- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihapotika ny demaokrasian'i Hong Kong, miha-voatosi-bohon-tanana ny olompireneny ao Taiwan

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Taiwan (ROC), Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka
[1]

Pikantsary avy amin'ny biraon'ny torohay an'ny governemantan'i Hong Kong ao amin'ny Youtube channel [1].

Ny ôrizinalin'ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Brian Hioe ary navoaka [2] tao amin'ny New Bloom (NB) tamin'ny 3 Mey 2023. Navoaka tato amin'ny Global Voices ny endrika nasiam-panovana ity noho ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-botoaty.

Nihasimba haingana ny demaokrasia sy ny fahalalahana tao Hong Kong nomboka tamin'ny taona 2019, fa noferan'ny governemanta tamin'ny fomba mahery vaika [3] [mg] ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra ary iharan'ny famoretana mafy ny mpanao gazety sy ny mpikatroka. Manoloana izany, asarotin'i Taiwan bebe kokoa ny fahazoan'ny HongKongers visa honina maharitra ao amin'ilay nosy.

Miharatsy hatrany izay sisa tavela amin'ny demaokrasiam-pifidianana ao Hong Kong, amin'ny fikasan'ny governemantan'i Hong Kong hampihena ny isan'ny mpanolotsainan'ny distrika voafidy mivantana avy amin'ny 90 isanjato ho eo amin'ny 20 isanjato [4].

Voalohany, ahena avy amin'ny 479 ho lasa 470 ny isan’ny seza. Araka ny rafitra vaovao, 382 amin’ireo toerana no hotendren’ny fanjakana fa tsy amin'ny fifidianana, ka toerana 27 mifototra amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny vondron-panjakana na vaomiera sasantsasany. Ankehitriny dia toerana 179 no hotendren'ny lehiben'ny mpanatanteraka mivantana, ary seza 176 no hotendrena amin'ny alalan'ny fifidianana komity misahana ny ady amin'ny heloka bevava, ny ady amin'ny fahamaizana, ary ny distrikan'ny faritra — izay feno mpikambana notendren'ny fanjakana avokoa izy rehetra ireo. Ilaina ho nahazo fankatoavana mialoha ny kandidà. Hihena avy amin'ny 452 ho 44 ny isan’ny mpanolotsainan’ny distrika izay lanian'ny vahoaka mivantana.

Miharihary fa mbola mitebiteby momba ny mety hisian'ny tsy fitovian-kevitra amin'ny alàlan'ny filankevitry ny distrika ny governemantan'i Hong Kong na dia efa nitaky fianianana tsy fivadihana tamin'ireo mpanolotsainan'ny distrika aza. Ny fanovana dia hampiharina mialoha ny fifidianana manaraka amin'ny Novambra 2023.

Indrisy anefa fa mampananosarotra kokoa ny Hongkongers ny mifindra, eny fa na dia ny mitsidika fotsiny an'i Taiwan rahatrizay noho ny fitotongan'ny demokrasiam-pifidianana any Hong Kong. Efa eo am-piheverana ny hanalavana ny fotoana [5] ilain'ny Hongkongers hijanonana ao Taiwan ho avy amin'ny herintaona mankany amin'ny efa-taona (ankehitriny) ny Vaomieran'ny Raharahan'ny Tanibe (MAC) hahazoana mipetraka maharitra ao Taiwan. Mila miaina any Taiwan enin-taona ny olom-pirenena Shinoa manana fahazoa-monina maharitra any Hong Kong mba hahazoany monina maharitra araka ny tolo-kevitra.

Nanome toky hanampy ireo Hongkongers mitady fialokalofana any Taiwan ny filohan'i Taiwan, Tsai Ing-wen, nandritra ny fipoahan'ny hetsi-panoherana prô-demôkrasia tamin'ny taona 2019 [6]. Tamin'izay lafiny izay, nohararaotin'ny [7] fitondrana Tsai ny hetsika tany Hong Kong hanentanam-pifidianana ao amin'ny firenena tamin'ny taona 2020. Saingy rehefa miharatsy hatrany ny toe-draharaha ao Hong Kong, dia hita ho tsy hay avahana amin'ny Shinoa ny Hongkongers, tamin'ny fametrahana lasitra an'i Hong Kong ho fiitaran'i Shina fotsiny.

Dakabe anoherana ny drafi-ponenana maharitra ho an'ny Hongkongers

Tamin'ny Mey 2022, noteren'ny mpanao lalànan'ny firehana maitso sy mpanohana ny fahaleovantenan'i Taiwan ny MAC hanemotra ny drafitra [8] ahafahan'ireo matihanina avy ao Hong Kong sy Macao hangataka fahazoa-monina maharitra aorian'ny dimy taona farafahakeliny nahazoana alalana hiasa. Ohatra, nosoritan [9]‘i Chiu Chih-wei, mpanao lalàna ao amin'ny Antoko Demaokratika Mandroso (DPP), fa mifehy tanteraka an'i Hong Kong sy Macao i Shina, ary ny drafi-ponenan'ny matihanina no ho lasa fantsona idiran'i Beijing hiditra ao Hong Kong.

Nanomboka teo, dia nitombo ihany ny horakoraka manohitra ny drafi-ponenana maharitra ho an'ny Hongkongers [10]. Amin'izao fiitarana izao, ankoatra ny fankahalana vahiny, dia mety hisy ihany koa ny sombin-tahotra sao ho lasa mpifaninana amin'ny sehatry ny asa sy ny fihariana ao Taiwan ny Hongkongers.

Dia io tokoa fa tamin'ny volana Avrily, nametraka [11] ny tatitra avy amin'ny fampahalalam-baovaon'i Hong Kong fa notsipahana ny fidiran'ireo mpanolotsainan'ny distrikan'i Hong Kong prô-demokrasia ao Taiwan na dia efa nahazo fankatoavana aza ny fangatahana visa taloha. Ny antony iray voatonona dia noho izy ireo efa nanao velirano fa hiandany amin'ny governemantan'i Hong Kong SAR, fepetra takiana amin'ny mpiasam-panjakana rehetra ao Hong Kong. Na izany aza, tsy nitady fialokalofana tany Taiwan ireo mpanolotsainan'ny distrika roa ireo fa nanantena ny hitsidika namana sy hizahazaha fotsiny.

Nanambara [11] ny MAC fa niova ny toe-draharaha tato anatin'ny taona vitsivitsy ary nasiana fanampiny ny paika ijerena ny visa-mpitsangatsanganan'ny Hongkongers noho ny fiovan'ny filàna ara-pilaminam-pirenena.

Mandritra izany fotoana izany, tsy maneho loatra ny andrim-panjakana demaokratikan'i Taiwan ny fanononana ahiahy fitsikilovana ho antony hanakanana ireo Hongkongers mandeha ho ao Taiwan. Tsy mitombina ihany koa izany, raha jerena ny fahalalahan'ny olom-pirenena Shinoa tanibe mandeha any Taiwan noho hihary, hianatra, na handeha dia lavitra aza.

Amin'ny ankapobeny, na dia nitombo aza ny isan'ny Hongkongers ao Taiwan tato anatin'ny taona vitsivitsy izao, dia mitombo tahaka izany ihany koa ny fanoherana ny Hongkongers ao amin'ny fiarahamonina Taiwaney. Mbola ho hita eo, raha hitozo amin'ny fanitarana ny fonenana maharitra ny MAC na raha ampy ny tosika anoherana ny vondrona Hongkongers ao Taiwan hampiato ny hetsika.