- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahatakatra ny fifidianana ho avy any Thailandy amin'ny alalan'ny sariitatra politika

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina, Thailand's 2023 election: Continuity or change?

 

Thai election [1]

Loharanom-baovao: Stephff – Prachatai, nahazoana alalana

Mialoha ny fifidianan'ny 14 Mey tany Thailandy  dia efa nanomboka ny latsa-bato mialoha ny fotoana ao anaty  fifidianana [2] izay fehezin’ny Lalàmpanorenan'ny taona 2017 izay novolavolain'ny governemanta tohanan'ny miaramila. Manahy ireo vondrona mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpanara-maso fa mety tsy haneho taratra ny safidim-bahoaka ny fifidianana amin’ity volana ity noho ny fepetra vaovao ao amin’ny Lalàmpanorenana izay miantoka ny toeran’ny Antenimierandoholona ho an’ireo mpitondra mpomba ny fitondrana miaramila.

Mampiseho ny trangana fandatsaha-bato nataon’ny mpifidy ny sariitatra etsy ambony raha mbola miomana hiditra an-tsehatra indray ny miaramila raha toa ka tsy mifanaraka amin'ny safidin’izy ireo ny vokatra. Taratry ny fanonganam-panjakana miisa 12 nahomby nataon'ny miaramila nandritra ny taonjato farany izany. Tamin'ny taona 2014 no nisy ny fanonganam-panjakana [3] farany, notarihin'ny jeneraly Prayut Chan-o-cha, izay mbola mitondra ny firenena ary mikasa ho lany praiminisitra indray.

Nandresy i Prayut tamin'ny taona 2019 rehefa nifidy azy ho praiminisitra ireo loholona miisa 250 notendreny. Tsy azo inoana ny hahazoany vato mitovy amin'izany amin'ity taona ity satria kandida ihany koa ny praiminisitra lefiny Prawit Wongsuwon. Nampiseho ny fitsapan-kevitra [4] roa herinandro lasa izay fa taraiky any aorian'ireo kandidà mpanohitra ny antokon'i Prayut sy Prawit eo amin'ny lafiny fanohanam-bahoaka.

Olana lehibe mandritra ny fanentanam-pifidianana ny tolo-kevitra na hanitsy na hanafoana ny Lalànam-panimbazimbàna Mpanjaka [5] ( Lèse-majesté, na ny andininy faha-112 amin’ny Fehezan-dalàna Famaizana). Nanamafy ny herin’ny mpanohitra fa ilaina ny fanavaozana [6] ny lalàna sy ny fomba fampiharana izany mba hanatsarana ny toe-draharahan’ny firenena momba ny zon'olombelona. Nampihatra mafy ny lalàna ny governemanta Prayut mba hitanana ireo mpitsikera sy ny mpikatroka — indrindra taorian'ny firongatry ny hetsika demaokrasia notarihin'ny tanora [7] tamin'ny taona 2020.

Nanamarika ny fanamby tsy maintsy atrehin’ny governemanta vaovao ilay mpanakanto monina any Bangkok Stephane Peray [1], malaza kokoa amin'ny aterineto amin'ny hoe Stephff [8]. Tamin'ny resadresaka tamin'ny mailaka nifanaovany tamin'ny Global Voices, hoy izy:

Mpanakanto monina any Bangkok i Stephane Peray [1], malaza kokoa amin'ny aterineto amin'ny hoe Stephff [8], nanamarika ny fanamby tsy maintsy atrehin’ny governemanta vaovao. Tamin'ny resadresaka tamin'ny mailaka niaraka tamin'ny Global Voices no nitenenany:

A lot of young voters have (been) radicalized due to the increased use of the lese-majeste by the authorities. So theorically we can expect some changes and reforms. But in practice, the Move Forward and the Pheu Thai — which will be the projected coalition to rule — cannot afford to alienate the military, the elite and the conservative administration otherwise we risk another coup.

Betsaka ny tanora mpifidy (no) nihanitrifana noho ny fitomboan'ny fampiasan'ny manampahefana ny lese-majeste. Noho izany, afaka manantena fiovana sy fanavaozana vitsivitsy isika raha theôria. Saingy amin'ny fampiharana ny Move Forward sy ny Pheu Thai — fiaraha-mitantana novinavinaina hitondra — tsy afaka ny hisaraka amin’ny miaramila, ny sangany ary ny fitondrana mpandala ny nentin-drazana raha tsy izany mety hisy indray ny fanonganam-panjakana hafa.

