Tafa nifanaovana tamin'i Pierre-Emmanuel Farret

Sarin'i Pierre-Emmanuel Farret. Nahazoana alàlana taminy.

Iza moa ianao ?

Mpianatra manomana Master LLCER amin'ny seha-pikarohana momba ireo tany mampiasa sy miteny anglisy aho.

Ahoana no nahitànao ny GV ?

Naniry ny hanao asa fandikàna aho mandritra ny fotoana mampahalalaka ahy, saingy tsy nahafantatra hoe iza no ho atonina. Dia nikaroka tao amin'ny Google ary nahita anarana fandalinana iray miaraka amin'ny anarana tranonkala misy ny rohy eto ambany :  https://journals.openedition.org/traduire/1159.

Noteteziko avokoa ireo anarana tranonkala natolotr'ilay lahatsoratra ka ny GV no nahasarika manokana ny saiko noho ireo lohahevitra maro rantsana sy ny endrika mahasarika ny maso ananany. Hitako fa feno ilay tranonkala ary tena tsotra tsy mila fahaizana teknika be raha resaka lohahevitra kirakiraina (miainga amin'ny sôsialy, mandalo amin'ny teknôlôjia sy ny zavakanto, na ny tontolo iainana koa).

Inona no nanosika anao hirotsaka hiara-dia aminay?

Ilay lafiny tsy mionona amina zavatra voafaritra manokana ananan'ireo lahatsoratra ary ny fahamoran'ilay tranonkala dia tena nambabo be ahy, ary koa ny kalitaon'ireo lahatsoratra.

Tsikaritro fa ny antsasak'ireo lahatsoratra nadikanao dia mahakasika ny tontolo iainana avokoa. Inona no manamarina izay safidy izay ? 

Izaho dia olona liana amin'ny resaka tontolo iainana sy ny rohivoary (indrindra fa ny anaty rano). Fony mbola kely dia nandeha nankeny an-drenirano aho nisambotra ireo karazam-bibikely mety misy sy azo noeritreretina mba hahafantarako ny fomba fiainan-dry zareo ireny. Notazoniko niaraka tamiko nandritra ny ora vitsy izy ireny ary avy eo avotsotro. Io fahalinana io no nanokatra ny làlako nankany amin'ny tontolon'ny “aquariophilie” nandritra ny folo taona, ary tsy maintsy natsahatro noho ny fianarako. Izany rehetra izany no nanosika ahy hianatra azy ireny, ary dia nanao “BTS biotechnologie” tamin'izany aho. Fa nanenjika ary nahatratra ahy ny fankafizako ny fiteny anglisy, dia nitodika tamin'ny fanomanana lisansa teny anglisy aho izay tonga amin'izao fanomanako Master izay mbola misy ahy ankehitriny izao. Ny fandikàna lahatsoratra momba ny tontolo iainana dia ahafahako mianatra misimisy kokoa momba ireo rohivoary manerana ny tany sy ireo fomba napetraka hitahirizana azy ireny. Ahafahako ihany koa mampifandray ny fiteny anglisy amin'ny tontolo iainana, na ireo lohahevitra hafa mahaliana ahy, toy ny teknôlôjia sy ny siansa, ohatra. Izany dia ahafahako mampifandray ny zava-mahaliana ahy ny fivoaran'ny tena manokana no sady manao asa mahasoa.

Inona no asa ataonao ? 

Mpianatra aho aloha izao, mbola tsy dia haiko tsara loatra hoe hitodika hankaiza aloha hatreto. Mampangetaheta ahy daholo ny zavatra rehetra.

Amin'ny lafiny toy inona ny traikefa azonao ato amin'ny GV no mety hoe ilaina eo amin'ny lafiny asa na fahamatoran'ny tena manokana ?

Amin'ny maha-mpianatra ahy ao anatin'ny sehatry ny fikarohana, zava-dehibe ilay endrika fandikàna satria mety hisy fotoana handikàna ampahana antontan-kevitra, eo am-panoratana ny asa an-tsoratra iray. Ahafahako ihany koa mitoetra ho misokatra amin'izao tontolo izao, raha ireo lahatsoratra zavon-tany no jerena, izay tsy voatery ho adikako, saingy mampahafantatra ahy zavatra marobe. Isika rehefa miaina ao anaty tontolo iray manankarena sy malalaka, dia matetika manana fironana ho jamban'izay efa azo, izay heverintsika ho mandeha ho azy, nefa ny firenena sasany kosa miady mafy vao mahazo azy.

Misy tolokevitra azonao atao ve mba ho fanatsarana ny GV ?

Tsy voatery hanana hevitra ho entina hanatsara ny GV aho. Fa angamba eo amin'ny lafiny “fampitambaovao”. Misy fitovana tsara azo jerena mba hizaràna ireo lahatsoratry ny GV amin'ny maro .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.