fotoana nanoratana ity tantara ity, ny hetra alaina amin'ireo zava-pisotro misy alikaola dia nihoatra ny 250% hoy ny tatitry ny The Independent.

Tamin'ny 2009, napetrany ireo fameperana ireo dokambarotra atao ho an'ny alikaola izay nahatonga ny fahafahana mihitsy manao dokambarotra ho an'ny divay, labiera, na raki, ary taona efatra taty aoriana, ny 2013, noraràny manontolo izay rehetra dokambarotra ho an'ny alikaola. Mbola tamin'ny 2013 ihany, nampidirin'ny fanjakana koa ireo fandraràna ny fivarotana alikaola aorian'ny amin'ny 10 ora alina. Fanampin'izany, tsy misy alikaola azo amidy ao anatin'ny 100 metatra latsaka miala amin'ny maoske na sekoly.

Vao mainka nihateritery ny zavatra maro nanomboka tamin'ny fiandohan'ny valanaretina COVID-19. Tamin'ny 2021, napetraky ny AKP ny fepetra tsy ahafahana mivezivezy amin'ny alina tamin'ireo tranga maro, izay mbola mitohy foana hatramin'izao. Nandritra ny valanaretina, nambaran'ny ny governemanta ny drafitrany handrarà ny fivarotana alikaola mandritra ny tsy fahafahana mivezivezny amin'ny alina tsy maintsy narahana nifandraika tamin'ilay valanaretina.

#OGünGeldiğinde

Raha jerena ny tantaran'ireo fameperana, tsy misy atao mahagaga mihitsy ny nahita ny tenifototra #OGünGeldiğinde (Rehefa tonga izay andro izay) lasa fironana tao amin'ny Twitter niaraka tamin'ny namoahana ilay dokambarotry ny Yeni Raki. Ampolony maro ireo mpampiasa Twitter no nameno ilay sehatra tamin'ny fibitsihana emoji mandihindihy sy fizaràna ny fanantenan-dry zareo ny haharesen'ny AKP.

Hifarana eo amin'izay niantombohany ilay nofy ratsy izay nanomboka efa ho 20 taona lasa izay

— Evrim Menekşe (@EvrimCalm) 24 Aprily 2023

Nanana hafatra miafina hafa ihany koa ilay dokambarotra, toy ny vondrona mpianatra iray mankalaza eo ivelan'ny toeram-ponenan'ny mpianatra ao amin'ny Oniversite-n'i Bogazici, toerana izay nampivaivay ny hetsipanoherana hatramin'ny Febroary 2021 rehefa nanendry rektora akaiky ny antoko eo amin'ny fitondrana ny fanjakana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.