Move Forward [9] sy ny Pheu Thai [10] no antoko mpanohitra ankehitriny (tamin'ny fotoana nanoratana ny teny anglisy).

Nizara ny fahasahiranana niainan'ireo mpanao sariitatra toa azy ihany koa i Stephff taorian'ny fampiharana ny lalànan'ny faniratsiràna mpanjaka raha vao mainka niha-nahery setra ny governemanta:

Editorial cartoonists who publish in Thai media have to be careful. We can criticize the military, we can criticize the lese majeste law but we simply cannot criticize the Monarchy, it's just a big ‘NO !’ As a result, we have to self-censor ourselves and it's never a great feeling to do so for an artist or a political cartoonist. But I would say at the end it's not a big deal, we can find a way to say things we want to say.

Mila mitandrina ireo mpanao sariitatra mpamoaka sariitatra amin'ny media Thailandey. Afaka mitsikera ny miaramila isika, afaka manakiana ny lalàna lese majeste isika nefa tsy afaka mitsikera tsotra izao ny Fitondram-Panjakatokana, “TSIA” fotsiny tsotra izao! Vokany, tsy maintsy manivana ny tenantsika isika ary tsy mahafinaritra velively ny manao izany ho an'ny mpanakanto na ny mpanao sariitatra politika. Saingy milaza aho amin'ny farany fa tsy dia zava-dehibe izany, afaka mahita fomba hilazana izay tiantsika holazaina isika.

Nasehon'i Stephff an-tsary tsy tapaka ny fanentanana hamerenana amin'ny laoniny ny fitondrana sivily sy ny demokrasia ao Thailandy.

Mampiseho ny “tsangambato demokrasia” [11] malaza ao Bangkok ny sariitatrany mitondra ny lohateny hoe “Miampita ny Tanihay Demaokratika” izay miampita tanihay mba hahatongavana any amin’ny “oazisy” (fifidianana) sady mandresy sakana maro, toy ny antenimieran-doholona nofehezin’ny fitondrana miaramila, ny fitaoman’ny miaramila amin’ny sampana maro ao amin’ny governemanta, ny famoretana ny mpanohitra, ary ny fampiasana ny lalànan’ny faniratsiràna mpanjaka hampangina ny fanakianana. Omen'ny sariitatra voninahitra koa ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpikatroka — voamariky ny fiarahabana amin'ny rantsantanana telo [12], izay nalaza nandritra ny hetsi-panoherana tamin'ny taona 2020 — izay novonoina na nogadraina noho ny foto-keviny manohana ny demokrasia.

Sariitatra nataon'i Stephff: Miampita ny Tanihay Demokratika’

Mampiseho ny miaramila ho toy ny olona goavambe manakana ny lalan'ny ombiasa, maneho ny demokrasia ny sariitatra iray hafa nataon'i Stephff. Nalaina tamin'ny seho malaza tamin'ny sarimihetsika Hollywood “The Lord of the Rings: The Fellowship of the Ring” ny sary, izay ahitana an’i Gandalf ombiasa miady amin’ny demonia Balrog — vatan'ilay ratsy.

Tsy hiampita indray ve ianao?

Mandritra izany fotoana izany, sariitatra iray nataon'i Arun Watcharasawat no mampitaha ny toetry ny firenena amin'ny trano rava manondro molotra ny fitondran’i Prayut sy Prawit.

Sariitatra ara-politika nataon'i Arun Watcharasawat ho an'ny Matichon, mpamoaka lahatsoratra rahavavy Khaosod English, ahitana ny Jeneraly Prayut ao amin'ny rihana ambony sy ny Jeneraly Prawit Wongsuwan ao amin'ny rihana ambany amin'ny trano iray izay #Thailand [24]y. Mivaky toy izao ilay lohateny: “8 taona taorian’ny [nitondrany].”

Sariitatra iray hafa maneho ny fiovan'i Prayut avy amin'ny mpanongam-panjakana ho lehiben'ny governemanta tohanan'ny miaramila sy ny fikasany ho lany praiminisitra indray.

Sariitatra politika nataon'i Arun Watcharasawat ho an'ny Matichon Weekender, gazety rahavavin’ny Khaosod English, momba ny lehiben’ny fitondrana miaramila teo aloha Jeneraly Prayut lasa PM. Mivaky hoe “teo aloha” ny sary ambony, arahin'ny sary afovoany hoe “anio”, sy “manomboka izao” ho an'ny sary ambany.